Toko faha 11

1 Dra zao gny nisy gny fa nivavaky tao amin'gny toera raiky Jesosy, nisy raiky tamin'ereo mpianany nizaka taminazy ho:''Topo, ba hampianaro mivavaky zahay manahaky gny nampianaran'i Jaona gny mpianany.'' 2 Hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Gny fa mivavaky andrareo dra zakao ho:''Ray o, ho hamasiny seky gny agnaranao. Ho avy seky gny fazakanao. 3 Omeo anay gny haninay isan'andro. 4 Angao gny fahontanay, tahaky gny namenay ze ory taminay. Ka minday anay ho agny amin'gny fakam-pagnahy.'' 5 Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''Iza amindrareo gny hana nama,vo handeha ho agny aminazy amin'gny misasakaly, vo hanao aminazy ho:''Ry nama, ba ampindramo mofo telo zaho, 6 fa misy namako raiky vo avy lavisy,vo sy mana dre ino dre ino haroso anazy zaho.' 7 Dra mety hamaly anazy gny raiky tao antragno dra hanao ho:'Ka manangnelingnely anahy.'Fa mihily gny vatrangara,vo gny zanako, fa eo ampandrina, miaraky aminahy. Sy afaky misanga zaho hagnome mofo anao.' 8 Mizaka amindrareo zaho,fa dre dra sy misanga vo magnome mofo andrareo avo izy satria namany andrareo ,dra nohon'gny fikirizandrareo sy misy hegnasy,dra hisanga izy vo hagnome andrareo gny mofo aby ze taliavindrareo. 9 Bo mizaka amindrareo koa zaho, Mangataha,dra home andrareo zay;mitaliava,dra hahita andrareo;pepeo,dra ho sokafy andrareo. 10 Fa gny olo aby ze mangataky dra mahazo, vo ze mitalia dra mahita;vo ze olo mipaipaiky, dra ho sokafy. 11 Iza amindrareo raim-pianakavy reo gny raha mangataky fia gny zanakindrareo, dra hagnome anazy raharaha fa sy fia? [ Fagnamariha:Reo fandika soa be misy vaki-zaka fohy koa,ze arahisika eto. Gny fandika taloha sasany dra misy vaki-zaka lavalava koa, ze hita ao amin'gny Matio 7:9 avo koa:''Raim-pianakavy iza amindrareo , raha mangataky mofo gny zanakindrareo, gny hagnome anazy vato? Na fia,dra hagnome anazy raharaha?''] 12 Na raha mangataky atoly izy,dra homendrareo maingoka se izy? 13 Noho zay,raha andrareo rasy fagnahy aza mahay magnome fagnomeza soa ho an'gny zanakindrareo,dra ohasin'gny nanao akory gny halahiben'gny Fanahy Masy homen'gny randrareo ze agny an-dagnisy ho an'ereo ze mangataky aminazy?'' 14 Dra Jesosy nandroaky devoly moa. Gny fa niboaky gny devoly, dra lasa nahay nizaka nizaka gny lelahy ze moana, dra gaga gny vahoaky. 15 Fa gny olo sasany nizaka fa:''Amin'gny alalan'i Belzeboba, ze mpitariky gny devoly, gny androahany devoly.'' 16 Gn'ilany nisapa Anazy dra nitalia famatara laha tagny an-dagnisy taminazy. 17 Nefa fatrasin'i Jesosy ze tao asain'ereo dra nizaka tamin'ereo Izy ho:''reo fazaka aby ze mizarazara dra ho rava, dra gny tragno ze mizarazara dra ho robaky.'' 18 Koa raha mialy an-tragno vo devoly nanao akory gny hampaharisy gny fazakany? Fa ho andrareo ho mandroaky devoly amin'gny alalan'i Belzeboba Zaho. 19 Fa raha mandroaky devoly amin'gny alalan'i Bezeboba dra zaho, amin'gny alalan'iza koa gny androahan'gny mpagnara-lia andrareo anazy? Noho zay,dra ereo gny hisara andrareo. 20 Fa raha mandroaky gny devoly amin'gny alalan'gny rasa-tagnan'Agnahary Zaho, dra avy amindrareo gny fazakan'Agnahary. 21 Gny fa apy fitova soa gny lelahy mahery raiky miamby gny tragnony,dra voaaro gny hareny, 22 vnefa koa raha mahery noho izy gny lelahy raiky dra mandresy anazy, dra alan'gny lelahy mahery koa amin'gny lelahy gny fialia,dra ho robainy gny fanagnan'gny lelahy. 23 Ze sy miaraky aminahy dra manohisy Anahy,dra ze sy miango miaraky aminahy dra misaraky. 24 Gny fa miala amin'olo raiky gny fanahy rasy,dra lasa izy mamakivaky toera sy misy rano dra mitalia fisahara. Dra gny fa sy mihita, dra ho izy ho:''Andeha hihery agny amin'gny tragno niaviako zaho.' 25 Gny fa tafahery,izy dra mahita anizay tragno zay voalio vo voalamy . 26 Bak'eo dra lasa izy dra mangalaky fagnahy hafa rasy mihoasy gny vatany miisa fito miaraky aminazy izy dra milisy ba hitoera ao izy aby. Ka rasy koa noho gny volohany fiafaran'gny olo zay.'' 27 Dra vraha nizaka gny raha reo Izy,dra nisy apela raiky nanandrasy gny feony tao agnaty vahoaky dra nanao taminazy ho:''Sambasy gny trony ze niteraky Anao vo gny nono ze ninonoanao.'' 28 Fa hoy koa Izy ho:''Sambasy, koa aza, gny ze miteno gny zakan'Agnahary zay.'' 29 Dra raha bo mitombo gny vahoaky,dra nanomboky nizaka Jesosy ho:''Itiho taranaky itiho dra taranaky rasy. Mitalia famatara izy,nefa sy hisy famatara aseho anazy afa-sy gny famataran'i Jona. 30 Fa tahaky gny nahavy an'i Jona ho famatara tamin'ereo Ninivita, manahaky anizay koa dra ho famatara gny Zanak'olo amin'itiho taranaky itiho. 31 Gny Pazaka apelan'gny Asimo dra hisanga amin'gny fisara miaraky amin'ereo lelahy amin'itiho taranaky itiho dra hagnameloky anazy reo, fa avy laha tagny amy faran'gny tany izy ba hiteno gny fagendren'i Solomona,vo indro, eto gny olo lahibe noho Solomona. 32 Gny lelahin'i Ninive dra hiara hisanga amin'itiho taranaky itiho amin'gny fisara vo hagnameloky anazy,satria nibebaky tamin'gny nitorian'i Jona ereo,vo indro, misy olo lahibe noho Jona eto. 33 Sy misy olo raiky,raha baka nandrehisy ziro,dra mametraky anizay amin'gny toera tako dre ao ambanin'gny haro,fa atao eo amin'gny fipetrara-jiro, ba ho hitan'izay milisy gny hazava. 34 Gny masonao gny jiron'gny vata. Gny fa soa gny masonao, dra rakoky hazava gny vatany aby. Fa raha rasy koa gny mosonaomdra feno hezy gny vatanao. 35 Noho zay,Mitandrema andrareo ba sy ho mezy gny hazava ao amindrareo. 36 Dra , raha feno hazava vo gny vatanao aby, dra sy misy ampahan'izay ao agnaty hezy , dra ho tahaky gny jiro ze mampamirasy gny hazavany eo aminao gny vatanao manotolo. 37 Gny fa vita gny resaky,dra nisy Fariseo nanasa anazy hiara-hisakafo aminazy agny antragnony,dra nilisy Jesosy dra nipetraky. 38 Gaga gny fariseo fa sy nisasa aloha Jesosy alohan'gny hihina. 39 Fa ho gny Topo Taminazy ho:''Amizao, andrareo Fariseo, dra magnalio gny ambalikin'gny kaopy vo gny finga nefa gny ao agnatindrareo dra feno rombaky vo faharasia.'' 40 Andrareo gny kely say! Sy nanao ze ao agnatiny avo koa se ze nanao gny ambaliky? 41 Omeo gny mazaly ze ao agnatiny,dra ho malio ho andrareo avo koa gny raha aby. 42 Fa loza ho andrareo ry Fariseo,satria mandoa gny ampahafolon'gny solila vo gny rota vo gny hazo hafa egny an-tanimboly andrareo,nefa sy nidareandrareo gny fahamarigna vo gny fitiavan'Agnahary. Taliavy gny manao gny mary vo mitia an'Agnahary, gny sady sy magnalio gny manao gny raha hafa avo koa. 43 Loza ho andrareo ry Fariseo,fa tiandrareo gny toera volohany egny amin'gny Synagoga vo gny fiarahaba feno fagnaza andrareo egny asena. 44 Loza ho andrareo,fa andrareo dra tahaky gny lolo sy misy famatara ze hisahin'gny olo fa sy fatany zay. 45 Gny raiky tamin'ereo mpampianasy lalana nizaka taminazy ho:''Mpampianasy o, ze zakanao zay dra manirasira anay koa.'' 46 Jesosy nizaka ho:''Loza ho andrareo, ry mpampiana-dalana! Fa mampanday eta-mavesasy vo zakan'olo andrareo, nefa sy mikasiky ze eta-mavesasy ze akory dre dra gny rasa-tagnadrareo raiky avo. 47 Loza ho andrareo, satria magnory lolo ho an'ereo mpaminany andrareo, nefa gny razambendrareo gny namono anazy reo. 48 Koa vavolombelo vo magneky gny asan'gny razandrareo andrareo,fa namono anazy tokoa ereo dra andrareo gny magnory gny lolo. 49 Noho zay avo koa ,gny nagnambaran'gny fahendren'Agnahary ho:'Handefa mpaminany vo apostoly amin'ereo Zaho,vo ereo hamono vo hagneziky gn'ilany amin'ereo.'' 50 Itiho taranaky itihomzay, gny mpaminany aby nilasaky hatramin'gny naharian'izao totolo zao, 51 nanomboky teo amy lion'i Abela dra hatramin'gny lion'i Zakaria, ze navonony agnelagnelan'gny alitara vo gny fitoera masy. Egny, zakao masy amindrareo, fa itiho taranaky itiho gny ho topon'atoky. 52 Loza ho andrareo ry mpampianasy gny lalan'gny Jiosy, satria nalandrareo gny fagnalahilin'gny fahalala;sy milisy ao gny zakandrareo,dra sakanandrareo gny ze milisy.'' 53 Tafaran'gny nialan'i Jesosy teo,dra nanohisy Anazhy gny mpanora-dalana vo gny Fariseo vo nialy hevisy taminazy mahakasiky gny raha maro, 54 sady niezaky gny hamandry Anazy tamin'gny zaka avo.