Tôko faha 13

1 Ôka hitohy ny fitiavagna ara-pirahalahiagna. 2 Aza magnadigno ny fampiantranoagna iré vahiny. Fô tamin'ny alalan'izégny, no nanehoan'ny sanany fampiantranoagna iré anjely nefa fantany izégny. 3 Tsarovy iré vôfonja, karaha ny hoe niara-nifatotra taminjaré ré anaré. Tsarovy iré zay nampahoriagna, karaha ny hoe zaré ré foagna koà anaré amin'ny vatagna. 4 Ôka ho hajain'ny tsiraikaraiky ny fanambadiagna. Ôka ny fandrian'ny fanambadiagna mbô hadio, fô Andriamanitra de hitsara iré mpangala-badin'ôlogno sy iré mpijangajanga. 5 Avelà ny fitondran-tegnanaré ho afaka amin'ny fitiavam-bôla. Mifalia amin'iré raha zay hanagnanaré, satrià Andriamanitra tegnany de nivôlagna hoe: ''Zaho de tsy handao anaré mihitsy, na hahafoy anaré akory.'' 6 Aleo atsika ho faly mbô ho sahy hivôlagna hoe: ''Ny Tompo no Mpamonjiko; ké tsy hatahotra zaho. Ino no azon'ny ôlogno atô aminahy?'' 7 Hevero iré mpitarika agnaragna, iré zay nivolagna ny Tenin'Andriamanitra taminaré, ké hevero ny vokatrin'ny fihetsinjaré ré. Alay karaha ny finoanjarè ré. 8 Jesosy Kristy de tsy miôva omaly, sy niany, ké mandrakizay. 9 Aza manaiky taomigna amin'iré karazagna fampianaragna hafahafa. Fô tsara kôfa tôkony hamafisigna amin'ny fahasoavagna ny fô, fô tsy amin'ny hanigna zay tsy magnampy iré zay mandeha miaraka aminjaré ré. 10 Atsika de managna alitara zay tsy anagnan'iré zay manômpo ny tabernakely fahefagna hihinagna. 11 Fô ny ràn'iré biby novonigna atô fagnatitra ho an'ny ota de nindôsin'ny mpisôrognabe takô amin'ny toeragna masina, nandritr'izégny ny vatanjaré ré de nodoragna tagny ivelan'ny toby. 12 Noho izégny Jesosy foagna koà de nijaly tagny ivelan'ny vavahadin'ny tanàgna, mbô hagnamasigna iré vahoaka amin'ny alalan'ny ràny manôkagna. 13 Andeha atsika noho izégny ho agny Aminanjy agny ivelan'ny toby, hitôndra ny fahafam-barakany. 14 Fô tsy managna tanàgna maharitra atsika atô. Fô ndraiky, miandry lay araiky zay ho avy atsika. 15 Amin'ny alalany, ké, de andao atsika hagnolotra iré fagnati-pideragna ho an'Andriamanitra hatragny, fideragna vokatry ny molotra zay manaiky ny agnarany. 16 Aleo tsy adinointsika ny magnano ny tsara ny magnampy ny tsiraikaraiky avy, Fô amin'ny fagnatitra karaha izégny no tegna mahafaly an'Andriamanitra. 17 Mankatoava sy magneky iré mpitarika anarè, fô zaré ré no miahy ny fagnahinaré, karaha irè zay hagnano tatitra. Mankatoava mbô hagnano izégny am-pifaliagna iré mpitôndra anaré, fô tsy am-pisentoagna, zay lasa tsisy dikany ho anaré. 18 Mivavaha ho anay, fô zahay de nino fô managna feon'ny fieritreretagna madio ké magniry hiaigna am-pahamarinagna ny raha jiaby. 19 Manosika anaré bebe kokoà aza zaho mbô hanagna izégny, ké mbô hiverigna faingagna aminaré zaho. 20 Ary lay Andriamanitry ny fiadanagna, zay nanangagna tamin'ny maty lay mpiandry ondry maventy, ny Tompontsika Jesosy, tamin'ny alalan'ny ràn'ny fagnekegna mandrakizay, 21 de hagnatsara anaré amin'ny asa tsara jiaby mbô hanaovagna ny sitrapôny. Izy anie hiasa akô agnatintsika zay tegna ankasitrahagna aké agnatrehany, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, zay hamiagna ny voninahitra mandrakizay. Amena. 22 Ké mankahery anaré zaho, ry rahalahiky, mbô hizaka ny tenin'ny fampahirezagna zay nosoratako fohy ho anaré. 23 Fantaro fô efa nafahagna Timoty rahalahintsika, zay hiaraka aminahy hizaha anaré kôfa alôha izy. 24 Atôvy veloma iré mpitarika anarè jiaby sy iré mpino jiaby. Iré zay avy agny Italia de magnano veloma anaré. 25 Ho aminaré jiaby anie ny fahasoavagna.