Toko faha 2

1 Fa ny tegnanareo de mahafantatra, ry rahalay, ny fatongavanay teto aminareo de tsy fôgna. 2 Lalanareo fa tagny aloha de nijaly sy nalaina baraka tagny Filipy zahay. Izahay de nasay hizaka ny Filazantsaran'Andriamanitray taminareo tagnatiny fanoherana lehibe. 3 Satria ny fagnanaranay de tsy tamin'ny zaka diso, na tamin'ny zaka ratsy, na tamin'ny famitahana. 4 Fa koja, araka ny nagneken'Andriamanitra anay mba hatokisana amin'ny Filazantsara, noho zany de mizaka zahay. Mizaka zahay, tsy hafaly ny olona, fa hafaly an'Andriamanitra. Izy no mahafantatra ny fonay. 5 Satria tsy de nampiasa na ovena na ovena ny teny mandrombo zahay, araka ny fantatrareo, na koa ho fialan-tsiny amin'ny fagniriana, satria Andriamanitra no vavolombelonay. 6 Na koa niaragna voninahatra avy tamin'olona zahay, na koa avy aminareo, na avy amin'ny sanagny. Izahay de afaka nitaky valisoa kara iregny apôstôlin'i Kristy. 7 Fa koja, zahay de tsotra taminareo ôtra ny Endry mampahery ny zanagny nateragny. [Fagnamarinana: iregny dikan-teny hafa sanagny de mivaky ôtrany zao: "Fa koja, zahay de ôtrany zazabitaka taminareo, ndreka nampahery ny zanagny nateragny ny Endriny."] 8 De kara zany no nanagnanay fitiavana anareo. Faly zahay magnome anareo, tsy ny filazantsara an'Andriamanitra fotsiny, fa ny fiaignanay manokana my koa. Satria anareo de nanjary tena tenay be. 9 Satria tadidinareo, ry rahalay, ny asanay sy ny faharerahanay. Andro aman'alina no niasanay mba tsy hanahiragnanay ny raika aminareo. Nandritra zany fotôna zany, de nitory ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo zahay. 10 Ianareo no vavolombelona, sady Andriamanitra my koa, fa masina, sy marina, ka tsy manan-tsigny ny fitondran-tegnanay taminareo zay mino. 11 Kara zany my koa de lalanareo hoe ôtrany aôna no nataonay taminareo tsirai-draika kara ny atao ny Iaba amin'ny zanagny nateragny, 12 niagnavy sady nampahery ka nadrisika anareo zahay mba handea amin'ny fomba zay tsara an'Andriamanitra, zay magnatso anareo ho ao amin'ny fanjakany sy ny voninahiny manokana. 13 Izany my koa no antony isaoranay an'Andriamanitra fehizay fehizay. Fa anareo ndreka nahazo avy taminay ny hafatr'Andriamanitra zay regninareo, de tsy niresinareo zany ôtrany zakan'olona. Fa koja, niresinareo zany araka ny marina, de ny tenin'Andriamanitra.Izany teny zany my koa no miasa aminareo zay mino. 14 Satria anareo, ry rahalahy, de nanjary karan'ny fiangonan'Andriamanitra agny Jodia zay amin'i Jesôsy Kristy.Fa anareo my koa de nijaly tamin'ny iregny raha iregny noho ny nataon'iary zareo mpiray tanindrazana taminareo, kara ny nahazo an'iary zareo koa no nataon'ny Jiosy tamin'azy. 15 Iary zareo Jiosy no namono an'i Jesôsy Kristy mbamin'ny mpaminany. Iary zareo Jiosy no nandrôka anay . Tsy nagneky an'Andriamanitra iary zareo. Fa koja, iary zareo de fahavalon'ny olona marobe. 16 Iary zareo de nandrara anay tsy hizaka amin'ny Jentilisa mba tsy hamonjena an'iary zareo. Vokatry zany de manota fehizay iary zareo. Ny fahavignirana de tsy mentsy avy amin'iary zareo amin'ny farany. 17 Tafasaraka taminareo zahay, ry rahalay, nandritry ny fôtona fohika, tamin'ny fagnatrehana tsy tamin'ny fo. Tena nazoto be zahay, nagniry be, ny hahita ny tegnareo. 18 Satria nagniry ny ho agny aminareo zahay, izaho, Paoly, matetika, anefa nanakana anay i Satana. 19 Fa ino ma fagnantegnananay amin'ny ho avy, na fifaliana, na satroboninahitry ny fandresena eo agnatrehan'i Jesôsy Tompntsika amin'ny fihaviany? 20 Moa tsy kara ny sanagny my koa va anareo? anareo no voninahitray sady fifalianay.