Toko faha 13

1 Dra nizaka tam'i Mosesy i Yaveh. Ho Izy ho: 2 ''Mandefasa lelahy marpmaro mba hizaka gny tany Kanana, ze nomeko gny vahoakan'Israely. Mandefasa lelahy raiky aby amign'ny fokogn'ny razamben'ereo aby. Reo lelahy kirairaky dra sy maisy pitariky eo amin'ereo eo.'' 3 Nandefa an'ereo lahatagny an'efisy parana i Mosesy, mba hahafahan'ereo magneky gny didin'i Yaveh. Ereo aby dra samby pitariky teo amign'ny vahoakan'Israely . 4 Dra tahoky gny agnaran'ereo; lahatagny fokon'i Robena dra i Samoa zanadahin'i Zakora; 5 lahatagny fohon'i Simeona dra i Safata, zanadahin'i Hory; 6 lahatagny fokon'i Joda dra i Kaleba zanadahin'i Jefone; lahatagny fokon'i Isakara dra i Jigala zanadahin'i Josefa; 8 lahatagny fokon'i Efraima dra i Hosea zanadahin'i nona; 9 laha tagny fokon'i Benjamina dra i Palty zanadahin'i Rafo; 10 laha tagny fohon'i Zebolona dra i Gadiela zanadahin'i Sody; 11 laha tagny fokon'i Josefa zay midika ho laha tagny fokon'i Manase dra i Gady zanadahin'i Sosy; 12 laha tagny fokon'i Dana dra i Amiela zanadahin'i Gemaly; 13 laha tagny fokon'i Asara dra i Setora zanadahin'i Mikaela; 14 laha tagny fokon'i Naftaly dra i Nady zanadahin'i Vofsy; 15 laha tagny fokon'i Gada dra i Geola zanadahin'i Maky. 16 Roe gn'agnaran'ereo lelahy ze nalefan'i Mosesy mbo hizaka gny tany. Notovavin'i Mosesy tamign'ny agnaran'i Josoa i Hosea zanadahin'i Nona. 17 Nandefan'i Mosesy mbo hizaka gny tany Kanana ereo. Ho izy tain'ereo ho:'' Milira laha tagny Negeva dra miakara agny amign'ny tany agnabo. 18 Ateo gny tany mbo hahita ho manao akory. Dinihogny olo mitoboky ao, na matazaky na malemy, dra keliky dre maro. 19 Atio gny toesy gny tany ipetrahan'ereo. Soa ra zay na rasy? Tana ino gny ao? Manahaky gny toby ra izy reo, sa tana mimanda? 20 Ateo gny toesy gny tany, raha soa ho agn'ny fambole na rasy, dra raha misy hazo misiry ai na sy misy. Mehereza dra mandesa famatarany amy gny vokasy gny tany.''Zay fotoa zay dra fotoagn'ny voloham-boaloboky masaky. 21 Dra niakasy reo lelahy an'efis'i Sina hatragny Rehoba, agnilan'i Lebo Hamata. 22 Niakasy laha tagny Negeva ero dra avy tagny Hebrona. Ahimana, sesay, dra Talmay, reo foko avy amin'i Anaka dra tao. Dra Hebrona dra fa tafasanga fito tao mialohan'i Zoana agny Egypta. 23 No fa avy tao amign'ny lohatanin'i Eskola ereo, dra nanapaky sampam-boaloboky. Nitarazony ro tamin'ereo tamign'ny tehy izy. Nanday ampongaben-dagnisy vo aviavy avo koa izy reo. 24 Zay toera zay dra nitokaviny ho Lohasahan'i Eskola, noho gny sampam-boloboky zay notapahign'ny vohoakan'Israely tao. 25 Afaky efapolo andro, dra nihery laha tagny am-pignatia gny tany izy reo. 26 Nihery tagny amin'i Mosesy , Arona, dra ereo fivondronagn'ny vahoakan'Israely tagny an'efis'i Parana, tany Kadesy izy reo. Ninday vali-zaka tamin'ereo vo tamin'ereo fivondrona iaby, dra naneho tamin'ereo gny vokasy bak'ao amigny tany izy reo. 27 Ho ereo tamin'i Mosesy ho: ''Avy tagny amign'ny tany zenagnirahananao anay izahay. Tena tondraky ronono vo tately tokoa vatany zay. Itaho gny apahany tany gny vokasy laha tagny tao. 28 No zay aza, reo olo ze manao gny tobin'ereo ao dra matazaky. Gny tana dra mimanda sady midadasiky . Nahita tana taranak'iAnaka tao avo koa izahay. 29 Reo Amelekita mony agny Negeva. Reo Hetita, Jebosita, dra reo Amorita dra magnory gny tragn'ereo agny amign'ny tany havoa. Reo Kananita dra mony egny amoron-dranomasy vo magnaraky gny ony Jordana.'' 30 Sady Kaleba napiegny reo vahoaky ze zay teo anatrehan'i Mosesy ka nanao ho:'' Ao izahay hiakasy dra hagnalaky gny tany ho fanagna, satria vitasika tokoa gny mandresy anizay.'' 31 Fa reo lelahy hafa zay niaraky tamin'ereo nanao ho:''Sy vitasika gny hanafiky reo vahoaky satia matazaky noho isika izy reo.'' 32 Ko dra nagnely tatisy mahahivy tamign'ny vahoak'Israely gny tany zay aby natiany nereo. ho izy reo ho: ''Gny tany natiany dra tany mihina gny gn'olony. Gny olo aby ze hitanay dra lahibe sady matazaky aby. 33 Nahita reo olo lahibe tao zahay taranaki;i Anaka, gn'olo laha tagny lahibe. No fagnetianay manoka dra manahaky gny valala isika raha apitaha amin'ereo, sady zay koa zahay no gny fagnetian'ereo.''