1
Paoly, Silasy, de Timoty ho an'ny fiangonan'iary zareo Tesaloniana ao amin'Andriamanitra Ray sy amin'i Jesôsy Kristy Tompo. Engany anie ka ho tonga aminareo ny fahasoavana amban'ny fiadanana. [Fagnamarinan: Amin'ny dikan-teny sasasgny taloha de karan'izao: "Engany anie ka ho Tonga aminareo ny fahasoavana amban'ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesôsy Kristy Tompo".]
2
Magnome fisôrana an'Andriamanitra fezay zahay ny aminareo marobe, sady mitondra am-bavaka anareo fonga.
3
Zahay de tsy nijanogna ny mahatsiaro anareo eo anatrehan'Andriamanitra Iabantsena avy amin'ny asan'ny finoanare, ny asan'ny fitiavanareo, mban'ny fitokisanareo maharitra ho an'ny ho avy amin'i Jesôsy Kristy Tompontsika.
4
Ry rahalahy ten'Andriamanitra, fantanay fa Izy de efa nifidy anareo,
5
Satria ny filazantsaranay de tonga taninareo tsy tamin'ny zaka fotsiny, fa tamin'ny hery my koa, tamin'ny Fanahy Madina, mban'ny fahatokisana Maro. Mitovy amin'izany, ianareo my koa de mahafantatra hoe olona nagnano akory zahay taninareo noho my aminareo.
6
Nanjary nanahatra anay sy ny Tompo ianareo, tamin'ny nandresanareo ny zaka tamin'ny ady sarotra lehibe sy tamin'ny Fanahy Masina.
7
Vokany de, tonga ohatra ho an'ny marobe zeny mino tao Makedonia sy Akaia anareo.
8
8 Fa avy taminareo no nagnatoroana ny zaka'ny Tompo, de tsy tao Makedonia sy Akaia fotsiny. Fa de tegny amin'ny toerana marobe no niparitahan'ny finoanareo an'Andriamanitra. Vokany, de tsy mila mizaka ndre ino ndre ino antsena. Fa iary zareo my no hizaka zay fandraisana azonay taminareo.
9
Izy iary zareo de nitantara ny fomba nitodianareo tamin'Andriamanitra ka negnanareo tamin'ny sampy mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona sady marina.
10
Iary zareo no nitatitra fa anaraeo de nandigny an'ny Zanagny avy tan-danitra, izy de natsangan'ny tamin'ny maty. Jesôsy izany, Izy nagnafaka antsena amin'ny fahavignirana ho avy.