Toko faha8

1 Yaveh niresaky tamin'i Mosesy . Ho Izy ho: 2 ''Miresaha amin'i Arona. Zakao aminazy ho:''Tokony hagnome hazava eo anoloany fitoera-ziro reo ziro fito raha mampirehisy reo ianao.''' 3 Nanao anizay Arona. Nampirehisy gny ziro teo amy fitoera-ziro izy ba hagnome hazava eo anoloany , araky gny fa nandidian'i yaveh an'i Mosesy. 4 Taminizay fomba zay gny nanova gny fitoera-ziro dra Yaveh nampiseho an'i Mosesy gny lamina ho aminizay . Zay dra volamena voatefy hatrany amy fotony ka hatrany amy tampony, niaraky tamy vazy voasa tahaky gny vonikazo. 5 Niresaky tamin'i Mosesy draiky Yaveh. Ho Izy ho: 6 ''Alao aby laha teo amin'ereo vahoakan'Israely gny Levita dra liovy izy reo. 7 Atovy amin'ereo zao ba hagnaliova anazy reo:Afafazo eo amin'ereo gny rano gny fagnavota. hiangavio magnaraky gny vatany manotolo, manasa gny fitafiany izy reo, dra aminizay fomba zay gny hagnaliova gny vatan'ereo. 8 dra hiangavio mangalaky vantonagn'ombilahy vo fagnatisy voa miaraky amy koba soa lisa hangalaky mifangaro menaky izy reo. Ao izy reo hangalaky vantonagn'ombilahy raiky hafa ho fagnatisy noho gny ota. 9 Hinday reo Levita eo alohany tragno-lay fihaogna vo hamory gny vondrony vahoakan'Israely aby ianao. 10 Raha minday reo Levita eo anoloan'i Yaveh ianao, dra sy maisy mametraky gny tagnany eo amin'ereo Levita gny vahoakan'Israely. 11 Sy maisy atolon'i Arona eo anatrehan'i Yaveh reo Levita, tahaky gny fagnatisy ahevaheva aby amy vahoakan'Israely ba hahafahan'ereo manao gny fanompoa an'i Yaveh. 12 Sy maisy apetrak'ereo Levita eo amy lohan'ereo agn'omby gny tagnany. Sy maisy manolosy agn'omby raiky ho agny fagnatisy noho gny ota dra agn'omby hafa ho agny fagnatisy dora ho anahy ianao, ba hagnavaha ho an'ereo Levita. 13 Asehpy eo anoloan'i Arona vo eo anoloany zanadahiny reo Levita dra asandrato ho fagnatisy ahevaheva ho anahy. 14 Aminio fomba io sy maisy hanasarahanao reo Levita amy vahoakin'Israely. Ho anahy reo Levita. 15 Magnaraky anizay, sy maisy mandeha manompo ao antragno gny fihaogna reo Levita. Sy maisy magnalio anazy reo ianao. Sy maisy atolonao tahaky gny fagnatisy ahevaheva izy reo. 16 Atovy zay, satria izy reo dra anahy tateraky zay avy eo amy vahoakin'Israely. Handray gny toerany monta lahy kirairaiky aby ze hateraky gny valohany izy reo, dra gny lahimatoany taranak'Israely aby. Fa nangalaky reo Levita ho agny vatako zaho. 17 Anahy gny lahimatoa laha tao amy vahoakin'Israely aby, baminigny olo vo gny biby. Taminigny andro ze nangalako gny ay lahimatoa aby tao amy tany egypta, dra nanoka anazy ho anahy zaho. 18 Fa nangalaky reo Levita laha teo amy vahoakin'Israely ho solo gny lahimatoa aby zaho. 19 Fa nagnome reo Levita ho fagnomeza ho an'i Arona vo reo zanadahiny zaho. Fa nangalaky anazy reo laha teo amy vahoakin'Israely ba hanao gny asany gny vahoakan'Israelyao amy trgno-lay gihaogna zaho. Fa nagnome anazy reo ho fagnavota ho agny vahoakin'Israely zaho ba sy hisy areti- mandringa hamely gny vahoaky raha magneky gny toera masy izy reo.'' 20 Mosesy, Arona, dra vondrony vahoakin'Israely manotolo nanao anizay tamin'ereo Levita. Nagnatateraky reo raha aby nandidian'i Yaveh an'i Mosesy gny amin'ereo Levita izy reo. Nanao anizay niaraky tamin'ereo gny vahoakin'Israely. 21 Nagnalio gny vatany vo nanasa gny fitafiny reo Levita, dra Arona nanolosy anazy reo ho fagnatisy ahevaheva ho an'i Yaveh vo nanao fagnavota ho anazy reo ba hagnaliova anazy reo. 22 Magnaraky anizay, nandeha nanao gny fanompoa tao amy tragno-lay fihaogna manoloa an'i Arona vo gny zanadahin'i Arona reo Levita. Tahaky anizay gny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy mahakasiky reo Levita. Zay gny fomba nitondrany reo Levita aby. 23 Niresaky tamin'i Mosesy draiky Yaveh. Ho Izy ho: 24 ''Zao aby zao dra ho agny Levita ze dimy amby ropolo tao gny ho mihoasy. Sy maisy miaraky amy mpanompo ba hanompo ao amy tragno-lay fihaogna izy reo. 25 Sy maisy mizana amy fanompoa amizay fomba zay izy reo aby feno dimapolo tao. Aminizay tao zay dra sy mahazo manompo sasy izy reo. 26 Afaky magnampy reo rahalahiny ze manohy gny asa ao amy tragno-lay fihaogna izy reo, nefa sy afaky manompo sasy . Sy maisy mitariky reo Levita amin'ereo raharaha aby reo ianao.''