Toko faha 25

1 Nibevoka tagny Sitima gny Israely, dra nanomboky nizangazanga tamin'ereo ampelan'i Moaba reo lelahy, 2 fa reo Moaba nanasa gny vahoaky ho amy soro ho an'ereo zagnaharin'ereo. Ka dra nihina vo niankohoka tamin'ereo zagnahary gny Moabita gny vahoaky. 3 Nagnatevin-dahara taminigny fanompoa an'i Bala Peora reo lelahin'Israely, ka nirehisy tamin'Israely gny hahorian'i Yaveh. 4 Ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Vonoy avo koa reo mpitariky gny vahoaky ka ahatogny eo anatrehako izy reo ba hampiharihary anazy reo amy andro, zay dra ba hiala amin'Israely gny firehisy gny hahoriako.'' 5 Koa dra ho Mosesy tamin'ereo mpitariky gny Israely ho:''Gny kirairaiky amindrareo dra sy maisy hamono gny olony ze nagnatevin-dahara tamy fanompoa an'i Bala Peora.'' 6 Avy eo nagnato gny raiky tamin'ereo lelahin'Israely ka nanday ampela Midianita raiky tamy fianakaviany. Niseho teo amason'i Mosesy vo gny fivondrognany vahoakan'Israely aby zay, raha bo nitomagny teo amy filirany tragno-lay fihaona izy reo. 7 Nony hitan'i Finehasa zanadahin'i Eleazara zanadahin'i Arona mpisoro zay, dra nisanga avy teo amy fivondrona izy dra nandramby lefo tegny an-tagnany. 8 Nagnaraky reo lelahy Israelita tao agnatiny tragno-lay izy ka nagnasatoky gny lefo tamy vatan'ereo, na gny lelahy Israelita na gny ampelany. Koa dra nizano gny areti-mandringa ze nalefan'Agnahary tamy vahoakan'Israely. 9 Niisa efasy arivo vo ro aly reo matinigny areti-mandranga. 10 Nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao ho:'' 11 I Finehasa zanadahin'i Eleazara zanadahin'i Arona mpisiro, fa nanaisotra gny fahoriako taminigny zotom-poko tamin'ereo izy. Koa dra sy nitely gny vahoakan'Israely taminigny fahasiahako zaho. 12 Noho zay zakao ho:'Yaveh mizaka ho:''Indro, magnome fanekem-pihavana an'i Finehasa zaho. 13 Ho anazy vo gny tarananmy mandimby anazy, ho fifanekam-pisoro sy manam-pahatapera zay satria nana zotom-po ho agny vahoakan'Israely izy.''''' 14 Gny agnaranigny lelahy Israelita ze novono niaraky taminigny ampela Midianita dra Zimry zanak'i Salo, mpitariky gny fianakavin-draza tamin'ereo Simeonita. 15 Gny agnarany gny ampela Midianita ze nivono dra Kosby zanak'i Zora, zay loholony gny foko vo fianakavia tany Midiana. 16 Ka dra nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh nanao ho:'' 17 Reso tahaky gny fahavalo gny Midianita ka tafio izy reo m 18 satria izy reo nandray andrareo tahaky gny vafavalo taminigny fitak'ereo.Nitariky andrareo tamy rasy izy reo gny momban'i Peora vo gny momban'i Kosky anabavin'eteo, gny zanaky mpitariky tagny Midiana, ze nivono tamy andro gny areti-mandrinaga taminigny raharahan'i Peora.''