Toko faha 11

1 Dra nitaray momba gny olon'izy ireo gny vahoaky gny niteno Yaveh. Nahare ireo olo Yaveh dra nazary ory. Nisy afon'i Yaveh nagnoro anazy ireo dra nandevo gny sasany tamin'ireo toby amorony. 2 Avy eo dra nitoka an'i Mosesy ireo vahoaky, dra nivavaky tamin'i Yaveh i Mosesy, dra nisahasy gny afo. 3 Nitokavy ho Tabera izay toerana izay, satria nirehisy teo amin'izy ireo gny afon'i Yaveh. 4 Nanomboky niara-nitoby tamigny taranak'Israely gny sasany tamin'ireo hafa firenena. Nagniry gny hihina sakafo soa kokoa izy ireo, Dra nanomboky nitomagny ireo vahoakin'Iraely dra nanao ho: ''Iza gny hagnome sakafo hohaninay? 5 Saroanay gny fia izay nihaninay maimaipoana tagny Egypta, ireo kokombra, ireo votavo, ireo tolongo raviny, ireo tolongo, dra gny tolongo gasy. 6 Akehitriny lasa gny homasika, satria gny hany hitasika dra itihoky mana itihoky.'' 7 Gny mana dra toy gny voan-drafy. Miendriny toy dinti-kazo izay. 8 Nandeha niodidy ireo olo dra nanangona izay. Nitoton'izy ireo tamin'ny fikosoham-bary izay, nototoina tamigny laona, napandevezy tao agnaty vilagny, dra natao mofomamy. Nitovy siro tamigny menaky oliva vaovao izay. 9 Gny nilasaky teo amigny toby gny ranon'ando gny hariva, dra nilasaky avo koa gny mana. 10 Nahare ireo olo nitomagny tao amigny fianakavian'izy ireo Mosesy, dra gny lelahy aby dra teo amigny fidirana ho agny amigny lainy. Ory fatrasy Yaveh, dra diso teo amason'i Mosesy gny fitaregnan'izy ireo. 11 Hoy Mosesy tamin'i Yaveh ho: ''Nanaoakory hanao gny mapizaly gny panoponao? Nanaoakory hanao gny sy faly aminahy? Nampandesinao gny enta-mavesas'ireo olo aby ireo zaho. 12 Izaho se gny namoro ireo olo aby ireo? izaho se gny niteraky anazy ireo gny hizakanao aminahy ho: ''Trotroy eo atratranao manahaky gny fitrotron'ny raiky zaza izy ireo?'' Tokony hinday anazy ireo agny amin'ilay tany izay napanatenanao home gny razamben'izy ireo se zaho? 13 Eza gny ahitako sakafo amona ity vahoaky aby tihoky? Nitomagny eo alohako izy ireo dra mizaka ho: ''Omeo sakafo ho hany izahay,'' 14 Sy afaky gny hilaza ireo olo ireo zaho. Be loasy hon'ahy izy ireo. 15 Satri andesinao manahaky izay zaho, dra vonoy zaho anio, gny tia anahy hanao, dra alao aminahy gny fahoriako.'' 16 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy ho: ''Hitodray loholon'Israely fito-polo zaho. Atovy azo antoky fa loholona vo manam-oninahisy gny vahoaky tokoa izy ireo. Andeso ao amigny tragno-lay fihaogna izy ireo ba hiara-hizoro aminao. 17 Hizoso dra hizaka amidrareo agny zaho. Hangalaky gny sasany amin'ireo fagnahy izay ao aminao zaho dra hametraky izay amin'azy ireo. Hiara hilaza gny aeta-mavesas'ireo vahoaky hidray aminao izy ireo. Sy hiday izay raiky hanao. 18 Zakao amin'ireo vahoaky ho: ''Manokana tegna hadrareo, ho amigny maraindray dra hihinana hena tokoa hadrareo, satria nitomagny hadrareo dra tenon'i Yaveh, Hanao nizaka ho: ''Iza gny hagnome hena hohaninay? Soa taminay gny tany Egypta.'' Noho izay Yaveh dra hagnome sakafo ho adrareo, dra hihina izay hadrareo. 19 Sy hihina sakafo madrisy gny androny raiky, roa andro dimy andro, folo andro, na ro-polo andro avo hadrareo, 20 Fa hihina sakafo madrisy gny volaniraiky manotolo madra-piboahan'izay egny amigny lavakoro-drareo. Hahasiravina adrareo izay satria nanda an'i Yaveh, izay eo amidrareo. Nitomagny teo agnatrehany hadrareo.Hoy hadrareo ho: ''Nanaoakory izahay gny nandao an'i Egypta?'''''' 21 Dra hoy i Mosesy ho: ''Midray amigny olo 600.000 zaho hoy hanao ho: ''Hagnome sakafo ho hanina hon'azy ireo zaho madrisy gny volaniraiky.'' 22 Tokony hagnome ireo agnondry miaraky amigny Osy vo gny agnomby se izay izahay hapifaliana anazy ireo? Tokony hazano gny fia aby ao agnaty ranomasina se izahay ba hapifaliana anazy ireo?'' 23 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy ho: ''Fohy se gny vatako? izao dra hohitanao raha marina gny zakako na sia.'' 24 Niboaky Mosesy dra nizaka tamin'ireo vahoaky gny zakan'i Yaveh. Nagnango loholona fito-polo tamin'ireo vahoaky izy dra nandahasy anazy ireo nagnodidy gny lay. 25 Nizoso avy egny amigny rahona Yaveh dra nizaka tamin'i Mosesy,. Nangalaky gny fagnahiny sasany izay tao amin'i Mosesy i Yaveh dra nametraky izay teo amin'ireo loholona fito-polo. Gny nitoetra tao amin'izy ireo fagnahy, dra naminany izy ireo, saingy tamin'io fotoa io avo koa fa sy nihery sasy, 26 Lelahy ro gny nizano tao amigny toby, nitokavy hoe Eldada vo Medada. Nitoetra tao amin'izy ireo avo koa ilay fagnahy. Gny agnaran'izy ireo dra voasorasy tao amigny lisitra, saingy sy niboaky gny lay izy ireo. Na dre izay aza, naminany tao amigny toby izy ireo. 27 Nisy tovolahy raiky tao amin'ilay toby nilomay dra nizaka tamin'i Mosesy ho: ''Eldada vo Medada dra maminany ao amiygny toby. 28 Josoa zanak'i Nona, pagnapin'i Mosesy, raiky tamin'ireo lelahy voafiliny, dra nizaka tamin'i Mosesy ho: ''Ry Mosesy tompoko, sakano izy ireo.'' 29 Hoy Mosesy taminazy ho: ''Saropiaro nohon'ny aminahy se nahao? Magniry zaho raha ba paminany avokoa gny vahoakin'i Yaveh aby dra hametraky gny fagnahiny amin'izy aby ireo izy!'' 30 Avy eo Mosesy vo ireo loholon'Israely nihery tao amigny toby. 31 Avy eo dra nisy rivosy avy agny amin'i Yaveh dra ninday Papelika avy agny agnaty ranomasina. Nilavo teo agnilan'ny toby ireo, teo amigny lalana raiky andro tagny amigny andaniny dra lalana androniraiky tagny amigny ankilany. Nagnodidy gny toby ireo Papeliky teo amigny ro akino agnabon'ny tany. 32 Sahira ireo lo nanagona ireo Papeliky tami n'izay andro izay, gny hariva manotolo, dra gny andro magnaraky. Sy nisy nanangona Papelika gny folo homera. Nizara ireo Papelika nanera gny toby aby izy ireo. 33 Gny bo teo agnelagnelan'ny nifin'izy ireo gny sakafo, gny bo nisako izay izy ireo, dra tezisy tamin'izy ireo Yaveh. Nagnenga ireo olo tamigny aretiny lahibe izy. 34 Nitokavy hoe Kibdrota Havata izay toerana izay satria tao gny nandevegnan'izy ireo gny olo izay nagniry hena fatrasy. 35 Niala avy agny Kibrota Havata ireo olo ba ho agny Hazerota, izay nizanognan'izy ireo.