Tôko faha 3

1 Noho izègny, ry rahalahy masina, nizara ny antson'ny lagnitra anaré. Saino ny momban'i Jesosy, ny apostoly sy mpisorognabe zay ekentsika. 2 Izy de natoky an'Andriamanitra, zay nanendry ananjy, karaha an'i Mosesy zay nahatoky takô an-tragnon'Andriamanitra foagna koà. 3 Fô Jesosy de efa noraisigna mendrika ny vôninahitra lehibe noho Mosesy, satrià zay magnorigna ny tragno no manan-kaja bebe kokoà noho lay tragno. 4 Fô ny tragno jiaby de nisy ôlogno nanorigna, fô ny araiky zay nanorigna ny raha jiaby de Andriamanitra. 5 Amin'ny lafiny araiky, Mosesy de natokisagna karaha mpanompo takô an-tragnon'Andriamanitra araiky jiaby. Izy no vavôlombelogno momba iré raha zay tôkony efa nolazaigna amin'ny ho avy. 6 Fô Kristy no Zanaka miandraikitra ny tragnon'Andriamanitra. Atsika no tragnony kôfa tô ké mihazogna mafy ny herim-po ndraiky fahatokiantsika atsika. 7 Noho izégny, izégny de karahan'ny volagnin'ny Fagnahy Masigna hoe: ''Niany, kôfa maharegny ny feony anaré 8 de aza magnamafy ny fônaré karaha ny amin'ny fikomiagna, amin'ny fotoagnan'ny fitsapagna agny agn'efitra. 9 Karaha izégny ny razambenaré kôfa nikomy tamin'ny alalan'ny fitsapagna Anahy, kè kôfa, nandritry ny efapôlo taogna, de hitanjaré ré ny asako. 10 Noho izégny de tsy faly Zaho amin'itô taranaka itô. 11 Ahozy Zaho hoe: 'Zaré re de vôtarika mandrakariva agny amin'ny lalan-diso akô am-pony. Tsy nahafantatra ny lalako zaré ré. Karaha izégny no niaignako tamin'ny fahatizerako hoe: ''Tsy hiditra akô amin'ny fitsaharako sanany zaré ré.''' 12 Mitandrema, ry rahalahy, mbô tsy hisy na araiky aminaré aza no hanagna fô ratsin'ny tsy finoagna, fô zay miala amin'Andriamanitra velogno. 13 Fô ndraiky, mifampahereza isan'andro, kôfa mbôla misy ny antsigna hoe: ''Niany'', mbô tsisy aminaré ho foaty fô amin'ny alalan'ny fitaky ny fahotagna. 14 Fô atsika de tônga mpiara-miasa amin'i Kristy kôfa takô ké mihazogna mafy ny fahatokisantsika Ananjy hatragny am-piandohagna ké hatragny amin'ny fiafaragna. 15 Fô ny fômba izégny de efa vôlaza hoe: ''Niany, kôfa maharegny ny feony anaré, de aza magnamafy ny fonaré, karaha ny amin'ny fikomiagna.'' 16 Zôvy izy zay efa naharé ann'Andriamanitra kè nikomy? Fô tsy iré jiaby zay nivoaka avy tagny Egypta tamin'ny alalan'i Mosesy vô izégny? 17 Zôvy no nahavignitra ananjy nandritry ny efapôlo taogna? Tsy iré zay nanota vô, zay lavo tagny agn'efitra ny fatinjaré ré? 18 Ho anjôvy no nianianany fô tsy hiditra akô amin'ny fitsaharagna zaré ré, kôfa tsy ho an'iré zay tsy nagneky Ananjy? 19 Hitantsika fô tsy afaka niditra takô amin'ny fitsaharany zaré ré nohon'ny tsy finoagna.