Tôko faha 7

1 Melkizedeka izégny, mpanjakan'i Salema, mpisôron'Andriamanitra Ambô indrindra, zay nifanena tamin'i Abrahama kôfa niverigna avy nandresy iré mpanjaka ké nitahy anajy. 2 Izy no namian'i Abrahama ny ampahafôlon'ny raha jiaby. Ny agnarany hoe ''Melkizedeka'' de midika hoe ''mpanjakan'ny fahamarinagna.'' Ny agnarany hafa de ''mpanjakan'i Salema,'' Izègny de: ''mpanjakan'ny fiadanagna.'' 3 Izy de tsy mana-baba, tsy manan-dreny, tsy managna razambe, ké tsy managna fiatombôhan'irè andro kè tsy managna fiafaran'ny fiainagna. Fô ndraiky, mitôvy amin'ny Zanak'Andriamanitra izy, satrià mitoetra ho mpisôrogno mandrakizay. 4 Zahavo ny hamaventin'itô lalahy itô. Ny razambentsika Abrahama de nagnamia ny ampahafôlon'iré raha zay azony tamin'ny ady. 5 Amin'ny lafiny araiky, iré zanaka lahin'i Levy zay mandray ny fisorônagna de managna baiko avy amin'ny lalàgna mbô hanangogna ny ampahafôlon-karegna avy agny amin'iré ôlogno, izégny de, avy amin'iré rahalahinjaré ré, na izégny aza zaré ré, foagna koà, de avy amin'ny vatan'i Abrahama. 6 Fô amin'ny lafiny araiky, Melkizedeka, zay tsy vôsoritra avy aminanjy iré ny taranany, de nandray ampahafôlon-karegna avy amin'i Abrahama, ké nagnamia tso-drano ananjy, lay araiky nanagna iré fampanantinagna. 7 Tsisy fandavagna fô ny ôlogno ambany indrindra de amian'ny ôlogno ambôny indrindra tso-drano. 8 Amin'izégny tranga izégny, ny ôlogno mety naty de nandray ampahafôlon-karegna, fô amin'itô tranga itô de vôporofo fô mbôla velogno izy. 9 Ké, amin'ny fômba fivôlagna, Levy, zay nandray ampahafôlon-karegna, de nagnefa ampahafôlon-karegna tamin'ny alalan'i Abrahama foagna koà, 10 satrià Levy de takô agnatin'ny tegnan'ny razambeny kôfa nihaogna tamin'i Abrahama i Melkizedeka. 11 Avaizo kôfa azo atô amin'ny alalan'ny fisorôhagna levitika ny fahatanterahagna (fô takô ambanin'izégny ny ôlogno no nandray ny lalàgna), de filàgna bebe kokoà ino no mety nisy ho an'ny mpisôrogna hafa mbô hitsanganagna araka ny fômban'i Melkizedeka, ké tsy raisigna araka ny fômban'i Arona? 12 Fô kôfa novàgna ny fisorônagna, de tsy maintsy hovàgna foagna ny lalàgna. 13 Fô lay araiky nivôlagna ny momban'iré raha iré de an'ny fôko hafa, zay tsisy ôlogno manômpo aké amin'ny alitara mihintsy. 14 Fô mazava avaizo, fô avy amin'i Joda no nahatirahan'ny Tompontsika, fôko zay tsy novolagnin'i Mosesy mihintsy ny mahakasika iré mpisôrogno. 15 Zay volagnintsika de efa mazava kokoà kôfa misy mpisôrogno hafa mitsangagna amin'ny endrik'i Melkizedeka. 16 Tsy avy tamin'ny fôtotry ny lalàgnan'ny taranaky ny nôfo no nahatônga ananjy ho mpisôrogna, fô ndraiky avy tamin'ny fôtotry ny herin'ny fiainagna tsy mety levogna. 17 Fô ny Sôratra Masina de mijôro vavôlombelogno momba ananjy hoe: ''Anà de mpisôrogno mandrakizay araka ny fômban'i Melkizedeka. 18 Fô nisy fagnafoagnagna ny didy také alôha satrià namely sy tsisy dikany izégny. 19 Fô tsisy raha natôn'ny lalàgna tônga lafatra. Kanefa, misy ny fampidiragna fahatokiagna tsara kokoà ho an'ny ho avy zay hanatonantsika an'Andriamanitra. 20 Tsy nitranga izégny kôfa tsisy ny fandraisagna fiainagna. Amin'ny lafiny araiky, iré hafa iré de tônga mpisôrogno tsy nila fiainagna. 21 Fô amin'ny lafiny araiky hafa, itô araiky itô, Jesosy, de tônga mpisôrogno tamin'ny alalan'ny fiainagna natôn'ilay nivôlagna taminanjy hoe: ''Ny Tompo de nianiana ké tsy hiôva amin'ny heviny hoe: 'Anà de mpisôrogna mandrakizay.''' 22 Tamin'ny alalan'izégny foagna koà Jesosy no nagnamia antoka ny fagnekem-pihavanagna tsara kokoà. 23 Amin'ny lafiny araiky, fontry no tônga mpisôrogno satrià ny fahafatesagna no manakagna ananjy irè hanohy. 24 Amin'ny lafiny araiky hafa, satrià Jesosy mitoetra mandrakizay, de managna fisorônagna mandrakizay izy. 25 Noho izégny izy foagna koà de afaka mamonjy tanteraka iré zay magnatogna an'Andriamanitra amin'ny alalany, satrià izy de miaigna foagna mbô hagnelagnelagna ho ananjy iré. 26 Fô ny mpisôrognabe karaha izègny de mety ho antsika. Izy de tsy manam-pahotagna, tsy manan-tsigny, madio, nosarahagna tamin'iré mpanota, ké tônga ambôny noho iré lagnitra. 27 Tsy mila izy, tsy karaha iré mpisôrognabe, hanolotra sôrogna isan'andro, ny voalôhany ho an'iré fahotagna manôkagna, ké avy aké ho an'iré fahotan'ny ôlogno. Efa nagnano izégny ndraiky mandeha ho an'ny jiaby izy, kôfa nanôlotra ny tegnany. 28 Fô ny lalàgna manondro ny ôlogno zay managna fahalimegna ho mpisôrognabe. Fô ny koragnan'ny fiainagna, zay tônga tafaran'ny lalàgna, de nanendry Zanaka lahy, zay natô tônga lafatra mandrakizay.