toko faha 8

1 Dra tafarany izay dra nanomboky nandeha nitety tanana vovohisy sambihafa Jesosy, nitory vo nizaka gny filazasara nahakasiky gny fazakan'iZagnahary. Nindray yaminazy ireo ro ambin'ny folo lahy, 2 Nindray ireo vehivavy sasany izay sitrany tamigny fagnahy rasy vo gny arety: Maria izay nitokavy ho Magdalena, izay fa nanokafa demonia fito; 3 Johana, valin'i Koza, izay pitandraharahan'i Heroda, dra Sosona; vo reo maro hafa koa, izay tamigny fanagnan'izy reo, dra nagnome izay nitaliavin'izy reo. 4 Gny bo nisy vahoaky maro nivory, dra tamy nagnato anazy ereo olo avy tamigny isatana, Dra nanao fagnohara izy ho: 5 "Nisy mpaboly niboaky mba hamafy gny tegnany. Raha izy namahery igny, dra voafafy tegny amoron-dala gny ilany dra voahisakisaky izaho, dra lanin'ny voron'ny lagnisy. 6 Gny ilany koa voafafy tegny amigny vatolampy,dra raha vo nisimoky, dra nalazo izany, satria sy nisy hamandoana. 7 Vo gn'ilany dra voafafy teo amin'gny raha maragnisy niara-nisiry tamin'gny tegnany dra nialaibe . 8 Gn'ilany voafafy tegny amin'gny tany lonaky dra namoa vokasy ze soa lavisy avo zato heny.''Tafaran'i Jesosy nizaka gny raha reo, dra nitoka fatrasy Izy ho:''ze mana-sofy hiteno, ao izy hiteno.'' 9 Nagnontany Anazy gny mpianany gny amy tian'izay fagnohara zay hambara. 10 Ho Izy ho:''Gny fahalala gny raha-mivony fazakan'Agnahary dra nome andrareo, fa ho an'gny hafa dra miresaha amy fagnohara Zaho, ba sy ahita ereo dre dra mahita avo, dra sy hahay dre mahare avo.'' 11 Vo zao gny dikan'gny fagnohara:gny tegnany dra gny zakan'Agnahary. 12 Gny voafafy tegny amin'gny romon-dala dra reo ze mahare , saiky bak'eo dra avy gny devoly dra mangalaky gny zaka tao am-pony, ba sy hino vo ho voavozy ereo. 13 Dra gny teo amin'gny vatolampy koa dra reo ze , gny fa mahare gny zaka dra mandramby anizay amin-kafalia. Nefa sy misy vahany reo; selasela avo gny finoan'ereo, dra amin'gny fotoa fisapa dra lavo ereo. 14 Reo tegnany voafafy teo amin'gny silo dra gny olo mahare gny zaka, fa gny mandeha amy lalany ereo, dra voagezan'gny faahiana vo gny harena dra gny fahafinaretan'izao fiaigna zao,dra sy hatisy gny tegnany. 15 Fa gny tegnany voafafy tamin'gny tany soa,dra reo gny ,mahare gny zaka tamin'gny fo mary vo soa, dra ereo mita anazy soa dra namoakasy am-pahareta. 16 Dram sy misy olo, fa gny nandrehisy jiro,dra manafosy anazy amin'gny lombony dre mametraky anizay ao ambany fandria. Fa dra, mametraky anazy eo amin'gny fanovan-ziro, ba ho hitanolo aby ze milisy gny hazava. 17 Satria sy misy tako ze sy ho ampahafatary, dre raha mivony ze sy ho fatasy dra hiseho eo amin'gny hazava. 18 Koa miteno soa,ze mana, dra bo home beba koa, fa ho an'izay sy mana koa,dre zay heveriny hanany avo dra ho ala aminazy.'' 19 Bak'eo gny reniny vo gny rahalahiny nagnato Anazy, nefa sy afaky nagnariny Anazy nohon'gny vahoaky. 20 Nisy nizaka taminazy ho:''Gny reninao vo gny rahalahinao dra misanga ao ambaliky, te hahita anao.'' 21 Fa Jesosy namaly vo nizaka tamin'ereo ho:''Gny reniko vo gny rahalahiko dra gny ze mahare gny zakan'Agnahary vo manao anizay.'' 22 Vo draiky andro dra nandeha an-tsamo kely Izy niaraky tamin'ereo mpianany, dra Izy nizaka tamin'ereo ho:''Andeha isika ho egny andafin'gny farihy.''Dra lasa ereo. 23 Fa raha nandeha igny ereo avy dra resi-tory Jesosy. Dra nisy tafio-sioky avy teo amy farihy, dra feno rano gny sambo kely , dra nitandindon-doza ereo. 24 Bak'eo nagneo aminazy dra namoha Anazy gny mpianasin'i Jesosy, nanao ho:''Topo o ! Topo o ! Ho maty isika !''Vo nifoha Izy dra nizaka fatrasy gny sirioky vo gny rano manoza,dra nisahasy reo,dra nisy fitonia teo. 25 Vo nizaka tamin'ereo Izy ho:''Eza gny finoandrareo?''Vo natahosy fatrasy ereo. Vo natahosy gny sady gaga avo koa ereo, dra nifampagnontany ho:''Iza moa io,gny mandidy dre gny sioky vo gny rano avo,dra magneky Anazy reo?'' 26 Ereo dra nihazo gny farisin'i Gerasena,ze tandrifin'gny farihin'i Galilea. 27 Vo gny fa niakasy hagnegny an-tanety Jesosy, dra nifakatozy tamin'gny lelahy raiky avy lahatao an-tana ze nisy devoly. Vo fa ela izy gny sy niakazo, dra sy nipetraky tao an-tragno fa tegny amin'gny lolo. 28 Gny fa nahita an'i Jesosy izy,dra nihiaky fatrasy vo nandohaliky teo agnoloany dra nizaka tamin'gny feo fatrasy ho:''Ino gny indresanao aminahy,ry Jesosy, zanak'Agnahary Avo indrindra o? Miangavy Anao zaho, ka mampizaly anahy.'' 29 Fa Jesosy nandidy gny fagnahy maloto hiala tao amin'gny lelahy. Fa nandrisy gny fotoa maro gny nagnalaibe anazy zay,ka dra nifehiny tamin'gny ravaky vo gadra vy dra nambenana avo izy dra nitorotorony gny ravany dra nandesiny devoly tagny agnefisy izy. 30 Jesosy nagnontany anazy ho:''Iza gny Agnaranao? Vo ho izy ho:''Legiona,'' fa maro gny devoly ze fa nilisy tao aminazy. 31 Ereo niangavy Anazy hatragny ba sy handefa anazy ho agny amin'gny lavaky sy hita resy. 32 Vo nisy andia-koso maro nihina mariny teo havoa. Ka niangavy Anazy gny devoly ba hagnenga anazy reo ho ao amin'ereo, ka nagnenga anazy Izy. 33 Koa niboaky tao amin'gny lelahy tao amin'gny lelahy gny devoly dra nifindra tao amin'ireo koso,dra nitratrevatreva tagny amy hasana nagnao amin'gny farihy gny andia-koso dra maty. 34 Dra nohon'gny nahita gny raha nisy reo mpiamby gny koso, dra nilomalomay dra nizaka anizay tao an-tana vo tagny an-tanimboly . 35 Noho zay dra niboaky gny mpony tao an-tana ba hagnety gny raha nisy , vo nagnato an'i Jesosy ereodra nahita gny lelahy ze niboahan'gny devoly. Dra izy nipetraky teo an-tombon'i Jesosy, nagnisy vo vory say; dra lasa nataohosy ereo. 36 Bak'eo reo ze nahita anizay nizaka anazy gny fomba nahasitra gny lelahy nazakan'gny . 37 Vo gny vahoaky aby teo amy faritanin'i Gerasena dra nangataky an'i Jesosy ba hiala eo amin'ereo, satria heniky gny tahosy fatrasy ereo. Noho anizay dra nandeha asambo kely Izy ba afahan'ereo mihery. 38 Gny lelahy niboahan'gny devoly dra niangavy taminazy ba hamela anazy handeha hiaraky aminazy, fa Jesosy nandefa anazy , nizaka ho: 39 '' Miheregna agny an-tragnonao dra magnomeza taminao.''Vo gny lelahy nandeha tamin'gny lalany, dra nagnambara ,anera gny tana aby ze nataon'i Jesosy taminazy. 40 Dra gny fa nihery Jesosy , dra nandray anazy gny vahoaky, fa ereo dra fa niamby Anazy. 41 Indro, nisy lelahy raiky atao ho Jairo, ze raiky tamin'ereo mpitariky tao amin'gny Synagoga, nagnato vo nandohaliky an-tombon'i Jesosy, dra niangavy anazy ba ho agny an-tragnony, 42 satria gny zanakapelany teo amin'gny ro ambinifolo tao teo ho eo,dra eo ambavahoanan'gny fahafatesa.Raha nandeha tamin'gny lalany Jesosy, dra niara-nifaneritery nagnodidy Anazy gny vahoaky maro be. 43 Vo nisy apela raiky teo ze fa nadeha gny lio nandrisy gny ro ambinifolo taona vo fa nandany gny volany aby, [ Fagnamariha: Tahoky manam-pahaiza dra mizarazara hevisy raha tokony ampiliry eto gny fehezateny ho: ''Nandany gny volany aby izy ]vo sy nisy nahasitra anazy dre iza dre iza. 44 Vo izy dra nagneo tafaran'i Jesosy dra nikasiky gnt rambin-dambany,dra nisahasy aby bak'agny gny liony. 45 Jesosy nizaka ho: "Izy gny nikasiky anahy teo?" Iziaby nanda gniziab, dra hoy Petera ho: "Tompo, magnodidy anao avo gny vahoaky iziaby dra manery Anao." 46 Fa Jesosy nizaka ho: "Nisy nikasiky zaho, satria fatako fa nisy hery niala avy tato aminahy." 47 Gny hitanigny gnapela fa sy tako izy, dra nanaro izy dra niakohoky teo, amigny. Zinakany teo amson'ny ologny atony nikasihany anazy, vo gny fomba nahasitrany anazy avy bokagny. 48 Vo izy nizaka taminazy ho: "Vo zanaky apela, gny finoany dra nahasytrana anao. Mandehana am-piadagna." 49 Bak'eo raha bo nizaka izy,dra nisy olo raiky aby amin'gny tragnon'gny mpitariky synagoga, nanao ho:''Maty gny zanakao ampela. Ka manahira gny mpampianasy sasy.'' 50 Fa gny nahare anizay Jesosy, dra namaly an'i Jairp Izy ho:''Ka matahosy ; minoa avo koa,dra ho sitrany izy.'' 51 Gny fa nagnao an-tragno Izy, dra sy namela dre dra olo raiky avo hiara-hilisy aminazy akoasin'i Petera vo Jaona vo Jakoba, vo gny ran'gny zaza dra gny reniny. 52 Dra gny aby dra nisaona vo nitomagny anazy, 53 Fa Izy nizaka ho:''Ka mitomagny; sy maty izy fa mandry.''Dra nihimehy Anazy ereo, satria fatasy fa maty gny zaza ampela. 54 Fa nirambesiny tamin'gny tagna izy dra nitoka fatrasy , nizaka ho:''Anaky, misangana!'' 55 Dra nihery gny fagnahiny, dra nihazary laha teo izy. Dra nibaiko anazy reo Izy ba hagnome hany ho anazy. 56 Dra gaga gny Ray aman-dreniny, fa Izy koa nandrara anazy reo ba sy hizaka dre amin'iza dre iza gny raha ze nisy.