Tôko faha 8

1 Ké ny fôtotry ny raha volagninay de zao: Atsika de managna mpisôrognabe zay nipetraka také an-tagnan' ankavanagnan'ny seza fiandrianan'ilay be Vôninahitra agny an-dagnitra. 2 Izy de mpanômpo akô amin'ny toeragna masina, lay tabernakely marigna zay ny Tompo, fô tsy ny ôlogno, no nagnorigna ananjy. 3 Fô ny mpisôrognabe jiaby de notendrena hanolotra fagnomezana sy sôrogna. Noho izégny de ilaigna ny managna raha ho atôlotra. 4 Ary kôfa také an-tany Kristy, de tsy ho mpisôrogna akôry Izy, satrià misy iré zay manôlotra fagnomezagna araka ny lalàgna. 5 Izy iré de manômpo akô amin'ny tabernakely zay tandindona sy aloky ny raha agny an-dagnitra. Izégny de karaha ny nampitandreman'Andriamanitra an'i Mosesy kôfa izy handeha hagnamboatra tabernakely: ahozy Andriamanitra hoe: ''Zahavo mbô ho atônà araka ny modely zay efa naseho anà tegny an-tendrombohitra ny raha jiaby.'' 6 Fô avaizo Kristy de nandray asa fanompoagna tsara lavitra. Izégny de noho izy mpagnelagnelagna foagna koà amin'ny fagnekiagna tsara kokoà, zay mifôtotra amin'ny fampanantinagna tsara kokoà. 7 Fô kôfa tsy nanan-tsigny izégny fagnikiagna vôlohany izégny, de tsisy nilagna fagnekegna faharoy. 8 Fô kôfa nahita tsigny tamin'ny ôlogno Andriamanitra, de ahozy Izy hoe: ''Io, ho avy ny andro—ahozy ny Tompo—kôfa hagnano fagnekegna vôvô amin'ny ôlon'Israely ndraiky ôlon'i Joda Zaho. 9 De tsy ho karaha ny fagnekiagna zay natôko niaraka tamin'ny razanjaré ré tamin'ny andro zay nitondrako ananjy iré tamin'ny tagnany hiala avy tamin'ny tagny Egypta izégny. Fô zaré ré de tsy nitoetra takô amin'ny fagnekeko, kè Zaho tsy niraharaha ananjy iré—ahozy ny Tompo. 10 Fô zô no fagnikiagna zay ho hatôko amin'ny ôlon'Israely afaran'iregny andro iregny—ahozy ny Tompo. Hatôko akô an-tsainjaré rè ny lalàko, ké ho soratako akô am-pônjaré ré foagna koà izégny. Ho Andriamanitrizy iré Zaho, ké zaré ré ho ôloko. 11 Zaré ré de tsy hampianatra ny mpiara-monigna ké ny rahalahiny avy, hivôlagna hoe: 'Fantaro ny Tompo.' Fô hahafantatra Anahy ny jiaby, manomboka amin'ny hely indrindra ké hatramin'ny maventy indrindra aminjaré ré. 12 Fô Zaho de hamindra fô amin'ny tsy fahamarignanjaré ré, ké tsy hahatsiaro iré fahotany intsony.'' 13 Amin'ny fivolagnana hoe ''vôvô'' , de nagnano ny fagnikiagna vôlôhany izy, ké zay efa lany andro sy antitra de efa akaiky ho levogno.