Toko faha 12

1 Tamin'izay, gny nindri-nivavaky gny vahoaky agnarivony maro, maro loasy hany farany dra nifagnisa-kitro ereo, volohany vatany dra nanomboky nizaka tamin'ereo pianany izy ho:'' tandremo gnymasirasiran'ireo Fariseo, izay fisarambelasihy. 2 Sy misy tokony izay sy haseho, dra sy misy mivony izay sy ho fatasy. 3 Dra na ino na ino nizakandrareo tao amigny mezy dra ho re ao amigny fahazava, dra izay nizakandrareo teo asofy tao agnaty afitragno dra hozaka egny atapo-tragno. 4 Mizaka aminadrareo zaho ry namako. ka matahosy ireo izay mamono gny tegna, dra afaran'izay dra sy misy na ino na ino azony atao sasy. 5 Fa hapitandry andrareo zaho gny amigny hatahora. Matahosy gny raiky izay, izay gny avy mamono, dra manana gny fahefany gny hagnary agny amigny helo.Egny, mizaka amindrareo zaho,matahosy anazy. 6 Sy avily farasa masaisaiky ro se gny sisina dimy? kanefa sy misy raiky amin'ereo izay haligno eo amason'i Zagnahary. 7 Fa gny volon-doharareo aza dra voaisaky aby koa. Ka matahosy. fa manalaza mihoasy nohon'ny sisina maro handrareo. 8 Hoy zaho aminadrareo, izay aby magneky anahy eo agnatrehan'ny olo, gny zanak'olo avo koa dra hagneky anazy eo agnatrehan'ereo azelin'i Zagnahary, 9 Fa izay manda anahy eo agnatrehan'ereo azelin'i Zagnahary. 10 Izay aby mizaka manohisy gny zanak'olo, dra ho anga aminazy izay, fa izay aby mizaka rasy manohisy gny fagnahy masy koa, dra sy ho veavela izay. 11 Gny fa minday andrareo eo agnatrehan'i Synagoga, reo panapaky, vo reo mana-pahefana izy reo, dra ka magnahy gny amin'izay ho fomba fizakandrareo ho fiarova-tegna, na izay ho zakandrareo, 12 Satria gny fagnahy masy gny hapianasy andrareo izay tokony ho zakandrareo amin'izay ora izay.'' 13 Avy eo nisy olo raiky avy tao amin'ireo vahoaky nizaka taminazy ho:''ry papianasy, zakao gny rahalahiko ba hizara gny lova aminahy.'' 14 Jesosy nizaka taminahy ho:'' ralelahy, iza gny nanao anahy ho pisara na pagnelagnela andrareo?'' 15 Hoy izy tamin'izy reo ho:'' Miambena ba hihazognandrareo gny tegnandrareo lavisy ireo tagniria-drasy aby, satria gny fiaignan'olo raiky sy miaky amigny fitobaky gny fanagnany.'' 16 Avy eo Jesosy nanao fagnohara raiky tamin'ereo, nanao ho:'' namohasy be gny sahan'ny lelahy panakarena raiky, 17 Dra nagnotany tegna izy, nizaka ho:'' ino gny ho ataoko, fa sy manana toera hitehiriza ireo vokasy zaho?'' 18 Hoy izy ho:'' izao gny ho ataoko. Hazerako ireo tragno fitoerambokasy dra hananga lahibe kokoa zaho, dra ao amin'ereo gny hagnorognako gny voako vo reo vokasy hafa. 19 Dra hizaka amigny fagnahiko zaho ho:' ry fagnahy, hanao dra manana vokasy maro voatahiry ho amigny tao maro. Misahara soa, mihinana, misaotra, mifalia.''' 20 Fa Zagnahary nizaka taminazy ho:'' ralelahy mola. androany hariva gny fagnahinao gny hala aminao, dra ireo raha izay namagninao, ho an'iza reo?'' 21 Izay gny olo izay manango harena ho an'ny tegnany dra sy manakarena manoloana an'i Zagnahary.'' 22 Jesosy nizaka tamin'ereo pianany ho:'' noho izay dra zakako amindrareo, aza magnahy gny amigny aindrareo-izay ho hinindrareo, na gny momban'ny tegnandrareo izay ho tafindrareo . 23 Fa gny aina dra mihoasy noho gny sakafo, dra gny tegna koa mihoasy noho reo fitafia. 24 Hevero gny koaky, sy mamafy ireo na miziza.Sy manana fitoboham-bokasy ireo na tragno fitehiriza, kanefa omen'iZagnahary hanina avo, Manahaky gny akory gny fihoarandrareo laza mihoasy noho reo voro! 25 Iza amindrareo gny afaky magnapy hakiho raiky gny andro iegnany amigny fagnahia? 26 Koa gny izay raha kasaisaiky indrindra izay aza sy handrareo atao, akory handrareo gny miahiahi gny amigny sisa? 27 Hevero reo lilia-manao akory gny fagniriny.Sy miasa izy ireo, na mamoly. Kanefa zakako amindrareo, na Solomona tamigny voninahiny manotolo aza sy nitafy manahaky gny raiky tamin'ereo. 28 GNy tafin'i Zagnahary manahaky izay ireo ahisy egny agnaisy, izay eo androany, dra gny maraindray dra aria agnaty fatana, manahaky gny akory gny hanafiany andrareo mihoasy lavisy noho izay, handrareo ry masaisaiky finoanao! 29 Ka mitalia izay ho hanindrareo vo izay honomindrareo, dra ka miahiahy. 30 Fa ireo ferenena aby eto amin'izao totolo izao ireo dra mitalia ireo raha aby, dra fatasy gny babandrareo fa mitalia ireo handrareo. 31 Fa kasaho gny fazakany, dra hagnome ho fagnapiny ho andrareo aby gny raha ireo. Ka matahosy,ry andianagnondry visy, satria gny babandrareo dra tena faly gny hagnome andrareo gny fazakana. 33 Avilio ireo fagnanarandrareo dra omeo gny mahatra. Manova fitoboha-vola ho an'ny tegnandrareo izay sy mety ho holavoharena agny an-dagnisy izay sy mety lany, izay sy misy kalalao manola. 34 Fa agny amin'izay hitobohan'ny harendrareo, dra ho agny avo koa gny fondrareo. 35 Aoka gny akazo lavandrareo ho hagnisiandrareo, dra aoka gny zirondrareo hirehisy hatragny, 36 DRa manova manahaky reo olo izay mandigny reo topony hihery avy amigny lanognam-papakara-valy, ba gny avy izy dra mandondona, dra ho afaky hanokaky gny vatrangara hon'azy avy hatragny ereo. 37 Sambasy reo panopo, izay hitan'ny topony fa niamby gny avy izy. Zakako marina amindrareo, fa hisiky gny lamba lavany amigny valahany izy, dra hapipetraky anazy reo an-databasy, dra ho avy izy hanopo anazy reo. 38 GNy ho avy amigny ora faharo amigny hariva gny tompo, na amigny ora fahatelo aza, dra mahita anazy reo vonona, dra ho sambasy ireo panopo ireo. 39 Ho fagnapin'izay dra fataro izao, fa gny fatasy gny tompon-tragno gny ora hahavian'ny pangalasy, dra sy hagnenga gny tragnony ho vaky izy. 40 Mivognona avo koa, fa sy fatasindrareo gny ora hoavian'ny zanak'olo.'' 41 Petera nizaka ho:'' tompo o, aminay avo se gny izakanao izay fagnohara izay, sa amigny olon'aby avo koa?'' 42 Gny tompo nizaka ho:' iza dra gny pitatana vo hendry izay gny tendren'ny tompony vo agnobn'ireo panopony hafa ba hagnome anazy reo gny azara hanin'izy reo amigny fotoa mety? 43 Sambasy izay panopo izay. izay hitan'ny topony manao izay aby avy izy. 44 Zakako marina amindrareo fa ho tendreny gny fanagnany aby izy. 45 Fa gny mizaka ao am-pony izay panopo izay ho:''nahemosy gny topony gny fiheregnany, dra manomboky mamono reo panopo lahy vo vavy, dra nihina vo mino, dra lasa mamo. 46 Gny topon'izay panopo izay dra ho avy amigny andro sy ampiziny, dra amigny ora sy fatany, dra hanapatapaky anazy dra hagnome toera ho anazy mindray amin'ireo sy mahatoky. 47 Izay panopo izay,nahafatasy gny sitrapon'ny topony, kanefa sy niomana na nanao araky gny sitrapony, dra ho zera amigny fizera maro. 48 Fa izay sy nahafatasy dra nanao izay mendrika ahazoa zera koa, dra ho zera amigny fizera masaisaiky. Fa ireo aby izay name be, dra ho be kokoa gno ho taky aminazy, dra reo izay nagneky be, dra ho be lavisy aza gny hangatahy aminazy. 49 Avy zaho hanoraky afo egny agnabon'ny tany, dra manahaky gny akory gny fagniriako ba hirehetan'izay sahady. 50 Fa manana fanova-batisa ba hanova batisa zaho, dra manahaky gny akory gny fahoriako mandra-pahataterak'izay! 51 MIhevisy seky drareo fa avy zaho ba hinday fiadagna eto an-tany? Sy, Mizaka amindrareo zaho, fa fisaraha aza. 52 Manomboky izao dra hisy dimy ao amigny tragno raiky izay hisarasaraky olo telo manohisy gny ro, dra olo ro manohisy gny telo. 53 Hisaraky izy reo, gny raiky hanohisy gny zanaky lahy, dra gny zanaky lahy hanohisy gny raiky, gny reny hanohisy gny zanaky vavy dra gny zanaky vavy hanohisy gny reny, gny rafozam-bavy hanohisy gny vinatony vavy, dra gny vinato vavy hanohisy gny rafozam-bavy.'' 54 Nizaka tamin'ireo vahoaky koa Jesosy ho:'' gny fa mahita raho miforo egny andrefa handrareo, dra hoy avy hatragny handrareo ho:'' hisy ranon'ora ho avy dra mitranga izay. 55 Gny fa misy rivosy misoka avy agny asimo, dra hoy handrareo ho:'' hisy hafana be ho avy, dra mitranga izay. 56 Ry pisaravelasihy, handrareo gny mandika gny toetoetry gny tany vo gny lagnisy, fa manaoakory gny sy ahezandrareo mamatasy izao andro amizao izao? 57 Nanaoakory handrareo gny sy misara izay marina ho an'ny tegnandrareo? 58 Fa gny mandeha mindray amigny pifanandry amindrareo eo agnatrehan'ny pisara agnabo handrareo, egny an-dala dra miezaha handamy gny olo mindray aminazy ba sy handehanany handrirosy andrareo eo amigny pisara, dra ba sy hanoloran'ny pisara andrareo sgny smigny pamotosy, dra ba sy handefasan'ny pamotosy andrareo agny apoza. 59 Hoy zaho amindrareo, sy ho tafavoaky ao zao handrareo mandra-pandoandrareo gny vola farany izay madiky indrindra.