Toko faha 17

1 Enign'andro taty afara Jesosy de nangala an'i Petera, Jakoba, sy Jaona rahalahiny niaraka taminanjy, ké nitondra ananjy iré niakatra ny tendrombohitra ambo tamin'ny tegnanjaré ré. 2 Niôva endrika také agnatreahanjaré ré Izy. Namiratra karaha ny masôva ny tavany, ké iré fitafiany lasa namiratra karaha ny hazavagna. 3 Io, niseho taminjeré ré Mosesy sy Elia nikoragna taminany. 4 Namaly Petera ké nagnano tamin'i Jesosy hoe: ''Tompo, tsara amintsika ny aketo. Kôfa sitrakaré, de hagnano fialofagna telo ho antsika aketo zaho - araiky ho anà, araiky ho an'i Mosesy, ké araiky ho an'i Elia.'' 5 Kôfa mbôla nivôlagna Izy, io, nisy rahogna mazava nanarogna ananjy iré, ké io, nisy feo nivoaka avy takô amin'ny rahogna, nagnano hoe: ''Itô ny Zanako malalako, zay sitrako tokoà. Tandrigneso Izy.'' 6 Kôfa regnin'iré mpianatra izégny, de lavo zarè ré ké natahotra mafy. 7 Avaké tamy Jesosy ké nikasika ananjy ré ké nivôlagna hoe: ''Mitsangàna ké aza matahotra.'' 8 Avy aké de nizaha ambony zaré ré fô tsy nahita na zôvy na zôvy afa-tsy Jesosy irery foagna. 9 Kôfa nidigna ny tendrombohitra zaré ré, de nandidy ananjy ré Jesosy, nagnano hoe: ''Aza mitatitra izô fahitagna izô na amin'izô na zô mandra-pitsangan'ny Zanak'ôlogna amin'ny naty.'' 10 Nagnontany Ananjy iré mpianany, nagnano hoe: ''Akôry ké iré mpanora-dalàgna no mivôlagna fô Elia de tsy maintsy ho avy alôha?'' 11 Jesosy namaly ké nivôlagna hoe: ''Elia de ho avy tokoà ké hamerigna amin'ny laoniny ny raha jiaby. 12 Nefa volagniko aminaré, fô efa tônga Elia, fô zaré ré tsy nahafantatra ananjy. Mifanohitra amin'izégny, nagnano ny raha jiaby zay tiany natô taminanjy zaré ré. Ké karaha izégny foagna koà, ny Zanak'ôlogna foagna koà de hijaly aké an-tagnanjaré ré. 13 Avaké de azon'iré mpianatra fô nivôlagna taminanjy iré ny momba an'i Jaona mpagnano Batisa Izy. 14 Kôfa tônga také amin'ny vahoaka zaré ré, de nisy lalahy araiky nagnantogna Ananjy, nandohalika také agnatrehany, ké nivôlagna hoe, 15 ''Tompo, manàgna famindram-pô amin'ny zanako lahy, fô voan'ny androbe izy ké mijaly mafy. Fô mianjera teteka agny agnaty afo na rano izy. 16 Nitondra ananjy také amin'iré mpianatrao zaho, fô tsy afaka nagnasitragna ananjy zaré ré.'' 17 Namaly Jesosy ké nivôlagna hoe: ''Ry taranaka tsy mpino sy simba toetra, mandra-pahoviagna no tôkony hipetraka aminaré? Mandra-pahoviagna no tsy maintsy ivolagnako miaraka aminaré? Indosy aketo aminahy izy.'' 18 Nivolagna mafy ny demonia Jesosy, ké nivoaka taminanjy izégny ké de sitragna tamin'izégny lera izégny lay zaza lalahy. 19 De nagnantogna an'i Jesosy mangingigna iré mpianatra ké nagnano hoe: ''Magnino no tsy nahavita namoaka an'igny zahay?'' 20 Jesosy nivôlagna ananjy iré hoe: ''Noho ny finoagna helinaré. Fô vôlagniko marigna aminaré, kôfa managna finoagna na de hely karaha ny voatsinampy aza anaré, de afaka mivôlagna amin'itô tendrombohitra itô anaré hoe: 'Mifindrà avy aketo ho etsy,' de hifindra izégny ké tsy hisy na ino na ino tsy ho hainaré atô. 21 [Fagnamarihagna: Ny dika-teny talôha tsara indrindra de tsy ahitagna ny hoe And.21. ''Fô itô karazagna demonia itô de tsy mivoaka kôfa tsy miaraka amin'ny vavaka sy fifadian-kanigna.''] 22 Kôfa nipetraka tagny Galilia zaré ré, de ahozy Jesosy tamin'iré mpianany hoe: ''Ny Zanak'ôlogna de hatolotra aké an-tagnan'ny ôlogna, 23 ké zaré ré hamono Ananjy, ké ny andro fahatelo de hatsangagna Izy.'' Lasa nalahelo tanteraka iré mpianatra. 24 Kôfa tônga tagny Kaperinaomy zaé ré, de nankeo aminanjy Petera iré lalahy zay nanangogna ny hetra atsasaky ny sekely ké nivôlagna hoe: ''Tsy mandoa ny hetra atsasaky ny sekely vô ny mpampianatraré? 25 Ahozy izy hoe: ''Ia.'' Fô kôfa niditra takô an-tragno Petera, de Jesosy alôha no nikoragna taminanjy ké nagnano hoe: ''Ino no eritreritranà, ry Simona? Iré mpanjaka taketo an-tany, avy aminjôvy no andraisanjaré ré hetra na hetran'ôlogna? Avy amin'iré vahoakany vô sa avy amin'iré vahiny?'' 26 Kôfa nivôlagna Petera hoe: ''Avy amin'iré vahiny,'' De ahozy Jesosy taminanjy hoe: ''De afaka amin'ny fandoavagna izégny iré vahoaka. 27 Fô mbô tsy hampanotantsika ny mpamory hetra, de mandeha agny amin'ny ranomasigna, manipàza fitagna akô, ké alay ny laoko zay miakatra voalôhany. Kôfa voasôkatra ny vavany, de hahita sekely anà. Alay izégny ké amiao iré mpamory hetra ho Anahy sy ho anà.''