Toko faha 21
6
Bakeo gny taranaky bakamign'i Gersona nome, tamigny kitsapaky, tana telo ambifolo bakamigny isani-hasaveregnanireo fokon'i Isakara, Asera, Naftaly, sady gny asasaky gny fokon'i Manase agny Basana.
7
Reo fokonolo la nahazo tana roy ambifolo bakamireo fokon'i Robena, Gada, sady Zebolona.
17
Bakamigny fokon'i Benjamina ro nahazoa an'i Gibeona miaraky amireo tanim-bilony, Geba miaraky amireo tanim-bilony,
18
Anotota miaraky amireo tanim-bilony, sady Almona miaraky amireo tany magnodidy azy tana efatsy.
19
Reo tana ze nome reo mpisoro koa, reo taranak'i Arona, la tana telo ambifolo laha atambatsy, ao agnisanizay reo tanim-bilon-dreo.
28
Ho anireo fokon'i Gersona la nomendreo bakamigny fokon'i Isakara koa i Kisiona, mbamireo tanim-bilony, Daberata mbamireo tanim-bilony,
29
Jarmota mbamireo tanim-bilony, sady Enganima mbamireo tanim-bilony tana efatsy.
30
Bakamigny fokon'i asera, la nomendreo Misala miaraky amireo tanim-bilony, Abdona miaraky amireo tanim-bilony,
31
Helkata miaraky amireo tanim-bilony, sady Rehoba miaraky amireo tanim-bilony tana efatsy gny fitambarany.
36
Reo fokon'i Merary la nahazo bakamigny fokon'i Robena: la i Bezara miaraky amireo tanim-bilony, Jahaza miaraky amireo tanim-bilony,
37
Kedemota miaraky amireo tanim-bilony, sady Mefata miaraky amireo tanim-bilony tana efatsy.
38
Ankoatsy gny fokon'i Gada la nome andreo Ramota gnany Gileada miaraky amireo tanim-bilony tana raiky filomesanize nahafaty olo tsy nahy sady Mahanaima miaraky amireo tanim-bilony.