Tôko faha 5

1 Fô ny mpisôrognabe jiaby, vôfidy avy tamin'ny ôlogno, de notendregna mbô hiasa amin'ny agnaran'ny ôlogno amin'iré raha mahakasika an'Andriamanitra, ké mbô hanolôrany fagnomezagna sy fanatitra ho an'ny ota. 2 Izy de afaka mifagnaraka mora amin'ny tsy mahalala ndraiky maniasia satrià izy tegnany foagna koà de vôdidin'ny fahalimiagna. 3 Noho izégny, izy foagna koà de notakiagna hanôlotro sorogna ho an'iré otany manôkagna, karaha ny natôny ho an'iré otan'ny ôlogno. 4 Tsy ho an'ny tegnany no handraisan'ny ôlogno izégny voninahitra izégny. Fô ndraiky, izy de nantsoin'Andriamanitra, karaha an'i Arona. 5 De karaha izégny, Kristy tsy mbô nagnamia haja ny tegnany mihintsy tamin'ny fanaovany ny tegnany ho mpisôrognabe. Fô ndraiky, lay araiky zay nivôlagna taminy nivôlagna hoe: ''Zanako anaré; niany de tônga Rainà Zaho.'' 6 Karaha izégny foagna koà no nivolagnany tagny amin'ny toeran-kafa hoe: "Anà de mpisôrogna mandrakizay araka ny fômban'i Melkizedeka.'' 7 Nandritr'iré andron'ny nôfony, Kristy nanôlotra vavaka sy fangatahagna niaraka tamin'ny hiaka mafy sy ranomaso an'Andriamanitra, lay araiky zay afaka mamonjy Ananjy amin'ny fahafatesagna. Ré Izy nohon'ny fangorahany. 8 Na de zanaka aza Izy, de nianatra fankatoavagna tamin'iré raha zay niaretagna. 9 Natô ho tônga lafatra Izy ké tônga, ho an'ny ôlogno jiaby zay mankatô Ananjy, lay lôharanon'ny famonjegna mandrakizay. 10 De notendren'Andriamanitra karaha ny mpisôrognabe Izy araka ny fômban'i Melkizedeka. 11 Mana-kambara betsaka momban'i Jesosy zahay, fô sarotro ny magnazava izégny hatramin'ny naha-lalindalôvagna ny fandrenesanaré. 12 Fô amin'izô fotoagna zô de tôkony ho mpampianatra anarè, anaré de mbôla mila ôlogno hampianatra anaré iré fitsipika fototry ny hafatr'Andriamanitra. Ronono no ilanaré, fô tsy ventin-kanigna! 13 Fô ny ôlogno zay misôtro ronono fotsiny de tsy ampy traikefa amin'ny hafatry ny fahamarinagna, satrià izy de mbôla zaza hely. 14 Fô ny ventin-kanigna de ho an'iré lehibe. Iré de zay voahôfagna tamin'ny fanavahagna ny tsara amin'ny ratsy ny fahatakarany nohon'ny fahamatoranjaré ré.