Tôko faha 9

1 Ké na de ny fagnekegna vôlohany aza de nanagna fitsipi-pivavahagna sy fitoeragna masina aketo an-tany. 2 Fô nisy tabernakely zay nomanigna. Ny efitra vôlôhany, zay nisy ny fitoeran-jiro, ny latabatra, ké ny môfon'ny fagnatrehana, de nantsoigna hoe fitoeragna masina. 3 Akô ambadiky ny lamba faharoy de nisy efitra araiky hafa, antsoigna hoe toerana masina indrindra. 4 Nisy alitara vôlamena ho an'ny ditin-kazo magnitra izegny. Nisy ny fiaran'ny fagnekegna foagna koà, zay rakotra vôlamena tanteraka. Takô agnatin'izégny de nisy siny vôlamena zay nisy ny mana, ny tehin'i Arona zay nagniry, ké iré vato fisaky ny fagnekegna. 5 Egny ambônin'ny fiaran'ny fagnekegna, de kerobima be vôninahitra maro no magnakalo ny sarona fagnaronagna, zay tsy afaka volagninay amin'ny antsipirihany avaizo. 6 Kôfa vôhomagna iré raha iré, de niditra takô amin'ny efitra ivelan'ny tabernakely foagna iré mpisôrogna mbô hagnano ny fanompoanjaré ré. 7 Fô ny mpisôrognabe foagna no niditra ndraiky mandeha isan-taogna takô amin'ny efitra faharoy, ké niaraka tamin'ny rà zay natôlony ho an'ny tegnany sy ho an'iré fahotagna tsy ninian'iré ôlogno. 8 Nasehon'ny Fanahy Masina fô ny lalagna makô amin'ny toeragna masigna indrindra de mbôla tsy naseho kôfa mbôla mitsangagna ny tabernakely vôlôhany. 9 Izegny de fagnoharagna ho an'izô fotoagna avaizo zao. Irè fagnomezagna sy iré sorogna zay atôlotro avaizo de samy tsy afaka hahatanteraka ny fieritreretan'ny mpivavaka araiky. 10 Mifantoka amin'ny hanigny sy raha fisôtro sy karazam-pômba fidiovagna fontry fotsiny iré. Iré jiaby iré de fitsipika ho an'ny nôfo avokoà zay namiagna mandra-pagnamboaragna ny fandaminagna vôvô. 11 Kristy de niavy karaha ny mpisôrognaben'iré raha tsara zay tônga. Nandéha tamin'ny alalan'ny tabernakely maventy kokoà sy tsara kokoà zay tsy nataon'ny tanan'ôlombelogna Izy. Zay tsy an'izô tontôlo voahary zao. [Fagnamarihagna: Irè dikan-teny sasany de mivaky karanjô: ''Jesosy de tônga karaha ny mpisôgnaben'iré raha tsara zay ho azy.''] 12 Tsy tamin'ny ràn'iré osy lahy sy vatotr'ômby vavy izégny, fô tamin'ny ràny manôkagna zay niditry takô amin'ny toéragna masigna indrindra idraika mandehà foàgna ho an'ny jiaby ké niaro ny famonjentsika mandrakizay. 13 Fô kô ny ràn'irè osy sy irè ômby lahy ary ny famafazana ny lavenon'ny vantotr'ômby vavy aké amin'iré zay lasa maloto no manôkagna ananjy iré aké amin'Andriamanitra ho fanadiovana ny nofonjaré ré, 14 karakôry ny ràn'i Kristy, zay nanolotra ny tégnany tsy misy kilema ho an'Andriamanitra taminy alalan'ny fanahy mandrakizay, hanadio ny fieritreretantsika hiala amin'ny asa maty mbô hanompoana lay Andriamanitra velogna? 15 Noho izègny antony izègny, de Izy no mpanalalagna ny fanikegna vaovao. Izégny de, satrià nisy fahafatesagna ndraika niseho mbô hanafaka iré zay amban'ny fanikegna vôlohagny amin'ny fahotanjaré ré, de handray ny fampagnatignan'ny lova mandrakizay iré zay vôantso. 16 Fô kôfa misy didim-pananagna, ny fahafatesan'ilay ôlogno zay nagnano izégny de tsy maintsy vôporofo. 17 Fô kôfa misy fahafatesagna foagna vô manan-kery ny didim-pananagna, satrià tsy manan-kery izégny izy koà ké mbôla velogno lay ôlogno zay nanagna izégny. 18 Koà na de ny fagnikiagna vôlohany aza tsy natô kôfa tsisy rà. 19 Fô kôfa nagnamia ny didy jiaby takô amin'ny lalàgna tamin'iré ôlogno jiaby Mosesy, de nalaka ny ràn'iré ômby sy iré ôsy, niaraka tamin'ny rano, volon'ôndry jaky mena, sy hysopa izy, ké namafy také amin'ny boky ndraiky ôlogno jiaby. 20 Ké izy nivôlagna hoe: ''Itô no ràn'ny fagnikiagna zay nandidian'Andriamanitra ho anaré.'' 21 Karaha izény koà, de namafy ny rà také amin'ny tabernakely sy iré fitoeran-jaha jiaby hampiasaigna amin'ny fanompoagna izy. 22 Araka ny lalàgna, de saika ny raha jiaby no vôdio tamin'ny rà. Kôfa tsisy fandatsahan-drà de tsisy famelan-keloko. 23 Noho izégny de nilaigna ny tandindon'iré raha agny an-dagnitra mbô ho vôdion'ny soron'iré biby iré. Na izègny aza, iré raha ny lagnitra mihintsy no nila nodiovigna tamin'ny sorogna tsara kokoà. 24 Fô Kristy de tsy niditra takô amin'ny toeragna masina indrindra zay natôn'ny tanagna, zay tandindin'ilay araiky zay tegna izy foagna. Fô ndraiky niditra tagny an-dagnitra mihintsy Izy, mbô hiseho aké amin'ny fagnatrehan'Andriamanitra ho antsika avaizo. 25 Tsy nandeha takô mbô hanolotra ny tegnany imbetsaka Izy, kaha ny fanaon'ny mpisôrognabe, zay miditry akô amin'ny toeragna masigna indrindra isan-tôgno niaraka tamin'ny ràn'ny hafa. 26 Fô kô izégny ny raha-nitranga, de saika nijaly imbetsaka nanômboka tamin'ny fagnorenagna zao tôntolo zao Izy. Fô avaizo de indraika mandeha monjo no nampiseho Ananjy mbô hangala ny fahotagna amin'ny alalan'ny sôron'ny tegnany foagna. 27 Efa natô ho foaty ndraiky mandeha ny ôlo-jiaby, ké afaran'izégny no ho avy ny fitsaharagna. 28 Karaha izégny foagna koà, Kristy, zay natôlotra ndraiky mandeha mbô hagnala iré fahotan'ny maro, de hiseho fagnindroiny, tsy handraraha ny ôta, fô ho an'ny famonjegna iré zay miandry Ananjy amim-paharetagna.