Toko faha 2

1 Loza ho anize mamoro-keloky, ho anize mandrafisy gny hanao rasy eo apandriany. Aminigny maray gny anovan'ereo anizay akory mana fahefan'ereo. 2 Magniry saha ereo dra giazany zay; magniry tragno ereo dra mangalaky anizay. Mapahory olo vo gny akohonany ereo, dra olo vo gny lovany. 3 Niho zay dra izao gny zakan'i Yaveh ho: "Ingo, fa minday loza hamely anizay fianakavia zay Zaho, ze sy hangalandrareo gny tendrandrareo. Sy handeha ami-piavognavogna handrareo, akory dra ho fotoa rasy zay. 4 Amizay andro zay dra hivety hira momba andrareo reo fahavalondrareo, dra handala aminigny hira fandala. Ereo hihira ho: 'Rava tateraky zahay Israelita; Yaveh magnova gny faritaninigny vahoako. Nagnino gny hangalany anizay aminahy? Mizara reo sakanay ho an'ireo pamadiky Izy!"' 5 Noho zay, handrareo ry panakarena dra sy ba hana taranaky hizara gny faritany aminigny loka ao aminigny fengonan'i Yaveh. 6 "Ka maminany," hoy ereo. "Aoky ereo sy haminany reo raha reo; aoky sy ho avy gny fahafam-baraka." 7 Ry taranak'i Jokoba, moa tokony zaka vatany ra zao ho: "Ory ra gny Fagnahin'i Yaveh? Moa tena asany ra reo?" Moa sy mapahasoa anizay mandeha mahisy ra gny zakako? 8 Agny afara kely dra hisanga manahaky gny fahavalo gny vahoako. Manala gny tohitegna, gny akazo, egny amize mandalo sy ami-piahia handrareo, manahaky reo miaramila mihery boak'agny agnaly ho agny amize heveriny fa mandry fahalema. 9 Alandrareo amireo tragno tiatiany gny apela vahoako; sitonindrareo aminigny zanak'ereo mandrakizay gny fitahiako. 10 Misangana ka mela, fa sy toera ahafahandrareo mitoby etiky, noho gny fahalotoany; nipotehy taminigny fahapoteha tateraky ty. 11 Raha misy olon'avy agny amindrareo aminigny fagnahinigny favandia vo dra manao anizahoky ho: "Haminany aminao momba gny divay vo raha finomy mahery zaho," dra hahery ho paminany ho anizay vahoaky zay izy. 12 Hamery andrareo aby vatany Zaho, ry Jakoba. Hamory gny sisa amin'Israely vatany Zaho. Hinday anereo manahaky gny agnondry ao aminigny andiany, manahaky gny agnondry maro eo agnevonigny fihinanam-bilony Zaho. Hisy feo fatrasy noho gny fahamaronigny vahoaky. 13 Ze olo mamaky dra manokaky gny lalan'ereo ho anereo dra handeha eo agnoloanereo. Handeha hamaky gny vavahady ereo dra hiboaky; gny pazakan'ereo gny handeha eo agnoloany. Yaveh gny ho pitariky anereo.