Toko faha 13

1 Tamin'izay andro zay,nisy olo sasany teo nizaka taminazy gny momba reo Galiliana ze gny lion'ereo gny nafangaron'i Pilato tamin'gny sorony manoka. 2 Namaly Jesosy dra nizaka tamin'ereo ho:''Andrareo se mieriserisy fa gny Galiliana reo dra mpanota mihoasy noho reo Galiliana hafa aby satria nizaly tahaky anizay? 3 Aha,Zaho mizaka andrareo. Fa raha sy mibebaky andrareo,aby dra ho maty tahaky anizay. 4 Dre io olo valo ambinifolo tao Siloama ze nilavoany fiangona dra nahafaty anazy reo, mieriserisy se andrareo fa tena mpanota rasy mihoasy noho reo lelahy hafa tao Jerosalema io? 5 Aha,ho zaho. Fa andrareo raha sy mibebaky, andrareo aby avo koa dra ho maty.'' 6 Jesosy nanao zao fagnohara zao ho:''Nisy olo nana hazon'Aviavy raiky namboleny teo amy tanim-bolobony vo avt izy dra nagnety tegna-kazo teo aminazy nefa sy nahita dre ino dre ino. 7 Gny lelahy dra nizaka tamin'gny mpanao zaridaina ho:'Indro, avy teto zaho nandrisy gny telo taona dra niezaky nitalia tegnany tamin'itiho hazo aviavy itiho kanefa sy nahita mihisy. Tapao io. Nanao akory io gny anga manimba gny tany?' 8 Namaly gny mpanao zaridaina dra nizaka ho:''Angao ho eo aloha amin'itiho tao itiho mandra-pihaliko magnodidy anazy vo hagnasiako zeziky eo aminazy. 9 Raha mamoa izy amin'gny tao magnaraky , soa; fa raha sy zay,dra tapao izy !''' 10 Dra Jesosy nampianasy tao amin'gny raiky tamin'gny Synagogo nandrisy gny Sabasy. 11 Indro,nisy apela raiky ze nana gny fanahy rasin'gny fahaleme nandrisy gny valo ambinifolo tao teo, dra izy dra nivokoky dra sy nahavita nijoro soa. 12 Nony nahita anazy Jesosy, dra nitoka anazy dra nizaka ho:''Rapela,afaky amin'gny fahalemenao anao.'' 13 Napetrany teo aminazy gny tagnany, vo niaraky tamin'izay dra nitraka gny apela dra nihoby an'Agnahary. 14 saiky gny mpanapaky gny Synagoga dra ory noho gny fagnasitrana nataon'i Jesosy tamin'gny Sabasy. Noho zay dra namaly gny npanapaky vo nizaka tamin'gny vahoaky ho:''Misy enin'andro ze tokony iasa. Tongava dra sitrana, fa sy amin'gny andro Sabata.'' 15 Gny Topo namaly anazy dra nizaka ho:''Ry mpiasaravelahisy! Moa se sy samy mamaha gny boriky dre gny agn'ombiny ao amin'gny valany andrareo dra minday anazy hino rano amin'gny Sabasy? 16 Dra manahaky anizay koa itiho zanakapelan'i abrahama, ze voafehin'i Devoly nandriky gny valo ambinifolo tao itiho, sy tokony ba ho vaha se gny fehiny amin'gny andro Sabata?'' 17 Gny nizaka anizay raha aby zay Izy,dra megnasy reo aby ze nanohisy Anazy,fa gny vahoaky raiky manotolo dra faly noho reo raha aby malaza nataony. 18 Dra Jesosy nizaka ho:''Manahaky gny ino gny fazakan'Agnahary, dra manahaky gny ino gny afaky agnoharako anizay?'' 19 Zay dra manahaky gny voasinapy ze nalany vo nafafin'gny lelahy raiky teo azaridainany, dra lasa hazo lahibe raiky, dra gny voron'gny lagnisy dra nagnamboasy gny tragnony teo amin'ereo rasany.'' 20 Bo nizaka avo Izy ho:''Ino gny afaky hampitahako gny fazakan'Agnahary? 21 Zay dra manahaky gny masirasira ze nalan'gny apela raiky dra nafangarony tamin'gny koba intelon'gny famatara mandra-piparitahany ao agnatin'gny koba aby.'' 22 Jesosy dra nandeha nizaka gny tana vo gny vohisy kirairaiky tegny an-dala magnagny Jerosalema vo nampianasy anazy reo. 23 Nisy raiky nizaka taminazy ho:''Topo, moa se keliky gny olo gny ho voze?''Dra ho izy tamin'ereo ho:'v 24 Mialia gny hilisy gny vatrangara tery andrareo ,satria, zaho mizaka amindrareo, maro gny te-hisofiky, fa sy ho afaky gny hilisy. 25 Gny fa ndray misanga gny topon-tragno vo magnily gny vatrangara, dra hisanga ao ambaliky eo andrareo dra handondo gny vatrangara vo hizaka ho:''Topo, Topo, apizosoy zahay.'Izy hamaly dra hizaka amindrareo ho:'Sy fatako andrareo dre gny fiaviandrareo.' 26 Dra hizaka andrareo ho:'Nihina vo nino teo agnoloanao zahay,dra anao fa nampianasy tegny an-dalambenay.' 27 Fa Izy dra hamaly ho:'Mizaka amindrareo zaho, sy fatako ze fiaviandrareo. Miala eto aminahy, andrareo mpanao rasy !' 28 Hisy fitomagnia vo fikitroha-nify gny fa indro andrareo mahita an'i Abrahama, Isaka, Jakoba, vo gny mpaminany aby ao amin'gny fazakan'Agnahary, fa ho voaroaky agny ambaliky andrareo. 29 Ereo dra ho avy asignana, andrefa, avarasy, dra asimo dra hipetraky eo amin'gny latabasy gny fazakan'Agnahary. 30 Fatako zao, reo ze sy dra manan-daja gny ho volohany,vo reo ze tena manan-daja gny farany.'' 31 Tafarany kelin'izay , nisy Fariseo sasany avy vo nizaka taminazy ho:''Mandehana hilomesa eto satria Heroda dra te-hamono Anao.'' 32 Jesosy nizaka zakao zay amboahaolo zay ho: Indro, zaho mandroaky devoly vo manao fagnasitragna amizao vo maray, vi amy andro fahatelo dra ho trasiko gny tazoko.' 33 Dre ino dre ino misanga, raha-lahibe aminahy gny manohy amizao , maray, vo gny andromagnaraky, satria vo azo eke gny famonoa gny mpaminany lavisy an'i Jerosalema. 34 ''Ry Jerosalema , ry Jerosalema , ze mamono gny mpaminany vo mitora-bato reo ze nirahy tagny amindrareo. Ipy zaho gny nagniry gny hanango gny zanakindrareo tahaky gny akoho vavy manangona gny zanany ambany elany, kanefa sy nagniry anizay andrareo. 35 Indro,nangany gny tragnondrareo. Izaho dra mizaka amindrareo,sy ho hitanndrareo Zaho ambar-pizakandrareo ho:''Sambasy ze avy amin'gny agnaran'gny Topo.'''