Toko faha 3 7

2 Josoa la nandefa lelahy bakao Jeriko nagnagny Ay, ze agnilan'i Bety Avena, atignanan'i Betela. Hoy i tamindreo he: ''Mekara ka tsikilovo gny tana.'' Ka niakatsy reo lelahy sady nisikilo tao Ay. 3 Lafa nihery tamin'i Josoa teo ndreo, la hoy ndreo tagnaminy he: ''Ko alefa miakatsy agny Ay gny fokonolo iaby. Lelahy roarivo avao halefa hanafiky an'i Ay. Ko mandrokaky gny fokonolo iaby agny amigny gnaly, satria kely isaky ndreo.'' 4 Ka teo ho eo amigny lelahy telo arivo ro niakatsy bakamireo tafiky, fa nilomay gny lelahin'i Ay ndreo. 5 Reo lelahin'i Ay la nahafaty teo amigny eninambitelopolo teo lafa nagnindy andreo zisiky eto amigny vavahadin'ny tana zisiky egny amigny toera fanorotoroa vato, sady vinonondreo tegny am-pizosoa gny havoo ndreo. Natahotsy gny fon-dreo fokonolo ka nianga tamindreo gny herim-pony.