Toko faha 35

1 Dra Yaveh nizaka tamin'i Mosesy teo aminigny tany hain'i Moaba teo agnilanigny Jordana tao Jeriko ka nanao ho: 2 '' Mandidia gny vahoaky Israely ba hagnome gny Sasany amin'ereo zara-taniny hi an'ereo Levita. Aoky hagnome anazy reo tana ba honegnanay vo tany firofam-bilo magnodidy reo tana reo ereo. 3 Hahazo anizay tana zay ba ho fonegnany reo Levita. Gny firofam-bilo dra ho anigny biby teza, gny agnondry aman'osiny, dra rewo biby aby. 4 Gny firofambilo magnodidy gny tana ze homenao reo Levita dra hihitasy arivo hakiho manoamboky eo aminigny mandanigny tana isaky gny lalan'aby 5 Handrefy ro arivo eo ambalikigny tana aminigny lafiny asignana hanao, dra roarivo hakoho aminigny lafiny andrefa , dra roarivo hakiho aminigny lafiny avarasy. Ho firoafam-bilo ho an'ereo tanany zay. Gny tana dra ho eo agnevony. 6 Gny enina amin'ereo tana zay homeanao reo Levita dra atoka ho tana fialofa. Ao homendrareo ho toera hahafahan'ereo olo zay namono olo mandositry reo. Hagnome tana ro amby efa-polo hafa avo koa. 7 Gny tana zay nomeanao reo Levita dra hiisa valo amby efa-polo. Ao homenao anazy reo miaraky aminigny firaofam-bilo zay. 8 Gny lahibegny vahoakan'Israely , dra foko ze mana tany lahibe , dra sy maisy hagnome tana lahibe. Gny foko kely hagnome tana kely. Gny foko kirairaiky dra sy maisy hamasy ho an'ereo Levita araky gny fizara zay fa nirambesyny aby.'' 9 Dra nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao ho: 10 '' Mizaka amin'ereo vahoakyn'Israely dra zakao anazy reo ho: 'Raha misaky eo amin'i Jordana ho agny ainigny tany Kanana iandrareo, 11 Dra ao hifily tana hanopo manahaky tana fialofa ho anao, toera handosira ho anizay namono olo sy nahy. 12 Ho fialofa ho andrare aminigny pamaly faty anizay tana zay, ba sy ho maty mandra-pisangany hisaray eo anoloagny fiaraha-mony gny voapanga. 13 Ao hifily tana enina ho tana fialofa iandrareo. 14 Sy maisy magnome tana telo ao an-dafin'i Jordana vo tana telo ao aminigny tany Kanana iandrareo. Ho tana fialofa reo. 15 Ho an'ereo vahoakan'Israely, ho an'ereo vahiny, ho anizay mony eo amindrareo, reo tana anina reo dra hatoka ho fialofa ho anizay aby namono olo sy nahy mandositry. 16 Fa raha namely gny lasibany taminigny fitova vy gny olo voapanga, dra raha maty gny lasibany, dra ho pamono olo vatany gny voapanga. Ao ho atao maty vatany izy. 17 Raha namely gny lasibaly taminigny vato tegny an-tanany zay mety hahafaty gny voapanga, dra raha maty gny labibany, dra ho pamono olo vatany gny voapanga. Ho atao maty vatany izy. 18 Raha namely gny lasibany taminigny fitovam-piady hazo zay hahafaty anazy gny voapanga, dra maty gny lasibany, dra ho pamono olo vatany gny voapanga. Ho vono vatany izy. 19 Gny pamaly ra dra mety hamono gny pamono olo. Raha mifakatozy aminazy izy, dra hamono anazy gny pamaly ra. 20 Raha mamely gny hafa aminigny fakahala na manipy raha aminazy izy, raha mivony mba hanitriky hamely anazy , dra ho maty gny lasibany, 21 na raha mamely anazy amy fakahala amy tanany ka mahafaty gny lasibatra dra ho vono vatany gny voapanga zay namely anazy. Mpamono gny olo izy. Gny pamaly ra dra hamono gny pamono olo raha mifanena aminazy izy. 22 Fa raha mamely gny lasibatra tapoky gny olo voapanga ka sy nisy fagnomana mialoha noho gny fakahala na mitoraky raha zay hamely gny lasibatra ka sy niandriandry nanotriky 23 na raha mitoraky vato zay mety hahafaty gny lasibatra nefa sy hitany gny lasibatra gny voapanga; sy nitalia handratra gny niharam-boy izy. Fa manahaky zao gny atao raha maty gny lasibatra. 24 Aminigny toe-draharaha zay, dra hisara gny voapanga vo gny pamaly ra amy fototr'ereo lalana reo gny fiarahamony. 25 Sy mamozy gny voapanga aminigny fahefagny pamaly ra gny fiaraha-mony. Gny fiaraha-mony dra sy maisy hamery gny voapanga agny amy tana fialofa zay nandosirany tagny am-boalohany. Hony agny izy mandra-pahafatigny pisoronabe aminizay fotoa, gny tokana zay voahosotry taminigny dililo masy. 26 Fa raha moboaky amy fotoa traha mihoasy gny farosy gny tana fialofa ho agny amizay nandosirany gny voapanga, 27 dra raha hitagny pamaly ra agny ambaliky farisy gny tana fialofany, dra raha mamono gny olo voapanga izy, gny pamaly ra dra sy ho hahy ho mpamono olo. 28 Zay dra noho gny tokony nitoerany gny olo voapanga teo amy tana fialofany mandra-pahafatigny mpisorom-be. Tafany fahafatesa gny mpisorom-be , gny voapanga dra hihery agny aminigny tany ze misy gny fanagnany manoka. 29 Zay lalana zay dra ho lalana ho andrareo aminigny taranaky gny vahoaky aby agny aminigny toera aby zay honenandrareo. 30 Na eza na eza dra hovo, araky gny voamariky zakan'ereo vavolombelo. Fa zaka gny vavolombelo raiky moza dra sy afaky gny hahavy gny olo raiky ho vono ho maty. 31 Dra , ao sy haneky gny vilim-pagnavota ho agn'ny ay gny pamono olo zay meloky noho gny famonoan'olo iandrareo. Sy maisy vono vatany izy. 32 Ao sy hagneky gny vilim-pagnavota ho agny olo zay mandositry agny aminigny tana fialofa iandrareo. Ao sy ho amizay fomba zay gny hamelanao anazy ao aminigny fitoerany mandra-pahafatign'ny pisorom-be. 33 Ka loto aminizay fomba zay gny tany zay onenanao, satria gny liony pamono olo no mndito gny tany. Sy misy fagnavota go agny tany raha lasaky aminigny tany gny liony, afa-sy aminigny lion'izy nandasaky anizay. 34 Dra ao sy handoto gny tany zay onenendrareo iandrareo satria mony ao aminizay zaho. Zaho, Yaveh, dra mony eo amy vahoakan'Israely.'''