Toko faha 14

1 Tamy zay andro zay dra nitomagny fatrasy gny fengona aby. 2 Nagnarasy an'i Mosesy vo Arona gny vahoakan'Israely iaby. Ho agny fengona aby tamin'ereo :'' Dra be maty tagnya amy gny tany Egypta, na etahoky amign'ny efisy tihoky! 3 Nagnino gny nandesa an ay amy tihoky tany itihoky ga ho fatin-sabasy Yaveh? Hazary ho lasibasy amizay gny valinay vo gny zanakay. Moa seky sy soa ho anay gny mihsry agny Egypta?'' 5 Dra nandohaliky tamign'ny tavany teo aloany fivoriagn'ny fengonagn'ny vahoak'Israely aby i Mosesy vo i Arona. 7 Nizaka tamign'ny fengona gny vahoak'Israely aby reo. Ho ereo:'' Gny tany nandehananay sady nifilianay dra tany soa vatany. 8 No mahasiky asika Yaveh, dra handay asika agny amigny tany zay sady hagnome ho asika ereo. Dra tany tondraky ronono vo tately. 9 Fa ka mialy amin'i Yaveh, sady ka matahosy gn'ologn'ny tany. Handevo andrareo maro avo manahaky gny hany sika. Ho ala amin'ereo gny fiarova anzy reo , satria momba sika Yaveh. Ka matahosy anazy reo.'' 10 Fa mapitahosy hinday vato andreo gny fengona aby. Dra niseho tao amign'ny tragno-lay fihaona tamign'ny vahoak'Israely aby gny voninahitr'i Yaveh. 11 Ho Yaveh tamin'i Mosesy: '' Mandraky ombia gny hanovany vahoky itho sinosino anahy? Mandraky ombia gny sy hatokin'ereo anahy, na dra teo avo reo famatara gny heriko aby zay fa nataoko teo amin'ereo? 12 Hazera anereo amign'ny areti-mandringa zaho, sy hampando anazy reo , dra hananga firenena zay ho lahibe vo mahery noho ereo laha tagny fokonao avo zaho.'' 13 Ho Mosesy tamin'i Yaveh:'' Raha manao anizay Ianao, dra hahare gny momba anizy gny Egypta, satria fa namozy itiho vahoky itiho tamin'ereo tamy herinao Ianao. 14 Hilaza anizay amin'ereo pony itihoky tany itiho ereo . Fa renereo fa Ianao ,Yaveh, gny miaraky amitiho vahoaky itiho. Nizoro teo amy vahoakinay gny rahonao. Nialoha anazy reo tamign'ny andry raho Ianao gny andro dra tamy andry fao gny hariva. 15 Amizao no mamono itiho vahoaky itio tahaky gny olo raiky Ianao, dra hizaka reo firenana zay nahare gny zakanao dra hanao ho: 16 ' Satria sy nahavita nanday itiho vahoaky itiho tagny amy tany zay nianiany homehy anazy reo Yaveh, dra novony tagny an'efisy reo.' 17 amizao, mitalaho Aminao zaho ampiasao gny herinao lahibe. Fa nizaka Ianao ho: 18 'Sy malaky hory Yaveh dra sy mivaliky faneke. Mamela heloky vo fahota Izy. Sy mbo magnamary gny meloky Izy fa mamaly gny fahotagn'ny razambe amign'ny taranak'izy reo, dra amign'ny taranaky fahatelo vo fahefasy.' 19 Mamela, mitalaho Aminao zaho, gny fahotan'itiho vahoaky itiho noho gny halahibagn'ny famindram-ponao, tahaky gny fa namelanao mandrakariva itiho vahoaky itiho nanomboky tamign'ny fotoa naha-tany Egypta anazy mandraky amizao.'' 20 Ho Yaveh: '' Fa namela anazy reo amign'ny fanatateraha gny fangatahanao , 21 Nefa mary vatany, raha velo koa zaho, dra ho feno gny vininahisiko koa gny tany aby, 22 reo olo aby ze nahita gny voninahisiko vo gny famatara gny hery zay nataoko tany Egypta vo tany an'efisy reo- dra mbo nangalaky fagnahy anahy impolo anizay izy reo dra niteno gny feoko. 23 Ko dra magnambrara zaho fa sy hahita gny tany ze fa niaignako tamin'ereo razambeny vatany reo. Sy hisy na raiky amin'ereo ze nanao sinosino anahy hahita anizy, 24 afa-sy i Kaleba panopoko, satria mana fagnahy hafa izy . Fa nagnaraky anazy tateraky izy; dra hinday anazy ao amign'ny tany ze nandehanany hosafoy . Hangalaky anizay ho fanagnagny reo taranakiny. 25 ( Voreo Amalekita vo Kananita dra nony tany an-dohasaha.) Mihery ka mandeha agny an'efisy amign'ny lalana magnagny amign'ny Ranomasy Mena maray.''' 26 Nizaka tamin'i Mosesy vo Arona Yaveh. HoIzy: 27 ''Mandraky ombia gny handeferako itiho fengona rasy zay manakiha anahy itiho? Fa reko gny fitaraignagn'ny vahoakagn'ny Israely gny Aminahy. 28 Lazao amin'ereo ho: ' Raha velo koa zaho',ho Yaveh ,'araky gny nizakandrareo teo an-sofiko, gny hanovako zao amindrareo: 29 Hiapasy agny an'efisy gny fatindrareo , dra iandrareo aby zay nitaray aminahy, iandrareo zay voaisa tamign'ny fagnisam-bahoaky, gny fitambaran'isagn'ny olo roapolo tao no ho miakasy. 30 Sy hilisy agny amign'ny tany zay nampanatenaiko hatandrareo fonena vatany iandrareo, afa-sy Kaleba zanak'i Jefone vo Josoa zanak'i Nona. 31 Nefa gny zanandrareo zay zakandrareo fa ho lasizasy, dra andesiko milisy ao amy tany izy reo. Hiay agny amign'ny tany zay nindagnandrareo reo! 32 Dra gny amindrareo, hiapasy agny an'efisy gny fatindrareo. 33 Ho mpiamby agnondry agny an'efisy mandrisy gny efapolo tao reo zanakindrareo. Sy maisy hizaka gny vokasy gny asa fikomiandrareo mandra-pahafatinadrareo agny an'efisy reo. 34 Manahaky gny isagn'ny andro zay nisafoandrareo gny tany- efapolo andro, dra sy maisy hizaka gny vokatry gny fahotandrareo mandrisy gny efapolo tao manahaky anizay koa indrareo - heritao ho agn'ny raiky andro, dra ho fatandrareo ho nagnino zay ho fahavaloko zay. 35 Zaho, Yaveh, gny fa nizaka. Hataoko ho an'itho fengona rasy zay miara-miango hanohisy anahy itiho vatany zay. Hofongory tateraky ereo , ka ho maty eto.''' 36 Dra reo lelahy ze nirahin'i Mosesy mbo hagnity gny tany 37 dra matign'ny areti-mamono teo anatrehan'i Yaveh avo koa. Reo dra gny lelahy zay nihery ka nitati-drasy momba gny tany. Izy gny nampitaray gny fengona aby gny amin'i Mosesy. 38 Amin'ereo lelahy zay nandeha mbo hagnety gny tany, dra i Josoa zanak'i Nona vo Kaleba zanak'i Jefone avo gny sisa velo. 39 No fa nitatisy reo zaka reo tany gny vahoak' Israely aby i Mosesy , dra nalahelo fatrasy izy reo. 40 Nifoha maraimdray be izy reo ka nagnagny an-tampotendrombohisy dra nanao ho: '' Indro , tahiky izahay , dra handeha ho agny amign'ny toera zay nampanatenan'i Yaveh , fa nagnota izahay.'' 41 Ho Mosesy:'' Nagnigno iandrareo gny mandiky gny didin'i Yaveh amizao? Sy hahomby iandrereo. 42 Ka mandeha, satria sy momba andrareo hanaka andrareo sy ho resign'ny fahavalondrareo Yaveh. 43 Agny reo Amalekita vo reo Kananita, ka ho mati-sabasy iandrareo satria fa nihodiky tamign'ny fagnaraha an'i Yaveh iandrareo. Koa sy homba andrareo Izy.'' 44 Raha nahavany niakasy tagny amign'ny tany havoa reo; na izay aza, dra sy niala tao an-toby na i Mosesy na gny fiaragn;ny fanekan'i Yaveh. 45 Dra nizoso reo Amalekita, vo reo Kananita zay mipetrakt tao amign'ereo havoa reo koa . Nanafiky reo Isrealita vo nandresy anazy reo tegny an-daka magnangny Horma aby reo.