Toko 1

1 Tamy gn'andro nanapahany gny mpikabaro reo la nisy mosary gny taminy gny tany teo, ka la nisy zalahy raiky baka a Bethleheman'i Joda ao nagna amy gny tanin'i Moaba ao rekisy gny valiny voho gna'anakiny roy lahy. 2 Gn'agnarany gny lelahy io la Elimelaka, la Naomy gn'agnarany gny valiny. gnagnarany gna'anany roy lahy reo la i malona voho Kikiona, Gn'efratita baka Bethleheman'i Joda egny. Avy tamy gny tanàn'i Moaba rozy ka la tao gny nipetraky. 3 La nimaty i Elimelaka, valin'i Nahomy, I gny sisa tavela eo nindray tamy gn'anany roy lahy. 4 Gn'anaky lahiny reo la samby naka valy tamy gn'apelan'i Moaba reo; La i orpa gn'agnarany gny raiky, la i rota gn'agnrany gny raiky. Tagnainy gny folo tao rozy gny nitoboky tao. 5 Bakeon'igny la maty i Malona voho Kilona, nagnenga an'i Naomy tsy am-baly noho tsy misy gn'anany roy. 6 Bakeon'igny Naomy nanapa-kevisy ny gny hiala an'i Moaba reksy gny vinatony apela reo ka la nihery tagny Joda satria fa jiny tamy gny faris'i Moaba ao fa nagnampy gn'asaveregnany ze niremby fagnapia i Yaveh sady la nagnome hany andreo. 7 la niala gny tanà nindresany tamy gny vinatony apela roy reo i, ka nijoso nagnaraky gny lala egny rozy mba hihery amy gny tanàn'i Joda agny 8 hoy Nahomy tamy gny vinatony apela roy reo he; ''mandehana, miheregna, amy gny tragnon-dreninareo ,tsikiraiky aby agny hanareo. Yaveh lahy gny hanoro gny hasoam-pagnahy tamy gny voho gny tagnamiko. 9 Lonoky la gny Tompo ro hagnome anareo ka ahitanareo fedagna, hanareo tsikiraiky baka amy gny tragnony gny vady hafa egny.''Ka la nagnoroky andreo i, ka la nagnakasy gny feony rozy ro tomagny. 10 La hoy rozy tagnaminy he: ''Aha! hindray aminao hihery ho amy gn'asaveregnanao agny ahay''. 11 nefa la nisara Naomy he: ''mandehana miheregna, keny anak'apelako! Nagnino hanareo gny handeha hindray agnamiko? Mbo hana zalahy an-kiboko ato andra iaho ho gn'anareo, ka ho anjary rozy gny ho valinareo? 12 mandehana mihery,keny anak'apelako,hitio gny lalanareo, fa iaho fa mavozo la hanambaly. laha iaho gny misara he: 'matoky iaho fa ahazo valy androany hariva,'sady la hiteraky anaky lahy, 13 la mbo ho ligninareo andra gny hibezany ndreo? hahaligny andra hanareo sady la tsy hila lelahy henanizao? Aha, keny anak'apelako! La zay loasy gny mampalahelo anakahy, mihoasy lavisy gn'alahelonareo gny amizay, satria gny tagnan'i Yaveh gny namango anakahy.'' 14 Sady nanandrasy gny feony rozy vinatony apelasa sady nitomagny ndraiky. nagnoroky nanao egny gny rafozany apela egny i Orpa, fa i Rota gny nipitiky tagnaminy eo. 15 hoy gnasan'i Nahomy he; ''Ijigno, noly tamy gn'asaveregnany voho gny zaganahariny gny ragnaosinao. miheregna mindray amy gny ragnaosinao''. 16 Nefa Rota mirehaky he: ''ko egna hagnalavisy anao aho, fa ze andehanao, la hombako; ze gny zanognanao; gn'asaveregnanao la ho asaveregnako, sady la gny Zagnahary nao la ho Zagnahariko. 17 Gny ze tanà hifatesanao, la hifatesako, ka la agny iaho gny milevy. yaveh lahy gny hagnavoy anakahy, ka la mihiasy andra, laha gny haratia fa tsy raha avao gny mampisaraky ansika.'' 18 Ka nofa hitan'i Nahomy fa tapa-kevisiny gny hindray agnaminy i Rota, la tsy nahefa gny niakany tagnaminy i. 19 La lasa rozy roy zisiky gny heviandrozy ta betlehema ao. Zao gny raha nisy nofa rozy gny niavy ta betlehema ao, gny taminy gny tanà igny aby la taitry gny tamindreo. la hoy gn'asany gn'apela eo reo he: Naomy andra toy? 20 Ka nefa la hoy ngn'asany gny tamindreo he: ''Ko kehy Nahomy zao iaho. mara gny hikeho ahy, satria gny Tsitoha loasy gny nampinday anakahy gny mafaisy. 21 Feno gny niboahako, nefa Yaveh gny nampinday anakahy nihery tagnm-polo. Nony zay ka nagnino hanareo gny mikaiky anakahy he Nahomy, amy gny fahita gny fagnamelohan'i Yaveh, fa gny Tsitoha eo la nampizaly anakahy?'' 22 Sady la Nahomy voho Rota gny Moabita egny, vinato apela la nihery tamy gny tanàn'i Moaba agny. Avy ta Betlehema ao rozy tamy gny filam-bary velohany.