Toko faha 2

1 Jakoba, mpiasan'Andriamanitra sy Jesôsy Kristy Tompo, ho iary zareo foko roy ambifolo niparitaka: arabaina. 2 Raiso ampifaliana aby zany, ry rahalay, ndreka managna olagna samiafa anareo. 3 Fantatrareo fa ny fitsapana ny finoanareo de mahatonga faharetana. 4 Avelay ny faharetana hagnatanteraka ny asany ,mba tena hivôtra sy ho feno tanteraka anareo, ka tsy hijaly na ino na ino. 5 Fa ra misy aminareo mila fahendrena, ôka mba hangataka an'zany amin'Andriamanitra izy, amin'ny Ray zay magnome an-tsitrapo sady tsy mandatsa amin'ny olona mangataka, de omeny an'azy zany 6 Fa avelay izy hangataka amin'ny finoana, tsy am-pisalasalana na ino na ino. Fa zay misalasala de ôtran'ny onjan-dranomasina atopatopaky ny agniny. 7 Fa ny olona ôtran'zany de tsy tokony agnategna handray raha avy amin'ny Tompo. 8 Ny olona karaha an'zany de miroy saigna sady miovaova amin'ny andianany. 9 Aoka ny rahalay sahirana hagnano ny fisandratany ho reareany, 10 de ny manan-karena hietry, satria hisitrika ôtran'ny flera-dy amin'ny aitra izy. 11 Fa ny masoandro de miakatra amin'ny afanana memay ka magnamaigna ny aitra. Ny flera de mihitsagna, ka ny hatsarany de ho levogna. De ôtran'zay koa , ny mpanan-karena de halazo egny amin'ny atsasagny diany. 12 Sambatra ny olona zay miaritra fitsapana. Fa ndreka avy nandalo an'zany izy, de homeny ny satroboniatry ny fiaignana, nampagnategnain'Andriamanitra zay tian'Azy. 13 Ndreka misy alaim-pagnayde izy tsy hizaka hoe: "Andriamanitra nagnala fagnay anaha," satria Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaina fagnay, sady tsy mba magnala fagnay olona. 14 Fa samy alaim-pagnay amin'ny filàny ny tsirai-draika, zay mampiemotra na mandresy anazy. 15 Ndreka avy tanteraina ny filàna, de manjary fahotana zany. 16 Ary ndreka mitombo ny ota, de manjary fahafatesana. Aza magneky fitaina, ry rahalay tena teko. 17 Ny gnomezana tsara marobe sy ny fagnomezana maro aby io de avy agny ambony. Zany de midika fa avy amin'ny Rain'ny fahazavana. Fa miaraka amin'Andriamanitra de tsisy fiovana na tandindogna nohon'ny fialana. 18 Fa Andriamanitra de nifidy antsena homena fahaterahana amin'ny teny fahamarinana, mba ho voaloam-bokatraka amin'ny raha marobe zay noforoniny atsena. 19 Fantatrareo zany, ry rahalay tena teko: aoka ny olona marobe halaky hiteno, tsy halaky hamaly, ary halaky vignitra. 20 Fa ny havigniran'ny olona de tsy avita ny sitra-pon'Andriamanitra. 21 Ka elay ny fahalotoana aby io sy ny faharatsiana marobe. Amim-petre tegna de raiso ny teny efa nomena, zay afaka mamonjy ny fagnainareo. 22 Aoka ho hagnatanteraka ny teny anareo fa tsy hiteno fotsiny, ka hamitaka ny tegnanareo. 23 Fa na misy miteno ny teny nefa tsy mankato, de ôtran' ny olona zay mandika ny tarehiny amin'ny fitaratra izy. 24 Mandinika ny tegnany izy ka mandea aveo igny de adignony ny tegnany. 25 Fa ny olona zay mandinika tsara ny lalànan'ny fahafahana tanteraka, sy manohy magnano an'zany, fa tsy hoe miteno fotsiny ka hagnadigno, de ho ambinina amin'ny asany zany olona zany. 26 Na misy mihevi-tegna ho mpivavaka, nefa tsy mavoafehy ny lelany, de mamitaka ny fo izy, ka tsy misy dikany ny ivavahany. 27 Ny fivavahana madio sady tsisy loto eo amin'Andriamanitra Raintsika de zao: hagnampy an'zay kamboty sy iregny mpitondrategna amin'ny fijalen'iary zareo, sady miaro ny tegna mba tsisy loto avy amin'zao tontolo zao.