Tôko faha 19

1 Izy kôfa nahavita iré koragna ré Jesosy, niala tagny Galilia Izy, ké nankagny amin'ny faritr'i Jodia izay tagny andafin'ny tegnaranon'ny Jordana. 2 Fôkon'ôlogno fôntry no nagnaraka Ananjy, ké nampahivagna ananjy iré tagny Izy. 3 Nagnatogna Ananjy iré fariseo, nizaha fagnahy Ananjy, nivôlagna taminanjy hoe: ''Ara-dalagna ho an'ny lalahy vô ny misaraka amin'ny vadiny noho izay mety ho hantony jiaby?'' 4 Jesosy namaly ké nivolagna hoe: ''Tsy nivakinaré vô fô Izy izay nagnano ananjy iré tamin'ny vôalôhany de nagnano ananjy iré ho lalahy sy viavy? 5 Izy Izay nagnano ananjy iré de nivôlagna foagna koà hoe: 'Fô noho izegny antony izegny de hadao ny babany ndraiky mamany ny lalahy ké hitambatra amin'ny vadiny, ké ho lasa nôfo araiky zaré roa?' 6 Ké tsy ho nôfo roa éky zaré ré, fô ho nôfo araiky. Ké izay natambatr'Andriamanitra, aoka tsy hisy hampisaraka.'' 7 Aozin-jaré ré taminanjy hoe: ''Nagnino zegny Mosesy no mandidy anay hagnamia taratasy fagnamarinam-pisarahagna ary avy aké hangerigna ananjy?'' 8 Aoziny taminjaré hoe: ''fô ny hamafisam-pônaré no namelan'i Mosesy anaré hisaraka amin'ny vadinaré, ô tamin'ny vôlohany de tsy izegny no fômba. 9 Vôlagniko anaré, na zôvy na zôvy misaraka amin'ny vadiny izy kôà tsy nohon'ny fijangajangagna, ké manambady hafa, de mandiadia vady; ke ny lalahy manambady viavy izay efa nisarapanambadiagna de mijangajanga.'' 10 Iré ampianatra nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: ''Kôa zegny no toetran-dalahy amin'ny vadiny, de tsy tsara ny manambady.'' 11 Fô Jesosy nivôlagna tamin-jaré hoe: ''Tsy ny ôlogno jiaby no afaka magneky izégny fampianaragna izégny, fô iré izay nambela hagneky izégny foagna. 12 Fô misy iré inoka izay efa karaha izégny letry an-kibon-drenin-jaré ré, ké misy iré inoka izay nataon'ôlombelogno, ké misy iré inoka izay nagnano ny tegnan-jaré ré ho inoka nohon'ny fanjakan'ny lagnitry. Izy izay afaka mandray izégny fampianaragna izégny, aoka izy handray izégny.'' 13 Avy aké nisy zamadinika sasantsasany nindosigna také aminanjy mbô hametrahagny tagnana aminjaré ré ké hivavaka, fô nivôlagna mafy ananjy iré iré ny mpianatra. 14 Fô aoziny Jesosy hoe: "Ambilé ny zamadinika, ké aza sakanagna zaré ré hagnatogna Anahy, satriá ny fanjakan'ny lagnitry de fanôko anjaré ré." 15 Napétragny také amin'iré zaza ny tagnanananjy, ary avy aké niala také Izy. 16 Egy, nisy lalahy nagnatogna an'i Jesosy ké nivolagna hoe: "Mpampianatra, ino ny raha manjary tsy maintsy anöko mbô hahazahoako ny fiainagna mandrakizay?" 17 Jesosy nivôlagna taminanjy hoe: "Nahoana anô no magnontany mômba izay tsara aty aminay ? Araiky ihany no tsara, fô raha te-hiditra akagny amin'ny fiainagna aná, de tandremo iré didy.'' 18 Aozy ilay lalahy taminanjy hoe: ''Didy ino?'' De aozy Jesosy hoe: ''Aza mamono ôlogno, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza magneky vavolombelogno tsy marigny, 19 Hajéo ny babanà ndraiky mamanà, ké tiavo ny mpiara-belogno aminà mitovy ny tegnanà.'' 20 Ilay gognalahy nivolagna taminanjy hoe: ''Efa nanoko jiaby izegny raha jiaby jiaby izegny. Ino no anoko?'' 21 Jesosy nivôlagna taminanjy hoe: ''Kô magniry ny ho tônga lafatra anà, de mandihana, ambidio izay hanagnanà, ké amià ny tsy managna, fô hanagna hariagna agny an-dagnitry anà; ké aviá magnaraha Anahy.'' 22 Fô kôfa naharegny izay nivolagnin'i Jesosy ilay gognalahy, de niala tamin'alahelo izy, satriá nanagna fanagnana fôntry. 23 Aozy Jesosy tamin'iré mpianatra hoe: ''Volagniko marigna aminaré, tsy môra ho an'ny mpanakariagna ny hiditry ny fanjakan'ny lagnitry. 24 Ké mbôla volagniko aminaré ndraiky, môra kokoá ho an'ny rameva ny miditry amin'ny vodim-pilo noho ny idiran'ny mpanakariagna akô amin'ny fanjakan'Andriamanitra.'' 25 Kôfa naregny izegny iré mpianatra, de tegna variagna tokoatra ké nivôlagna hoe: ''Izôvy ary izegny no afaka ho vonjegna?'' 26 Nizaha ananjy iré Jesosy ké nivôlagna hoe: ''Amin'ny ôlogno de tsy hay atô izegny, fô amin'Andriamanitry ny raha jiabijiaby de azo atô.'' 27 Avy také Petera namaly ké nivolagna hoe: ''Efa, nambelanay ny raha jiabijiaby ké nagnaraka anà zahay. Ino izegny no ho azonay?'' 28 Jesosy nivôlagna ananjy iré hoe: ''Volagniko marigny aminaré, amin'ny vanim-potoagna vôvô kôfa mipetraka aké amin'ny seza fiandrianan'ny voninahitrany ny zanak'ôlogna, de hipetraka aké amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny fôlo ihany koa anaré izay nagnaraka Anahy, hitsara iré fôko roa ambin'ny fôlon'Israely. 29 Ny ôlogno jiaby izay nandao trano, rahalahy, anabavy, baba, mama, zanaka, na tany nohon'ny agnaragnanahy, de handray avo zato heny ké handôva fiaignana mandrakizay. 30 Fô maro iré izay voalôhagny ho lasa farany, ary ny farany ho voalôgny.