Kolosiana Toko Faha 2

1 Fa teko ho fantanareo ny hagnoasan'ny tologna nataoko ho anareo, ho an'iary zareo any Laodikia, mbàn'ny maro mbola tsy nahita ny tarehiko tamin'ny nofo. 2 Miasa aho mba hampantanjaka ny fon'iary zareo amin'ny fampiresana an'iary zareo miaraka amin'ny fitiavana mbàn'ny harena maro amin'ny fahalalana azo antoka , ho amin'ny ny fahamarinana mivony ao amin'Andriamanitra, midika hoe, i Kristy. 3 Amin'Azy ny harenan'ny fahakantena mbàn'ny fahalalana marobe mivony. 4 Zakaiko izany mba tsy hitaritana anareo amin'ny lahateny tsara lahatra. 5 Ndre de tsy miaraka aminareo amin'ny nofo aho, de miaraka aminareo amin'ny fanahy, Mahafaly anaha ny mahita anareo milamina tsara mbàn'ny tanjakan'ny finoanareo an'i Kristy. 6 Na nandray an'i Kristy Tompo anareo, de mandiana amin'Azy. 7 Mifikira mafy amin'Azy, mioregna tsara amin'Azy de mioregna amin'ny finoana zegny efa nampenarinareo anareo, sady magnome fisaorana. 8 Tandremo sao de hisy olona hanambotra anareo avy amin'ny filozofia na ny fitaka fahatany karan'ny fataon'olona, zegny magnaraka ny endrikan'izao tontolo izao, fa tsy magnaraka ny an'i Kristy. 9 Fa amin'Azy no mipetraka ny fahatsaran'ny tegnan'Andriamanitra maro be. 10 Feno anareo amin'Azy ao. Izy no lohan'ny hery mban'ny fahefana marobe. 11 Tamin'Azy my koa anareo no noforaina tamin'ny famorana zay tsy namboarin'olombelona amin'ny fagnesorana ny nofo amin'ny vatagna, fa tamin'ny famoran'i Kristy. 12 Nalevina niaraka tamin'Azy tamin'ny batisa anareo, sady tamin'Azy koa no nagnanganana anareo avy tamin'ny finoana maherin'Andriamanitra, zay nanangana an'Azy tamin'ny zegny maty. 13 Tamin'ny nahafatesanareo tamin'ny fahotana mban'ny tsy famorana ny nofonareo, de Izy no namelogna anareo niaraka tamin'Azy sady namela antsena tamin'ny fahotantsena marobe. [Fagnamarihana: misy dikan-teny taloha sanagny mivaky hoe: "de namela ny fahotantsena marobe"] 14 Nifafany ny fitehirazana soratran'ny trosan'ny fahafahana mban'ny fitsipika nifanohitra tamintsena. Nalainy aby izany de nifantsiany tamin'ny hajo fijalena. 15 Nalainy koa ny hery mban'ny fahefana, sady Izy nagnano fampisehoana tamason'iary zareo, nandresy ambonin'iary zareo tamin'ny hazo fijalena. 16 Ka, aza apetraka hisy hitsara anareo ndre amin'ny fihinana ndre amin'ny fisotroana, ndre amin'ny andro fety ndre amin'ny volana vaovao, ndre amin'ny andro Sabata. 17 Izany tandindognan'ny raha ho avy, fa ny tena izy de i Kristy. 18 Aza apetraka hisy ndre iza ndre iza miaragna fanetrentegna mban'ny fideranan'ny anjely hitsara anareo ka tsy ka tsy hazaonareo ny lokanareo. Ny olona karan'izany de miditra amin'ny raha hitany ka manjary mirehareha amin'ny fisaignan'ny nofony. 19 Tsy mitàna ny lohany izy. Zany de avy amin'ny saigna nomen'Andriamanitra ny vatagna marobe magneragna ny vanin-taolagnany mban'ny hozatrany magnome ka mitàna an'ny raha marobe izany mitambatra; zany de mitombo miaraka amin'ny fampitomboana nomen'Andriamanitra. 20 Na maty niaraka tamin'i Kristy anareo tamin'ny endrikan'izao tontolo izao, nagnino arika anareo miaigna karan'ny voatery amin'ny tany: 21 "Aza mihodigna, aza magnandragna, sady aza mikasika?" 22 Izany raha marobe izany de ho fahalovana, magnaraka ny torolalana mban'ny fampenaran'olombelona. 23 Io fitsipika io de managna fahakantenan'ny fomba fivavahana, ny fagnetren-tegna zay nataon'ny tegnany manokana sady fampijalena ny vatagna. Fa iary zareo de tsisy dikany amin'ny fanoherana fandeferan'ny filan'ny nofo.