Toko faha 9

1 Nitoka gny ro ambinifolo lahy Izy dra nagnome anazy reo gny hery vo fahefana amin'ereo devoly aby dra hagnasita gny arety. 2 Nalefany ereo hitory gny fazakan'Agnahary vo hagnasitra gny marary. 3 Ho Izy tamin'ereo ho:''Ka minday dre ino dre ino amy liandrareo sy misy tehina, sy misy kitapom-basy,sy misy mofo,sy misy vola,dra sy misy akazo fagnapiny. 4 Ze tragno ilindrareo, dra mizano ao mandra-pialandrareo. 5 Dre eza dre eza sy handraisan'ereo andrareo, gny fa miriosy zay tana zay andrareo,dra ahisagno hiala amin'gny tombondrareo gny botany ba fizoroa vavolombelo anohera anazy reo.'' 6 Bak'eo dra lasa ereo dra namakivaky gny tana, nitory gny filazasara vo nagnasitra tegny aby. 7 Dra ren'i Eroda mpanapaky avo koa reo ze nisy aby, dra levo hevisy izy, satria voalazan'gn'ilany fa Jaona mpanao batisa dra nisanga tamin'gny maty, 8 Dra voalaza fa niseho Elia,dra gn'ilany koa mizaka fa raiky tamin'ereo mpaminany fahiny gny nisanga tamin'gny maty. 9 Hoy Eroda hô:''Zaho gny nanapa-doha an'i Jaona, koa iza draiky ze olo andregnesako raha tahaky anizay?''Dra niezaky gny ahita Anazy izy. 10 Gny fa nihery reo apostoly, dra nitata taminazy gny raha aby vitan'ereo . Laha teo nandesiny niaraky taminazy ereo,dra nandeha nitoka ho amy tana tokavy hô Betsaida. 11 Fa vao nahare gny momba anizay gny vahoaky, dra nagnaraky anazy reo gny momban'gny fazakan'Agnahary,dra nagnasitra gny ze nila fagnasitrana Izy. 12 Vo gny fa ho hariva gny andro, dra nagnato anazy ereo ro ambin'ny folodra nizaka ho: "Alefaso andeha reo vahoaky ba afahan'izy ereo mandeha agny amin'ereo tana manodidy vo ambanivohisy ba hahita fandria vo sakafo, satria atiky amigny tany sihisy sika." 13 Fa ho izy tamin'izy reo ho: "Omedrareo raha ho hany izy ereo."Vo nizaka ereo ho: "Sy mana mihoasy noho nignymofo dimy vo fia ro izahay _ raha sy ho mandeha izahay vo mivily hany ho an'ereo olo naby ereo." 14 (Teo dra nisy teo amigny lelahy dimy arivo teo ho eo). Vo nizaka tamin' ereo mpianany Izy ho: "apetraho ho vondro dimampolo isan'isany izy ereo." 15 Ko dra nanao izaho ereo, dra napipetraky ereo vahoaky. 16 Nalako reo mofo dimy vo fia ro, dra niandra gny lagnisy izy, nisaotra ereo dra nizarazarany, dra nagnome ereo mpianasy zao ba ho tolora ereo vahoaky. 17 Nihina izy aby dra afa-po, dra navory ereo sisa sy lany _ nisy potipotiny ro amdimy folo taty. 18 Vo Gnifa nivavaky manoka Jesosy, dra niaraky tamin'ereo mpianasy. Dra nagnotany anazy ereo Izy, nanao ho: "ataon'ereo vahoaky ho izy moa zaho?" 19 Namaly izy ereo ho: "Jaona mpanao batisa. Fa ereo ilany ho Elia, vo ereo ilany mizaka fa nisanga tamigny maty gny raiky tamin'ereo mpaminany fahiny." 20 Vo nizaka tamin'azy ereo Izy ho : "Fa ataonao ho izy moa zaho?" Namaly Petera ho: "Gny kristin'andriamanitra.'' 22 Nanao ho: " Gny Zanak'olo dra sy maisy hizano amigny raha maro vo ho nandagnan'ereo loholo vo lohan'ny mpisoro dra ereo mpanora-dalana, ho vono Izy dra amigny andro fahatelo dra hasangany." 23 Dra ho Izy tamin'ereo aby ho:''Raha misy te hagnaraky anahy,dra sy maisy manda gny zakany izy vo minday gny hazofizaliany isan'andro vo magnaraky Anahy. 24 Dre iza dre iza te hagnavosy gny ainy dra hagnary anizay,fa dre ina dre ina magnary gny ainy noho gny fitiava Anahy dra hagnavosy zay. 25 Ino gny soa azon'gny olo amin'gny fanagna zao totolo zao, kanefa magnary dre mamotiky gny ainy? 26 Fa dre iza dre iza megnasy gny aminahy vo gny zakako, dra ho megnasy anazy koa gny Zanak'olo gny fa amin'gny voninahiny, vo gny voninahisy gny ra vo gny azely masy Izy. 27 Fa zakako mary amindrareo,fa gn'ilany amin'ereo ze misanga eto dra sy hahita fahafatesa mialohan'gny ahitany gny fazakan'Agnahary.'' 28 Dra valo andro teo ho eo tafaran'gny nizakan'i Jesosy gny zaka reo,dra nandesiny niaraky taminazy Petera vo Jaona dra Jakoba dra niakasy gny loham-bohisy hivavaky. 29 Raha nivavaky igny Izy,dra niova gny endriky gny tarehiny,dra nivaliky fosy mazelazelasy gny akazony. 30 Indro,nisy ro lahy niresaky taminazy, Mosesy vo Elisa, 31 ze niseho tamim-boninahisy mamirapirasy. Niresaky momba gny filany Izy,ze ho andesiny ho taterahy agny Jerosalema. 32 Vo Petera vo gny ze niaraky taminazy dra navesatrin'gny torimaso,fa gny tena taisy tateraky ereo,dra nahita gny voninahiny vo gny lelahy ro ze nisanga niaraky taminazy. 33 Vo gny fa niala nagnalavisy an'i Jesosy ereo,dra ho Petera taminazy ho:''Topo, soa amisika gny mizano eto. Angao zahay hagnamboasy fialofa telo,raiky ho Anao,raiky ho an'i Mosesy, dra raiky ho an'i Elia.''( Sy fatany ze nizakany.) 34 Teo am-pizakany zay izy,dra nisy raho avy nanarona anazy reo,dra natahosy ereo gny fa nilisy tao amin'gny rahona. 35 Nisy feo niboaky laha tagny amy rahona, nanao ho:''Itiho gny Zanadahiko ,gny raiky ze voafily; tenoy Izy.'' 36 Gny fa nizaka gny feo,dra Jesosy raiky gny hita teo. Nita gny fahanginany ereo vo sy nizaka tamin'iza dre iza tamin'izay andro zay gny momba ze hitan'ereo. 37 Vo gny andro magnaraky an'io, gny fa nilisy laha tagny an-dohambohisy ereo,dra vahoaky maro nifakatozy taminazy. 38 Indro, nisy lelahy raiky laha tao amin'gny vahoaky gny nihiaky fatrasy ,nanao ho:''Ry mpampianasy o, mitalaho aminao zaho ba hagnety itiho zanadahiko itiho,fa zanako toka izy. 39 Hitanao, misy fagnahy mibaiko anazy dra mihiaky tapokyizy; mampifanitoa anazy zay dra mampamoaky roasy gny vavany. Sy miala aminazy zay vo mahatorovana tateraky anazy. 40 Nitalaho tamin'ereo mpianasinao zaho ba hangalaky anizay, fa sy afak'ereo.'' 41 Namaly Jesosy dra nanao ho:''Andrareo sy mpino vo taranaky rasy fandesa-vata, hafiriana gny sy maisy hipetrarako miaraky amindrareo vo hiaretako miaraky amindrareo? Andeso etiho gny zanakao lahy.'' 42 Gny fa nagnato gny zaza lahy, dra natoran'gny devoly tamin'gny tany izy dra nampihinjitsinjitra anazy. Fa Jesosy nizaka fatrasy gny fagnahy maloto vo nagnasitra gny zaza lahy, dra namery anazy tagny amin'gny rany. 43 Dra bak'eo kamo avo koa izy aby nahita gny halaiben'Agnahary. Raha gaga tamin'gny raha-iaby nataony igny ereo,dra ho Izy tamin'gny mpianany ho: 44 ''Angao zaka tahoky ho avy laliky ao asofindrareo:gny Zanak'olo dra ho valiha ho eo an-tagnan'olo.'' 45 Fa sy azon'ereo zay fagnambara zay. Zay gny nahazany tamin'ereo,noho zay dra sy azon'ereo gny dikan'izay, dra bo natahosy ereo gny hagnontany gny momba anizay fagnambara anizay. 46 Vo bak'eo dra nisy fifandira nanom-boky teo amin'ereo gny amin'izay ho lahibe indrindra amin'ereo. 47 Fa Jesosy, nahafatara gny fihevisy tagny am-pon'ereo, dra nangalaky zazamasaiky raiky dra napetrany teo agn'ilany 48 dra nizaka tamin'ereo ho:''Fa dre iza mandray itiho zaza itiho amy gny agnarako ,dra mandray Anahy; vo dre iza dre iza nagniraky Anahy. Fa ze masaiky be amindrareo aby gny lahibe.'' 49 Jaona namaly ho:''Topo o,nahita olo raiky zahay nangalaky devoly tamin'gny agnaranao dra nisakananay izy, satria izy sy magnara-dia miaraky aminay.'' 50 ''Ka rara izy,'ho Jesosy , ''satria ze sy manohisy andrareo dra momba andrareo.'' 51 Gny fa nagneky gny andro ampiakara Anazy,dra niatriky ho agny Jerosalema Izy. 52 Nanefa mpinday hafasy Izy hialoha Anazy,vo nandeha ereo ka nilisy tao amin'gny tana Samarita raiky ba hagnoma gny raha aby ho Anazy. 53 Fa gny vahoaky tao sy nandray Anazy, satria nitoliky ho agny Jerosalema Izy. 54 Gny fa nahita anizay Jakoba vo Jaona mpianasy,dra ho ereo ho:''Topoko, tianao se zahay raha handefa afo milasaky agny an-dagnisy ba hamotiky anazy anireo?'' 55 Fa nitoliky Izy dra nizaka fatrasy tamin'ereo, 56 vo lasa tagny amin'gny tana hafa ereo. 57 Vo gny fa nandeha tegny an-dala izy reo,dra nisy olo raiky nanao taminazy ho:''Hagnaraky Anao zaho dre iza dre iza andehanano.'' 58 Jesosy nizaka taminazy ho:''Gny amboahaolo manan-davaky,vo reo voro egny an-dagnisy dra mana gny akaniny,fa gny Zanak'olo sy mana toera asiana gny lohany.'' 59 Dra ho Izy tamin'gny hafa ho:''Magnaraha Anahy.''Fa ho izy ho: ''Topoko, angao zaho aloha handeha handevy gny rako.'' 60 Fa ho Izy taminazy ho:''Angao gny maty handevy gny maty ao aminazy. Fa ho anao, mandehana dra mitoria agny lavisy agny dra hitaro gny fazakan'Agnahary.'' 61 Vo nisy olo hafa nanao ho:''Hagnaraky Anao Zaho, Topo,fa angao zaho aloha hanao veloma gny agny an-tragno.'' 62 Jesosy namaly anazy ho:''Sy misy olo mita fangaly dra mihery dra mendriky ho ao amin'gny fazakan'Agnahary.''