toko faha 7

1 Iziaby nahavita nizaka gny raha aby teo amigny vahoaky Jesosy, dra nidisy tao kspernaomy Izy. 2 Dra nisy kapiteny raiky nana mpanopo izay tena nazainy, dra narary vo fa mariny ho maty izy. 3 Gny nahare gny momban'i Jesosy gny kapiteny, dra nagniraky loholon'ny Jiosy ho agny aminazy izy, hangataky anazy ba hoa avy dra hagnasitrany gny panopony. 4 Dra gny avy teo amin'i Jesosy ereo , dra nangataky fatrasy taminazy, nizaka ho:''mendriky gny hanovanao izay hon'azy izy, 5 Satria tiany gny firenenay, dra izy gny nagnamboasy gny Synagoga hon'any.'' 6 Dra nanohy gny lalanynindray tamin'izy reo Jesosy. Fa gny bo sy lavisy gny tragno izy, dra nandfa namana gny kapiteny nizaka taminazy ho:''tompo o,ka manahira-tegna hanao, satri sy mandriky hidiranao ao ambanin'ny tafo-tragnoko zaho. 7 Noho izay dra sy nihevisy gny tegnako ho mendriky hagneo aminao zaho. fa mizaka zaka raiky avo dra ho sitrany gny panopoko. 8 Dra satria izao koa dra lelahy izay ambany fahefa, manana maramila ao ambaniko koa. Hoy zaho amin'ity raiky tiky ho:''mandehana, dra mandehana izy, dra amigny raiky hafa:''avia, dra tamy izy, dra amigny panopoko ho:'' atovy tiky dra ataony izay.'' 9 Gny fa nahare izay Jesosy, dra talazo taminazy izy, dra nitoliky tamin'ireo vahoaky izay nagnoriky anazy dra nanao ho:''zakako amindrareo, fa na dre tagny Israely aza sy nahitako finoa manahaky anizao.'' 10 GNy fa nihery tagny an-tragno ireo izay nirahy, dra nahita fa salama soa gny panopo. 11 Tafaran'izay, dra nandeha tagny amigny tanana atao ho Naina i Jesosy, dra nindray taminazy reo pianany vo ireo vahoaky maro be. 12 Gny nagneky gny vavahadin'ny tanana izy, ingo, nisy lelahy raiky fa maty nandesy niboaky, zanaky lahy tokan'ny reniny (izay pindaitegna), dra vahoaky maro be avy ao amigny tanana gny nindray taminazy. 13 Nony nahita anazy gny tompo, dra hagnome tanteraky anazy dra nanao taminazy ho:''ka mitomagny.'' 14 Avy eo dra niakasy izy dra nisapa gny vata izay nandesananazy reo gny raza, dra nizano ireo ninday izay. Hoy izy ho:''Ry tovolahy, hoy zaho aminao, miaregna.'' 15 Dra niary gny maty dra nanomboky nizaka, dra Jesosy nanolosy anazy amigny reniny. 16 Nandresy anazy aby gny tahosy, dra nanohy nidera an'i Zagnahary hatragny izy reo, nizaka ho:'' paminany lahibe gny nasanga eto amisika'' dra ''Zagnahary nisizo gny olony.'' 17 Vaovao momban'i Jesosy dra niely nanera an'i Jodia vo ireo farisy magnodidy aby. 18 Ireo pianasy Jaona nizaka taminazy gny momba ireo raha ireo. 19 Dra nitoka olo ro tamin'ireo pianany Jona dra nagniraky anazy reo ho agny amigny tompo ba hizaka ho:'' hanao se gny ho avy, sa tokony bo hagnety hafa izahay?'' 20 Dra gny nagnato mariny an'i Jesosy izy reo, dra hoy reo lelahy ho:'' Jaona panao batisa gny nagniraky anay atiky aminao hagnotany ho:'' hanao se gny ho avy, sa tokony bo hagnety hafa izahay?'' 21 Dra tamin'izay ora izay dra nahasitrany olo maro tamigny arety vo fahoria dra fanaitay avy amin'ireo fagnahy rasy izy, dra olo poaky maro gny napahitany. 22 Jesosy namaly dra nizaka tamin'ereo ho:'' gny avy nandeha tamigny lalandrareo handrareo, tatero amin'i Jaona izay hitandrareo vo rendrareo. Nahirasy gny poaky, nandeha gny malemy, reo nalio gny boka, nahare gny maregny, nisanga-ko velo velo gny maty, dra nizaka gny filazasara gny olo agnatin'ny sy fahapia. 23 Sambasy gny olo izay sy misahasy gny mino anahy nohon'ny ataoko.'' 24 Dra nony nandeha ereo irak'iJaona, dra nanomboky nizaka tamigny vahoaky Jesosy gny momban'i Jaona ho:''hagnety ino gny niboahandrareo tagny agnifisy? volotara nahozongozon'ny rivosy se? 25 Fa hagnety ino gny niboahandrareo tagny? lelahy mekazo soa se? atio, reo izay mignisy akazo lafo vily vo reo ao amigny lapan'ny pazaka. 26 Fa hagnety ino gny niboahandrareo tagny? paminany se? egny, hoy zaho amindrareo, dra mihoasy lavisy noho gny paminany. 27 Izy gny voasorasy ho:''ingo, alefako mialoha anao gny pinday hafaso izay hagnoma gny lalanao mialoha anao.'' 28 Zakako amindrareo, fa amindrareo izay natera-behivavy dra sy misy lahibe noho Jaona. Nefa gny masaiky indrindra ao amigny fazakan'iZagnahary dra lahibe noho izy.'' 29 (Gny nahare izay gny olo aby, agnisan'izay reo pamory hetra, dra nizaka fa marina Zagnahary, satria natao batisa tamigny batisan'i jaona izy reo. 30 Fa reo fariseo vo reo pahay lalana Jiosy koa nanda gny tazon'iZagnahary ho an'ny tegnan'izy reo, satria sy nataon'i Jaona batisa.) 31 ''Amigny ino, dra gny afahako mapitaha gny olo amigny taranaky tiky? manahaky gny ino moa izy reo? 32 Manahaky gny mota mihira egny asena izy reo, izay mitoboky vo mifapitoka dra mizaka ho:''' nisoaky sidina ho andrareo izahay, dra sy nisizaky handrareo. Nanao hira fisogan ho andrareo izahay, dra sy nitomagny handrareo. 33 Fa Jaona mpanao Batisa avy sy nihina mofo dra sy nino divay, dra ho andrareo ho:''Misy devoly izy.' 34 Gny Zanak'olo avy nihina vo nino , dra ho andrareo ho:''Hatio , fa tia-hany vo mpino Izy, naman'ereo mpamory hetra vo mpanota!'' 35 Fa gny fahendre dra voamary amy zanany aby.'' 36 Dra gny raiky tamin'ereo Fariseo nanasa an'i Josesy hisakafo miaraky taminazy. Dra gny fa baka nilisy tao an-tragnon'gny Fariseo Jesosy, dra nipetraky hihina teo amy latabasy. 37 Indro, nisy ampela tao an-tana ze mpanota. Dra gny fa nahasikarisy izy fa nipetraky teo amin'gny latabasy tao an-tragnon'gny Fariseo Izy, dra ninday tavoara alabastara feno menaky magnisy izy. 38 Dra raha nisanga tafarany mariny teo gny tombony izy,dra nitomagny , dra nanombiky nandeha gny tombony tamin'gny ranomasony, dra nifafany tamin'gny volo-dohany reo sady nagnoroky gny tombony dra nagnososy reo tamin'gny menaky magnisy. 39 Gny fa nahita anizay gny Fariseo nanasa an'i Jesosy , dra nieriserisy, nizaka hô:''Raha mpminany ita lelahy itam dra tokony ho fatany hô karaza ampela manao akory io mikitiky Anazy io, fa mpanota io.'' 40 Jesosy namaly dra nizaka taminazy hô:''Simona, misy raha ho zakako aminao.''Hô izy ho:''Zakao zay, Mpampianasy o !'' 41 Jesosy nizaka hô:''Nisy mpampi-bola nana mpitrosa rô lahy. Gny raiky dra tokony andoa dima-zato denaria, gny raiky dimam-polo. 42 Gny fa sy afaky nandoa anizay taminazy ereo, dra samy nangany izy rô lahy. Noho zay , iza amin'ereo rô lahy gny ho tia Anazy koa?'' 43 Simona namaly Anazy dra nizaka hô:''Heveriko fa gny namoizany be.''Dra hô Jesosy taminazy hô:''Mary gny fisaranao.'' 44 Dra Jesosy nitoliky tagny ami'gny ampela dra nizaka tamin'i Simona ho:''Hitanao io ampela io. Nilisy tato an-tragnonao Zaho. Sy nagnome rano hanasa gny tombony anao,fa izy nahakosa gny tombony tamin'gny ranomasony dra namafa anazy reo tamy volon-dohany. 45 Sy nagnoroky Anahy anao, fa hatr'izay nilirako tato dra sy nizano nagnoriky gny tombony izy. 46 Sy nosoranao dililo gny lohako, fa izy nagnososy gny tombony tamin'gny menaky magnisy . 47 Noho zay dra mizaka aminao zaho fa , dre fahotany, ze maro, dra voavela-satria izy be fitiavana . Fa ze nanga keliky, dra tena keliky.'' 48 Dra ho Izy taminazy ho:''Voavela gny fahotanao.'' 49 Reo niara-nipetraky nihina teo dra nanomboky nifampiresaky teo amin'ereo ho:'Iza moa itiho gny dra mamela gny heloky?'' 50 Bak'eo hoy Jesosy tamin-dravehivavy ho:''Gny finoa gny nahavozy anao. Mandeha am-piadana.''