Toko faha 10

5 Reo mpanjaka dimin'ny amonita, gny mpanjakan'i Jerosalema,gny mpanjakan'i Hebrona, gny mpanjakan'i Jarmota, gny mpanjakn'i Lakisy, sady gny mpanjakan'i Eglona la niakatsy, ndreo rekitsy reo tafikiny iaby. Nametraky gny rafitsy hanohera an'i Gibeona ndreo, sady nanafiky anizay. 28 Tahaky anizay, ro nagnandevozan'i Josoa an'i Makeda tamizay andro zay, voho namonoany gnolo-aby tao tamigny mesa, agnisanizay gny mpanjakany. Naringany tetraky ndreo reki8tsy reo raha-miay iaby tao. Tsy nisy nengany ho velo. Tahaky gny nataony tamigny mpanjakan'i Jeriko avao ro nataony tamigny mpanjakan'i Makeda. 31 Sady niongaky bakao Libna ho agny Lakisy i Josoa voho reo Israely iaby nindray tagnaminy. Nitoby tao i sady nialy tagnaminy. 32 La natolots'i Yaveh teo atagnan'Israely i Lakisy. Tamign'andro faharoy ro nagnandevozan'i Josoa azy. naringany tamigny mesa gny raha-maiky iaby tao, tahaky gny nanovany an'i Libna.