Tôko faha 18

1 Tamin'jany fotoagna zegny fôagna de tônga také amin'i Jesosy iré gaognany nivôlagna hoe: ''Izovy ambôny tokoatra akagny amin'ny fanjakan'ny lagnitry?'' 2 Jesosy nagnatso zaza hely andéa aké aminanjy, namétraka ananjy taminjaré, 3 ké nivôlagna hoe: '' Volagniko aminaré tégna marigna, fô kô tsy miôva karaha iré zaza heky iré anaré, de tsisy fômba hitsofôranaré amin'ny fanjakan'ny lagnitry. 4 Aviamin-jagny, na zôvy na zôvy magnetry tégna kara itô zaza hely tô de ambony tokoatra izy agny amin'ny fanjakan'ny lagnitry. 5 Na zôvy na zôvy mandramby zaza hely karan-jao amin'ny agnarako de mandramby Anahy. 6 Fô nazôvy na zôvy mahatônga raiky amin'iré zaza hely zégny mino Anahy ré hanota, de tsara aminanjy agnatôgnana fikosoambary maventy amin'ny tendany, ké halentiky agny amin'ny ranomasigna laligna izy. 7 Tsigny ho an'izao tontolo izao avy amin'ny fotoagnany fagnafintohinagna! Fô ilaigny ny ahatongavan'izegny fotoagna izegny néfa tsigny ho an'ôfo zény hiavian'ny fotoagna zégny! 8 Kô mahatonga anà tafintohigna ny tagnanà na tongotranà de bongoaho zagny ké alao aminà. Tsara loatra aminà ny managnantsa na mitsitringa agny amin'ny fiainagna mandrakizay tozay very agny amin'ny afo tsy mety maty amin'ny fanagnana tagnana ndraiky tongotra aroa. 9 Kô mahatônga fanafintohinagna aminà ny masonà raiky, ipohaho zagny ké alao aminà. Tsara loatra aminà ny mitsofotro amin'ny fihainagna mandrakizay miaraka amin'ny maso tôkagna tozay very agny aminy afo tsy mety maty miaraka amin'ny maso roè. 10 Tandremo tsy hagnano tsisy dikany an'iré zamadiniky iré naré. Fô mivolagna aminaré Zah fô agny an-dagnitry iregny anjely regny de mizaha fôgna ny endriky ny Babako agny an-dagnitry. 11 [Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talôha tsara tegna tsara de ahitagna ny fehezanteny zay miboaka karaha, And.11.hoe: ''Fô ny zanak-ôlogno de tônga mbô hamonjy zôgny very.''] 12 Ino mbô eritreretinaré? Kô misy mitarimy ondry zato, ké very lalagna ny araiky aminjaré, de tsy laôsany marô ny sivy ambiny sivy fôlo aké amin'ny avona mô izy ké mandeha mizaha lé raiky zay nakagny amin'ny lalagna nahavery ? 13 Kôfa hitany zégny, de volagniko marigna aminaré, fô nifaly amin-angny mihotra lavitra noho iré sivy ambiny sivy fôlo lay tsy nandeha tamin'ny lalan-diso izy. 14 Karahan-jegny koa, tsy sitraky ny Babanaré agny andagnitry ny hahavery ny araiky amin'iré madiniky iré. 15 Kô manota aminà rahalahinà, mengaha ké volagno aminanjy ny hadisôvany, aminé ndraky izy fôagna. Kô mitandregny anà izy, de hifankahazo aminanjy ndraika anà. 16 Néfaka kô tsy mitandregny anà izy, de mangalà raiky na roé hafa miaraka aminà, amin-jay mbô amin'ny vavan'iré vavolomelogno roé na telo no ahafanà manarigna ny koragna jiaby. 17 Izy kôfa tsy magneky hitandregny anjaré ré izy de volagno amin'ny fiangonagna ny raha nandalo. Kô tsy magneky hitandregny ny fiangonagna koa izy, de ambilay izy kara ny Jentilisa ndraiky mpamory hetra. 18 Volagniko marigny aminaré na ino na ino fehezinaré aketo an-tany de fehezigna akagny an-dagnitry; ary na inona na inona ambélanaré aketo an-tany de ambéla akagny an-dagnitry. 19 De mbôla volagniko aminaré ndraiky hoe: ''Kô misy roa aminaré magneky aketo an-tany ny aminy zegny jiaby njaré ré, de ho atao ho an-jaré izegny amin'ny alalan'ny Raiko izay agny andagnitry. 20 Fô na akéza misy roé na telo miaraka mivôry amin'ny Anarako, de aké antegnategnan-jaré ré Zaho. '' 21 Avy také nagnatogna' i Petera ké nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: ''Tompo, impiry nanota aminahy ny rahalahiko ké haméla ananjy fôgna zah? Mahazo im-pito va?'' 22 Jesosy nivôlagnananjy hoy: ''Tsy mivolagna aminà zah hoe impito, fô mahazo fitopôlo im-pito. 23 Noho izegny ny fanjakan'ny lagnitra de mitôvy amin'ny ampanjaka raiky zay te hifandamigna ara-bôla amin'ny mpiasany. 24 Kô mbôla vao nanampôna ny fandaminagna izy, de nisy piasa raiky nindôsigna také aminanjy zégny nanagnany talenta iray aligna. 25 Nefkà satria tsy nanagna fômba hanifagna izegny izy, de nandidy ny hamarontagna ananjy ny tômpony, miaraka aminy vadiny ndraiky zanany mbôny izay hagnanany jiaby, ké ho vitany ny fanifagna-trosa. 26 Nohonin-jany de niondrika lay mpiasa ké niankôhoko talôhany také ké nivôlagna hoe: 'Tompo, manàgna faharetagna aminahy, de hifaiko aminà ny raha jiaby.' 27 Nohon-jany ny tompon'jany mpiasa zegny, nahinakinaka ké nagnafaka ananjy ké naméla ny trôsa tamin'jany. 28 Fô niboaka io mpiasa io ké nahita ny raiky tamin'iré mpiaramiasa taminanjy, zay nanagnany denaria zato. Nisambôriny izy, niraisiny tamin'ny téndany, ké nivôlagna hoe: 'Iféo aminà zegny notrosainà. 29 Néfa niondrika io mpiaramiasa taminanjy io ké nitaraigny taminanjy, nagnano hoe: 'Managna faharetagna aminahy, de iféko ndraiky aminà.' 30 Néfaka tsy nagneky le mpiasa vôlôngany. Mifanôhitra amin-jeny, nénga izy ké nataony tampigadrana le mpiara miasa aminanjy mandra-mpanifainy aminy zay nitrosainy. 31 Kôfa nahita zegny niseho iré mpiara miasa taminanjy, de nahinakinaka tégnany zaré ré. Nénga ké nivôlagna tamin'ny tompony zay jiaby niseho zaré rè. 32 Avy také nagnatso ananjy io patrôgnany io, ké nivôlagna ananjy hoe: 'Anà mpiasa ratsy fagnahy, nambela ny trôsako jiaby taminà zaho satria anà nitaraigny taminahy. 33 Tsy tôkony hanagna famindrapô amin'ny mpiaramiasa aminà koa mô anà, karaha nanagnako indrafô taminà?' 34 Vignitra ny patrôgnany ké nitôndra ananjy tagny amin'iré mpampijaly mandra mpanifainy izegny jiaby nitrosainy. 35 Karan-jegny anön'ny Raiko agny andagnitry aminaré, kô tsy maméla ny rahalahy amin'ny fôny ny tsiraikiraiky aby aminaré.