Toko faha 10

1 Dra tafaran'io raha io,dra nifily fitopolo lahy [ Fagnamariha: Maro amin'ereo fandika taloha soa indrindra gny mivaky ho:''Fitopolo'',Fa gn'ilany mivaky ho:''Ro ambi-fitopolo.''] hafa gny topo,dra nandefa anazy reo siroaroa nialoha Anazy tagny amin'gny tana aby vo toera ze fa handehany. 2 Ho Izy tamin'ereo ho:''Be gny vokasy,fa keliky gny mpiasa. Noho zay hangataho gny Topon'gny vokasy ba handefa mpiasa ba ho egny amin'gny vokasy. 3 Mandehana amin'gny lalandrareo. Hatio, alefako tahaky gny zanakagn'ondry eo agnevon'gny ambodia andrareo. 4 Ka minday fipetraram-bola,dre fipetraran'eta, dre kapa,dra ka miarahaba dre iza dre iza egny an-dala. 5 Iza tragno hilindrareo, zakao aloha ho:'Fiadagna seky ho amin'itiho tragno itiho!' 6 Raha misy olon'gny fiadagna ao, dra hitoera aminazy gny fiadagna ze zakandrareo,fa raha sy misy koa,dra hihery amindrareo zay. 7 Mitoera ao amin'io tragno io avo, mihinana vo minoma ze omen'ereo,fa gny mpiasa dra mendriky gny karamany. Ka mifindrafindra tragno. 8 Fa amin'izay tana ilirandrareo, dra mandray andrareo, hano ze aroso eo agnoloandrareo, 9 dra sitrano gny marary ze ao. Zakao ereo ho:'Fa magneky andrareo gny fakazan'Agnahary.' 10 Dre ombia dre ombia andrareo gny milisy tana dra sy mandray andrareo ereo, dra mivoaha egny an-dala dra zakao ho:'' 11 Fa dre dra gny botany gny tanandrareo ze mipitiky amin'gny tombonay avo dra ho fafanay hanohisy andrareo! Fataro anefa zao:Fa magneky gny fazakan'Agnahary.' 12 Zakao amindrareo fa amin'gny andron'gny fisara dra ho az lefery koa gny an'i Sodoma noho gny an'izay tana anizay. 13 Loza ho anao, ry Korazina! Loza ho anao,ry Betsaida! Fa raha gny asa lahibe ze natao tao aminao gny natao tagny Tyro vo Sidona, dra fa ela ereo gny nibebaky, nipetraky tamin'gny lamba fisaogna vo lavenoky. 14 fa ho azo lefery koa gny an'i Tyro vo Sidina amin'gny fisara noho gny amindrareo. 15 Anao,ry Kapernaomy, mieriserisy se anao fa ho hasandrasy agny an-dagnisy? aha, ho andesy mizoso agny amin'gny Hadesy anao. 17 Nihery am-pifalia gny fito-polo. dra nizaka ho:''Topo, dre dra hmy devoly avo dra nagneky anay tamin'gny agnaranao.'' 18 Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''Nagnety an'i Satana nilasaky laha tagny an-dagnisy manahakay gny helasy Zaho.'' 19 Hatio, fa nomeko andrareo gny fahefa hagnisaky gny menarana, gny mipozy,dra agn'abon'gny hery fahavalo aby,dra dre ino dre ino dra sy hisy handrasy andrareo amy fomba aby. 20 Dra dra zay avo dra ka mifaly avo amin'izay, hagneky andrareo gny fagnahy,fa mifalia koa ho voasorasy agny an-dagnisy gny agnarandrareo.'' 21 Tamin'io fotoa io avo dra nifily tokoa tao amin'gny Fanahy Masy izy,vo nizaka ho:''Midera Anao zaho,ry ray, Topon'gny lavisy vo gny tany,fa gny raha navoninao io tamin'gny hendry vo gny mana-say,vo nambara tamin'ereo sy manam-pahalala,manahaky gny zaza madiniky. Egny , Raiko, fa ze gny ankasitraha soa eo amasonao.'' 22 Gny raha-iaby dra nakinin'gny Ray taminahy,vo sy misy mahay ho iza gny Zanaky afa-sy gny Ray, vo sy misy mahay ho iza gny Ray afa-sy gny Zanaky vo ze nisafilian'gny Zanaky haseho Anazy.'' 23 Bak'eo dra niody teo amin'ereo mpianasy Izy dra nizaka mangingiky ho:''Samasy ze mahita gny raha ze hitandrrareo. 24 Zakako amindrareo, mpaminany vo mpazaka maro gny nagniry ahita ze raha hitandrareo,fa sy hitan'ereo zay,dra aheno gny raha rendrareo,fa sy ren'ereo zay.'' 25 Indro, nisy mpampianasy gny lalan'gny Jiosy raiky nisanga ba hisapa Anazy,dra nizaka ho:''Mpampianasy o , ino gny sy maisy hataoko ba handova gny fiaigna mandrakizay?'' 26 Jesosy nizaka taminazy ho:''Ino gny voazorasy ao amin'gny lalana? Nanao akory gny famakianao zay?'' 27 Nagnome balizaka izy dra nizaka ho:''Tiavo gny Topo Zagnaharinao amin'gny fonao aby, amin'gny fagnahinao aby, amin'gny herinao aby,dra amin'gny fisainanao aby,dra gny namanao tahaky gny vatanao.'' 28 Jesosy nizaka taminazy ho:''Mary gny navalinao. Atovy zay,dra ho velo anao.'' 29 Fa gny mpampianasy , nagniry hagnamary gny zakany,dra nizaka tamin'i Jesosy ho:''Iza gny namako?'' 30 Namaly anazy Jesosy dra nizaka ho:''Nisy lelahy raiky nizoso laha tagny Jerosalema ho agny Jeriko. Izy dra azon'ereo mpandroba, ze nandrava gny fanagna tegny aminazy aby, vo nazera anazy , dra nagnrnga anazy fa ho maty. 31 Dra sendra nisy mpisoro niriosy tamin'izay lalana zay,dra nony nahita anazy izy,dra nandeha tegny am-pita. 32 Manahaky anizay koa gny Levita raiky , gny fa niriosy tegny andafiny. 33 Fa nisy Samaritana raiky , gny fa nandeha tamin'gny nandehanany izy, dra avy teo amin'gny nizy anazy. Gny fa nahita anazy izy ,dra niysetra anazy. 34 Dra nagnato anazy izy dra namehy gny ratrany,dra nandraraky menaky vo divay tamin'izay. Nampitikiriny gny bibiny izy,dra nandesiny tagny amy tragnom-bahiny, dra nikarakarany. 35 Gny maray dra nangalaky denaria ro izy,dra nanolosy anizay tamin'gny mpampianasy. dra nanao ho:''Karakarao izy,dre dra otrino dre otrino laninao mihoasy , gny fa mihery zaho,dra ho havaiko.' 36 Iza amin'izy telo reo,araky gny eriserisinao,gny naman'gny azon'gny mpandroba?'' 37 Namaly gny mpampianasy ho:''Gny raiky ze naneho fiatra anazy.''Jesosy nizaka taminazy ho:''Mandehana dra manova manahaky anizay ko.'' 38 Vo raha niara-nandeha ereo, dra nilisy tao amin'gny tana raiky Izy,vo nisy ampela raiky tokavy ho Marta nampandroso Anazy tao an-tragnony. 39 Nana rahavavy atao ho Maria izy,ze nipetraky teo an-tombony gny Topo dra nahare gny zakany. 40 Fa Marta sahira be tamin'gny fikarakara gny sakafo ho aroso. Nagneo amin'i Jesosy izy,dra nanao ho:''Topo, sy mampagnino Anao se gny nangnangnany rahavaviko anahy hanopo anio?Koa tenoy izy ba hagnapy anahy.'' 41 Fa namaly gny Topo dra nanao taminazy ho:''Marta, Marta, magnahy amy raha maro be anao, 42 Kanefa raha raiky avo gny tena taliavy. Maria dra nifily ze soa bemze sy ho ala aminazy.''