Toko faha 28

1 Dra tamy hariva gny Sabata, raha vao nanomboky mangira-drasy gny andro volohany amigny herign'andro , dra nazary nandeha nagnety gny lolo i Maria Magdalena vo i Maria raiky hafa. 2 Indro, nisy horohoro-tany be , fa gny azelign'i topo gny nizoso laha tagny an-dagnisy , dra nipetraky teo ambanin'izay. 3 Gny poziny dra manahaky gny helasy, dra gny akazony dra fosy manaharky gny oram-panala. 4 Dra lasa natahosy reo mpiamby ka nanahaky gny lelahy maty. 5 Niresaky tamin'ereo ampela gny azely dra nizaka tamin'ereo ho: ''Ka matahosy, fatanao fa mitalia an'i Jesosy andrareo, izy nifatsihy tamy hazofizalia. 6 Sy ato Izy , fa nitsanga , araky gny fa nizakany. Avia hatio gny toera ze nandriany topo. 7 Mandehana malaky dra zakao reo mpianany ho: 'Nisanga tamy maty Izy. Indro, fa nandeha nialoha andrareo agny Galilea Izy. Agny gny hahitandrareo anazy. 'Indro , fa voazaka tamindrareo.'' 8 Niala gny lolo malaky ereo noho gny tahosy vo tamy hafalia lahibe ereo ampela, dra nilomalomay ba hizaka reo pianany. 9 Indro, nifakahita tamin'ereo Jesosy dra nizaka ho:''Arahaba! ''Nagnato ampela reo, nita gny tombony dra nidera anazy. 10 Dra laha teo Jesosy nizaka tamin'ereo ho: ''Ka matahosy. Mandehana mizaka amin'ereo rahalahiko ba hiala dra hita an'i Galilia. Agny gny hahitan'ereo anahy.'' 11 Dra raha nandeha igny reo ampela , indro, gnilany tamin'ereo piamby nangnany amy tana-be dra nizaka tamy lohagny pisoro gny raha iaby ze niseho. 12 Fa gny nifakahita tamin'ereo loholo gny pisoro dra niresaky momba gny olana tamin'ereo , dra nagnome vola be an'ereo miaramila ereo 13 dra nizaka anazy reo ho: ''Zakao amin'ereo hafa ho: 'Avy tamy gny andro hariva reo pianasin'i Jesosy dra nangalasy gny vatany raha bo nandry zahay.' 14 Raha avy agny amy governora zay tatisy zay , dra handresy lahasy anazy isika dra hangalaky gny ahiahy amindrareo. '' 15 Dra nalany miaramila gny vola dra nanao araky ze fa nizakany anazy ereo. Dra zay tatisy zay dra nieli- patrana teo amin'ereo Jiosy dra mitohy mandrak Amizao avo. 16 Fa nagnagny Galilea reo pianasy raiky amby folo, tagny amy tendrombohisy ze fa natoron'i Jesosy anazy reo. 17 Fa gny nahita anazy ereo, dra nidera anazy, fa gnilany koa niahiahy. 18 Nagnato anazy reo Jesosy ka niresaky tamin'ereo dra nizaka ho: ''Fa nome anahy gny fahefa iaby agny an-dagnisy vo eto an-tany. 19 Koa mandehana dra atovy avy mpianaso gny firene-drehetra. Atovy batisa ereo amy agnarany ray sy gny Zanaka dra fanahy Masina. 20 Ampianaro ereo hakato gny raha iaby ze nandidiako andrareo. Indro, miaraky amindrareo avo zaho, egny fa na hatramigny fiafaran'izao totolo zao avo.''