Toko 1

1 Izaho loholona mamanga an'i Galo malala, ny teko amin'ny fahamarinana. 2 A malala, mivavaka aho mba tahiana amin'ny raha marobe anao sady ho salama, kara ny hitahena ny fagnahinao. 3 Fa de faly be aho ndreka nisy rahalahy tonga sady nijoro vavolombelona tamin'ny fahamarinanao, kara ny andehananaao amin'ny marina. 4 Tsy managna hafalena be ambonin'ity aho, de ny haregnesako fa mandeha amin'ny fahamarinana ny zanako. 5 A malala, magnano asa azo itokisana anao na amin'ny ino na ino asa atànao ho an'ny rahalahy mban'ny vahiny, 6 zay nijoro vavolombelona ny fitiavanao tagnatrehan'ny fengonana. Tsara ny atànaona alefanao mandeha amin'ny fomba mendrika an'Andriamanitra iary zareo, 7 satria avy amin'ny agnarana no nengana, tsy nitondra na ino na ino avy tamin'ny Jentilisa. 8 Noho izany antsena de tokony hangala ny karan'izany, mba ho mpiara-miasa amin'ny fahamarinana antsena. 9 Nanoratra raha tamin'ny fengonana aho, kanefa Diotrefa, raika te-lohany amin'iary zareo, de ts nagneky anay. 10 Noho izany, ndreka tonga aho, de tadidiko ny asa zegny natàny io, ny fomba nizakany raha mahasorena manohitra anay miaraka amin'ny zaka ratsy. Tsy afa-po tamin'ny asa, de tsy mandray ny rahalahy izy. Nandrara an'ny zegny te-hagnano kara an'izany izy sady nandrôka an'iary zareo hivôka ny fengonana. 11 A malala, aza mangala karan'ny zegny ratsy fa zegny tsara. Ny raika zegny magnano ny tsara de an'Andriamanitra; ny raika zegny magnano ny ratsy de tsy nahita an'Andriamanitra. 12 Ny maro mban'ny fahamarinana de vavolombelona magnambara an'i Demetrio. Izahay my koa de mijoro vavolombelona , sady fantatrao fa marina ny fagnambaranay. 13 Nanagna raha maro ho soratana aminareo aho, fa tsy magniry hanoratra an'izany aminareo amin'ny penina mban'ny ranomainty aho. 14 Kanefa magnantegna aho hahita anareo tsy ho ela, de hikoragna mivantagna antsena. 15 Ho aminareo anie ny fedanana. Magnano veloma anao ny akama aty. Veloma agny amin'ny akama tsitokatokana isaky ny agnarany aby.