Tôko faha 16

1 Tonga iré Fariseo sy Sadoseo ké nitsapa Ananjy ké nangataka Ananjy mbô hagnatoro anjaré famantaragna avy agny andagnitry. 2 Fô Izy namaly ké nivolagna anjaré hoe: ''Kôfa hariva, de hoizinaré hoe: 'Ho tsara ny andro, fô mena ny lagnitry.' 3 Kôfa mandraigny, de hozinaré hoe: 'Ho ratsy ny andro, fô mena sy manjômbogno ny lagnitry.' Hainaré ny mamantatra ny endriky ny lagnitry, fô ianaré tsy afaka mandika iré famantaragna ny fotoagna. 4 Ny taranaka ratsy sy mpijangajanga de mizaha famantaragna, fô tsy hisy famantaragna hamiagna ananjy akoatra ny famantaragna an'i Jaona.'' Avy také Jesosy nandao anjaré ké lasagna. 5 Kôfa tonga teny ampitany iré mpianatra, de adinonjaré ré ny nitondra môfo. 6 Ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: ''Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'iré Fariseo sy Sadoseo.'' 7 Niady hevitra ire mpianatra ké nivolagna hoe: ''Noho isika tsy nitondra môfo izegny.'' 8 Jesosy nahay izegny ké nivolagna: ''Ianaré ry kely finogna, nagnino ianaré no miady hevitra aminaré ké mivolagna fô nohon'ny tsy nitondranaré môfo izegny? 9 Mbola tsy fantanaré na tsaroanaré mé ny môfo dimy ho an'ny dimy arivo, ké sobika firy no nangoninaré? 10 Na iré môfo fito ho an'iré efatr'arivo, ary sobika firy no nalainaré? 11 Manakory no tsy azahoanaré fô tsy momban'ny môfo no nivolagniko anaré? Miambena ké mitandrema amin'ny masirasiran'iré Fariseo sy Sadose.'' 12 Avaké azonjaré ré fô tsy hitandrina amin'ny masirasiran'ny môfo no nivolagniny anjaré, fô hitandrina ny amin'ny fampianaran'iré Fariseo sy Sadoseo. 13 Kofa tonga tagny amin'ny faritra mariny any Kaisaria-filipo Jesosy, de nagnotany iré mpianany Izy, nagnano hoe: ''Ataon'ny ôlogno ho zovy mô ny Zanak'ôlogno?'' 14 Aozi-jaré hoe: ''Ny sanany mivolagna fô Jaona mpagnano batisa; ny sanany, Elia; ary iré hafa, Jeremia, na araika amin'iré mpaminany.'' 15 Aozin'ny tamin-jaré hoe: ''Fô anaré ndraiky manano Anahy ho zovy?'' 16 Namaly, Simona Petera nagnano hoe: ''Inao no Kristy, Zanak'ilay Andriamanitra velona.'' 17 Namaly Jesosy ké nagnano taminy hoe: ''Sambatra anô, ry Simona Bar-Jaona, fô tsy ny nofo sy rà no naneho izany taminô, fô ny Raiko izay any an-dagnitry. 18 Volagniky aminaré ndraiky koa fô anô no Petera, ary ambonin'itô vatolampy itô no hagnoregnako ny fiangonako. Ny vavahadin'ny tragno manara dé tsy haharesy izegny. 19 Hamiako anré ny lakilé ny fanjakan'ny lagnitra. Na ino na ino fehizinô aketo ambônin'ny tany de ho fehezigna akagny an-dagnitra, ary na ino na ino vahanô ety an-tany de hovahana akagny an-danitra.'' 20 Avy také Jesosy nadidy iré mpianatra fô izy iré de tsy tokony hivolagna na aminjovy na izovy fô Izy no Kristy. 21 Tamin'izegny fotoagna izegny Jesosy nanomboko ny volagna iré mpianany fô tsy maintsy ho agny Jerosalema Izy, hizaka fijaliagna fontry aké an-tanan'ny loholona sy ny lohan'ny mpisôrogno ndriky iré mpanora-dalàna, ho vonoina, sy hatsangana ndraiky amin'ny andro fahatelo. 22 Avy aké Petera nalaka Ananjy ké nivolagna mafy Ananjy, nagnano hoe: ''Ho lavitra anô ane izegny, ry Tompo; tsy hotônga aminô mihintsy anie izegny.'' 23 Fô Jesosy nitôdiky ké ny volagna tamin'i Petera hoe: ''Mialà agny ivohoko, ry Satana! Ianao de fagnafitoinagna ho Anahy, noho ianô tsy nanahoa iré rahan'Andriamanitra, fô iré rahan'ôlogno.'' 24 Avy aké Jesosy nivolagna tamin'iré mpianany hoe: ''Raha misy te-hagnaraka anahy, de tsy maintsy manôhitra ny tegnany izy hitondra ny hazofijaliagnany, ké manaraka Anahy. 25 fô na zovy na zovy te-hamonjy ny ainany de hahavery ananjy, ary na zovy na zovy no hahavery ny ainany nohon'ny aminahy, de hahazo izegny. 26 Fô ino mô no soa ho azon'ny ôlogno izikoa mahazo izao tontolo izao nefa ka very ny ainy? Inona no hamian'ny ôlogno ho takalon'ny ainy? 27 Fô ny Zanak'ôlogno de ho tonga amin'ny voninahitriy ny Babany miaraka amin'iré anjely. avy aké Izy hamaly soa ny ôlogno tsy raikaraika arka izay efany. 28 Volagniko marigny aminaré, fô misy sanany aminaré izay mijoro aketo no tsy hitsapa ny fahafatesana mandrapahitagnan'jaré ré ny Zanak'ôlogno tonga amin'ny fanjakagny.''