Toko faha 2

1 Niresaky tamin'i Mosesy vo Arona draiky i Yaveh. Ho Izy ho: 2 ''Reo Israelita kirairaiky aby dra sy maisy mitoby magnodidy gny vondrony avy , miaraky amin'ereo fagnevany gny ankohonan-dran'ereo. Hitoby magnodidy gny lafiny tragno-lay fihaigna aby izy reo. 3 Reo hotoby egny asignanany tragno-lay fihaogna, ze hiposahany gny masoandro,dra izy reo gny tobin'i Joda dra mitoby araky gny vondrony izy reo. Nasona zanadahin'i aminadaba gny mpitariky gny vahoakan'i Joda. 4 Gny isanigny vahoakan'i Joda dra 74. 600. 5 Gny fokon'Isakara dra sy maisy mitoby mariny eo amy Joda. Natenela zanadahin'i Zoara dra sy maisy mitariky gny tafik'Isakara. 6 Lelahy 54. 400 gny tao amy fizarany. 7 Gny fokon'i Zebolona dra sy maisy mitoby eo anilan'Isakara. Eliaba zanadahin'i Helona gny sy maisy mitariky gny tafik'i Zeboalona. 8 Miisa 57. 400 gny ao amy fizarany. 9 Miisa 186. 400 gny isany tobin'i Joda aby . Izy reo gny halaky volohany. 10 Agny amy ilany asimo gny hisy tobin'i Robena araky gny vondrony. Gny mpitariky gny tobin'i Robena dra Elizora zanadahin'i Sedera. 11 Miisa 46. 500 gny ao amy fizarany. 12 Mitoby eo agnilan'i Robena i simeona. Gny mpitariky gny vahokan'i Simeona dra i Selomiela zanadahin'i Zorisaday. 13 Niisa 59 . 300 gny tao amy fizaran'ereo. 14 Gny fokon'i Gada dra teo mariny teo. Gny mpitariky gny vahoakan'Agnahary dra i eliasafa zanadahin'i Roela. 15 Miisa 45.650 gny ao amy fizarany. 16 Miisa 151. 450 reo aby mitoby ao amin'i Robena araky gny fizarany avy. Izy reo dra halaky faharo. 17 Magnaraky anizay, gny tragno-lay fihaogna dra sy maisy moboaky gny toby miaraky amin'ereo Levita eo agnevonigny toby aby. Tokony hiboaky gny toby aray gny filahara niliran'ereo tao amy toby izy reo. Gny lelahy aby dra tokony ho eo amy toerany aby, araky gny fagnevany. 18 Reo fizarany gnt tobin'i Efraima dra eo ambanigny vondron'ereo. Gny mpitariky gny vahoakan'i efraima dra i Elisana zanadahin'i Amihoda. 19 Miisa 40.500 gny ao amy fizarany. 20 Eo agnilan'ereo gny hisy gny fokon'i Manase. Gny mpitariky an'i Manase dra i Gamaliela zanadahin'i Pedazora. 21 Miisa 42. 200 gny ao amy fizarany. 22 Eo agnilany gny misy gny fokon'i Benjamina. Gny mpitarik'i Benjamina dra Abidana zanadahin'i Gideony. 23 Miisa 35. 400 ao amy fizarany. 24 Miisa 108. 100 reo aby mitoby ao Efraima. Izy reo gny halaky fahatelo. 25 Avarasy agny gny hisy gny fizarany tobin'i Dana. Gny mpitariky gny vahoakan'i dana dra i Ahiezera zanadahin'i Amisaday. 26 Miisa 62.700 gny ao amy fizarany. 27 Gny vahoaky gny fokon'i asera dra nitoby teo agnilan'i Dana. Gny mpitariky gny vahoakan'i Asera dra i Pagiela zanadahin'i okrana. 28 Miisa 41. 500 Gny ao amy fizareany. 29 Teo agnilany gny fokon'i Naftaly. Gny mpitariky an'i Naftaly dra i Asira zanadahin'i Enana. 30 Miisa 53. 400 gny ao amy fizarany. 31 Miisa 157. 600 ereo aby nitoby niaraky tamin'i Dana. Izy reo gny hanaky ao amy toby farany, eo ambanigny fagnevan'ereo.'' 32 Reo gny isan'ereo Israelita araky gny fiabakavian'ereo. Reo aby voaisa tao amy tobin'ereo, araky gny fizaran'ereo dra 603. 550 . 33 Fa Mosesy vo i Arona dra sy nagnisa reo Levita tao amy vahoakan'Israely. Zay dra araky gny fa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 34 Gny vahoakan'Israely dra nanao ze raha nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Nitoby araky reo fagnevany izy reo. Niboaky gny toby araky gny fokony izy reo, araky gny filahara gny fianakaviany razambeny.