Tôko faha 11

1 Ké ny finoagna no antoka amin'iré raha nandrasagna tamim-pahatokiagna. Itô no porôfon'iré raha-mitranga zay mbôla tsy hita. 2 Fô noho izégny iré razambe de nankatoavigna nohon'ny finoanjarè ré. 3 Amin'ny finoagna no hahafantarantsika fô ny didin'Andriamanitra no namoronagna zao tontôlo zao, ké zay hita maso de tsy natô tamin'ny raha zay hita maso. 4 Tamin'ny finoagna no nagnolôran'iAbela fagnatitra tsara kokoà ho an'Andriamanitra noho ny an'i Kaina, tamin'ny alalan'izégny no nagnambarany ananjy ho marigna, ké Andriamanitra nivôlagna tsara ananjy noho iré fagnatiny, ké amin'ny finoagna no mbôla hivolagnan'i Abela, na de efa naty aza izy. 5 Tamin'ny finoagna no namindragna an'i Enoka mbô tsy ahitany ny fahafatesagna. ''Tsy hita izy, satrià nalain'Andriamanitra.'' Fô talôhan'ny nakagna ananjy, de nijoroagna vavôlombelogna fô nankasitrahan'Andriamanitra izy. 6 Ké kôfa tsisy finoagna de tsy mety ho ankasitrahany. Satrià ilaigna hoe zay magnatogna an'Andriamanitra de tsy maintsy mino fô misy Izy ké Izy no mamaly soa an'iré zay mitady Ananjy. 7 Tamin'ny finoagna Noa, no namiagna ny hafatra avy amin'Andriamanitra momba iré raha zay tsy mbôla hita, niaraka tamin'ny fagnajagna an'Andriamanitra no nagnamboarany ny sambo zay namonjeny ny ankohonany. Fô tamin'ny fanaovagna izégny, no nagnamelohany zao tontôlo zao sy nahatôngavany ho mpandôva ny fahamarignana araky ny finoagna. 8 Tamin'ny finoagna Abrahama, kôfa nantsoigna, no nankatoa sy nandeha nankagny amin'ilay toeragna zay hahazoany ho lôva. Nandeha izy, tsy nahalala zay tany nombany. 9 Tamin'ny finoagna no niaignany tagny amin'ilay tany nampanantinaigna karaha ny vahiny. Niaigna takô agnaty tragno lay izy niaraka tamin'Isaka sy Jakoba, iré mpiara-mandova amin'ilay fampanantinaigna mitôvy. 10 Fô izy nitady lay tanàgna zay managna irè fagnorenagna, lay tanàgna zay Andriamanitra no mpamari-tragno sy mpagnori-tragno. 11 Tamin'ny finoagna, na de Saraha izy tegnany zay momba aza, no nahazoan'i Abrahama ny fahafahagna ho araiky. Nitranga izégny na de efa tegna antitra aza izy, satrià noheverigna ho karaha lay mahatoky namiagna lay fampanantenagna izy. [Fagnamarihagna: Misy fagnontaniagna momban'ny hoe ny finoan'i Abrahama sa ny finoan'i Saraha no navohitra. ''Tamin'ny finoan'i Saraha, na de efa antitra aza izy, no nahazoany ny hery hanan'anaka, na de efa tegna antitra aza izy hitôndra zaza, satrià nihevitra lay nagnamia lay fampanantenagna ananjy ho mahatoky.''] 12 Noho izégny, avy amin'izégny lalahy izégny, zay efa ho foaty, no nahatirahan'iré zay karaha iré kintagna egny an-dagnitra ny hamaroàny sy karaha ny fasika magnamorogna ny ranomasigna, zay tsy voaisa. 13 Tô amin'ny finoagna iregny jiaby iregny no naty tsy nandray iré fampanantinagna. Fô ndraiky, tafaran'ny nahitagna sy niarahabagna ananjy iré avy egny alavitra, de nagneky izy iré fô vahiny sy sesi-tany aketo an-tany. 14 Ho an'iré zay mivôlagna karaha izégny raha izégny de magnazava fô mitady tanindrazagna zaré iré. 15 Kô niheritreritra ny firenegna zay nialagny zaré ré, de mety nanagna fahafahagna hierigna. 16 Fô kaha izégny, nagniry firenegna tsaratsara kokoà zaré iré, ké izégny, lay agny an-dagnitra. Noho izégny tsy mahamegnatra an'Andriamanitra ny vôaantso hoe Andriamanitra-jaré ré, ké nagnomagna tanàgna ho ananjy Izy. 17 Tamin'ny finoagna Abrahama, kôfa notsapaigna, de nanolotra an'Isaka. Itô no zanany lahy tôkagna zay natôlony, izy lay nahazo iré fampanantinagna. 18 Tamin'i Abrahama no nivolagnany hoe: ''Amin'ny alalan'Isaka no hanondroagna iré taranakanà.'' 19 Abrahama de nihevitra fô Andriamanitra de hahavita hanangagna an'Isaka amin'iré naty, ké amin'ny heviny amin'ny ohatra, avy taminjaré ré no hahazoany ananjy ndraiky. 20 Tamin'ny finoagna momban'iré raha ho avy koà no nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba sy Esao. 21 Tamin'ny finoagna Jakoba, taminanjy efa ho foaty, no nitso-drano iré zanak'i Josefa tsiraikiraiky avy. Nivavaka Jakoba, nitehagna tamin'ny lôhan'ny tehigny. 22 Tamin'ny finoagna Josefa, kôfa nageky ny fiafarany, no nivolagna ny fiaingan'ny zanak'Israely avy agny Egypta ké nagnafarany ny amin'ny taôlany. 23 Tamin'ny finoagna Mosesy, kôfa teraka izy, de nafenin'iré ray aman-dreniny nandritry ny telo vôlagna satrià hitanjaré ré fô zaza tsara izy. Tsy natahotra ny didin'ny mpanjaka zaré ré. 24 Tamin'ny finoagna Mosesy, tafaran'ny napaventy ananjy, no nandà ny hiantsoagna ananjy ho zanaka lahin'ny zanaka viavin'i Farao. 25 Fô ndraiky, nisafidy ny hijaly niaraka tamin'ny vahôkan'Andriamanitra izy, karaha zay hankafy iré fahafinaretan'ny fahotagna mandritry ny fotoagna fohy. 26 Nivôlagna izy hoe ny fahafaham-baraka amin'ny fagnarahagna an'i Kristy de haregna be noho iré haren'i Egypta. Satrià nampifantoka iré masony tamin'ny valisoany izy. 27 Tamin'ny finoagna no nialan'i Mosesy tagny Egypta. Tsy natahotra ny fahatizeran'ny mpanjaka izy, fô niaritra izégny karaha ny nahitany lay tsy hita maso. 28 Tamin'ny finoagna no nitandremany ny Paska ndraiky famafazagna ny rà, mbô tsy hikasika ny zanaka lahimatoan'iré Israelita ny mpandringana ny zanaka lahimatoa. 29 Tamin'ny finoagna no niampitanjarè ré ny Ranomasigna Mena karaha ny mandia tany maigna. Kôfa nanandragna nagnano izégny iré Egyptiana, de vôteligna zaré ré. 30 Tamin'ny finoagna no nirodagnan'ny mandan'i Jeriko, kôfa avy nihodidigna nandritry ny fito andro zaré ré. 31 Tamin'ny finoagna no tsy nafaty an'i Rahaba lay mpivarotegna niaraka tamin'iré mpagniasia, satrià nandray iré mpisafo tany tamin'ny fiadanagna izy. 32 Ino foagna koà no afaka volagniko? Fô ho lany ny fotoàko kôfa mivôlagna momban'i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, ké momban'iré mpaminany zaho. 33 Tamin'ny alalan'ny finoagna no nahazoanjaré ré ny fanjakagna, niasa ara-drariny, ké nandray iré fampanantinagna. Nagnakombogna ny vavan'iré liona zaré ré, 34 namono ny herin'ny afo, nandositra ny lelan'ny sabatra, sitragna tamin'iré aretigna, lasa nahery agn'ady, ké nandresy iré tafika vahiny. 35 Nitsangagna tamin'ny maty tamin'ny fagnanganan-ko velogna iré viavy. iré hafa de nampijaliagna, tamin'ny tsy fagnekegna ny famotsoragna mbô hahazoanjaré ré fitsanganagna tsara kokoà. 36 Ny hafa de notsapaigna tamin'ny fagnesoagna sy iré fikapohagna, egny fô na de ny fatotra ndraiky fagnagadragna aza. 37 Notoraham-bato zaré ré. Notsofaigna hizara roy zaré ré. Novonoigna tamin'ny sabatra zaré ré. Nirenireny tamin'ny hoditr'ondry sy hoditr'osy zaré ré. Nahantra zarè ré, nampihorohoroagna, nampahoriagna. [Fagnamarihagna: ny dika-vôlagna sanany talôha de mivaky hoe: ''Notoraham-bato zaré ré. Notsofaigna hizara roy. Nampandalovigna fitsapagna. Novonoigna tamin'ny sabatra.''] 38 Zao tontôlo zao de tsy mendrika ananjy irè. Nirenireny tagny agn'efitra, tagny amin'iré tendrombohitra, tagny amin'iré lava-bato, ké tagny amin'iré lavaka ambanin'ny tany zaré iré. 39 Kanefa iregny ôlogno jiaby iregny de niken'Andriamanitra nohon'ny finoanjaré ré, tsy nandray ny fampanantenagna zarè ré. 40 Nagnomagna raha tsara kokoà ho antsika Andriamanitra, mbô tsy ho lavorary zaré ré, kôfa tsisy antsika.