Toko faha 4

1 La niakasy tamy gny vavahady teo Boaza ka la nijano tegny. Io, avy gny longo marikisy gny fa nirehafin' i Boaza egny. Hoy gn'asany Boaza tagnaminy he: ''O ragnisao, magnatogna ka la midoboha eto.'' Ragnatao gny zalahy igny ka la nidoboky. 2 Bakeon'igny la nangala lelahy folo tamy gny lonaky tamy gny tanà eo re-Boaza sady nisara he: ''Midoboha eto'', ka nipetraky rozy. 3 Hoy gn'asany tamy gny longa marikisy igny he: ''Naomy'', gny nihery baka agny amy gny tanàn'i Moaba, la mamarosy ampahany gny tany gny gn'i Elimelaka rahalaisika. 4 Nieriserisy iaho gny hampahafantasy anao voho hagnambara aminao he: 'Vilio akatrefany gny reo ze mitoboky eto zay, sady akatrefany reo ze midoboky eto eo gny raha zay, sady akatrefany gny lonaky gn'asaveregnako eo reo.' fa laha magniry hanao gny hagnavosy an'izay, la iaho gny sarao, mba ahezako, satria tsy misy gn'agnavosy anio laha tsy hanao, sady la iaho gny hanoha anao.''Ka la hoy gn'asany gny zalahy raiky hafa egny he: ''Havotako o.'' 5 Sady hoy gn'asany Boaza he: ''Amy gn'andro ze hivilia nao gny tany a-tagnan'i Naomy egny io, la tsy mainsy mangala an'i Rota gny Moabita egny, valiny gny zalahy maty igny, mba hanandasasy gn'agnarany gny zalahy maty io avao koa hanao.'' 6 Ka la hoy gny zalahy marikisy igny h:''Tsy afaky gny hagnavosy an'izay ho gnany gna'aiko iaholaha zay gny manimba gny lovako. Alao ho gnanao gny zony gn fagnavotako, satria iaho tsy afaky gny hagnavosy an'izay.'' 7 Ka la zay gny fomba taloha ta gn'Israely ao mahakasiky gny fagnavota voho fifanakalozagn'eta. Mba hagnafatrara gny raha iaby, gny lelahy raiky la nangala gny kirarony sady la nagnome an'izay gny mpiara belo agnaminy; zay gny fomba fanova titiky magna-dala ta gn'Israely ao. 8 Ka la hoy gny longo marikisy igny tam'i Boaza he: ''Vilio ho gnany gn'ainao zay,''sady nalàny gny hanany. 9 Ka la hoy gnasany Boaza tamy gny lonaky voho gn'olo reo iaby he: ''hanareo gny vavolombelo henan'izao fa la fa noviliko iaby gny ze rahan'i Elimelaka voho gny ze iaby rahan'i Kiliona rekisy gnan'i Mahalona t'atagnan'i Naomy egny. 10 Laha gny mikasiky an'i Rota gny Moabita, valin'i Mahalogna egny : La fa nalako ho valy koa i, mba ahezako manandrasy gn'agnarany gny zalahy maty igny mba ho lovany, ka tsy hiala amy gny rahalahiny eo reo voho amy gny vavahady fipetrahanany igny eo gn'agnarany. Vavolombelo hanareo henan'izao''. 11 Hoy gn'olo iab ze t'ambavahady eo voho gny lonaky eo reo he: ''vavolombelo ahay. I Yaveh lahy gny hanao gn'apela egny ze avy amy tragnonao ao hanahaky an'i Rahely voho Lea, rozy roy ze nananga gny gny tragnony gn'Israely; ka la lonoky hanao gny ho soa a Efrata ao sady la ho re-laza a Betlehema ao. 12 La lonoky gny tragnonao ho tahaky gny tragnon'i Fareza, gny naterak'i Tamara egny tam'i Joda, amign'alalany gny taranaky ze gny homen'i Yaveh anao mindray amign'i pelatovo eto toy.'' 13 Ka nirambesin'i Boaza i Rota, ka la nanjary valiny i. Niara-natory tagnaminy i, sady i Yaveh la nagnega azy bevoky, ka la teraky anaky lahy i. 14 Hoy gn'apela egny tam'i Naomy he: ''Hisora lahy i Yaveh, gny tsy nagnenga anao tsy hanan-dongo mariksy, la gny zaza toy eto. Halaza a Israely ao lahy gn'agnarany. 15 Lonoky lahy i gny hampihery gny fiaignanao amy gny tokony ho i sady la hikarakara anao nofa hanao gn'antisy, fa gny vinatonao, gny tia nao ogny, gny soa aminao mihoasay nony gna'anaky lahy fito, ro niteraky azy.'' 16 Nirinambin'i Naomy gny zazaegny, la nampatoriny t'atrtrany teo, ka la nikarakarainy. 17 Nomeny gn'apela mpiara-belo reo agnara i he: ''Gn'anaky lahy nateraky ho gnan;i Naomy.''Nikaihy ndreo he: obeda. La I gny niteraky an'i jese, zay gny niteraky an'i Davida. 18 sady retoa gny taranak'i Fareza: la niteraky an'i Hezrona, 19 i Hezirona niteraky an'i Rama, i Rama niteraky an'i Aminadaba, 20 i Aminadaba niteraky an'i Nasona, i nasona niteraky an'i salmona, 21 i Salmona niteraky an'i Boaza, i Boaza niteraky an'i Obeda, 22 i Obeda niteraky an'i Jese, ka la i Jese niteraky an'i Davida.