Toko faha 8

1 Yaveh nizaka tamin'i Mosesy , nanao ho: 2 ''Alao i Arona vo reo zanadahiny miaraky aminazy, reo fitafiany vo gny dililo fagnosora, gny agn'omby lahy ho agny fagnatisy noho gny ota, gny agn'ondry lahy ro, dra gny haro fipetrarany gny mofo sy misy masirasira . 3 Avorio eo amy filira gny tragno-lay fihaogna gny fiangona aby.'' 4 Ka dra nanao araky zay nandidian'i Yaveh anazy i Mosesy, dra avy niangona teo amy filira magnany amy tragno lay fihaogna gny fiangona. 5 Laha teo nizaka tamy fiangona i Mosesy ho:''Zao gny nandidian'i Yaveh ho taterahy.'' 6 Nandesin'i Mosesy i Arona vo reo zanadahiny dra nisasainy tamy rano izy reo. 7 Nampanoviny an'i Arona gny ankazo lava dra nafehiny teo amy andilany gny hetra, nampiakazony tohitegna izy dra nasiany efoda tegny aminazy, dra nafehiny teo aminazy gny efoda niaraky tamy lamba voateno madiniky ka nifeheny tegny aminazy zay. 8 Napetrany teo aminazy gny saro-tratra, dra tao agnatinigny saro-tratra gny nasiany gny Orima vo gny Tomima. 9 Nametraky gny hamama teo amy lohany izy, dra tao agnatiny gny hamama, teo anoloa, gny nagnasiany gny takela-bolamena , vo gny diadema masy, araky gny nandidian'i Yaveh anazy. 10 Nandramby gny dililo fagnosora i Mosesy, ka nagnososy gny tabernakely vo zay aby tao aminazy dra nanoka raiky ho an'i Yaveh. 11 Nandraraky gny dililo teo amy alitara impito izy, dra nagnososy gny alitara vo reo fanaky aby tao agnatiny, dra gny tavy vo gny faladiany, ba hanoka reo ho an'i Yaveh. 12 Nandraraky gny sasany taminigny dililo fagnosora tamy lohan'i Arona izy ka nagnososy anazy ba hanoka anazy . 13 Nandesin'i Mosesy reo zanadahin'i Arona dra nampiakazo akazo lava izy reo.Namatosy hetra tamy andian'ereo izy dra namono lamba rongony fosy tegny an-dohan'ereo , araky gny nandidian'i Yaveh anazy. 14 Ninday gny agn'omby lahy ho amy fagnatisy noho gny ota i Mosesy, dra Arona vo reo zanadahiny dra nametraky gny tagnan'ereo teo amy lohany gny agn'ombilahy zay avy nandesin'ereo ho amy fagnatisy noho gny ota. 15 Nivonony zay, dra nangalaky lio vo nametraky anizay tamy tandroky gny alitara tamy fanondrony izy, nagnalio gny alitara, nandraraky gny lio teo amy ambaniny gny alitara, ka nanoka anizay ho an'Agnahary ba hanovany fagnoregna ho aminizay. 16 Nangalaky gny sabora aby ze tao agnatiny izy, gny sarogn'atiny, vo reo voany ro dra gny saborany, dra nagnoro reo anazy teo amy alitara i Mosesyu . 17 Fa gny agn'omby lahy, gny holiny, gny henany, vo gny taindrorohany koa dra nohoroa ambaliky gny toby , araky gny nandidian'i Yaveh anazy. 18 Nanolosy gny agn'ondrilahy ho amy fagnatisy oroa i Mosesy , dra Arona vo reo zanadihiny dra nametraky gny tagnany teo amy lohanigny agn'ondry lahy. 19 Nivonony zay ka nafafy magnodidy gny lafiny alitara aby gny liony. 20 Nitapatapahany gny agn'ondry lahy dra no oroany gny lohany vo reo silany dra gny saborany. 21 Nisasainy tamy rano gny atiny vo gny tombony, dra nagnoro gny agn'ondry lahy manotolo teo amy alitara izy.Zay gny fagnatisy oroa dra namoaky hagnizy mamerovero zay, fagnatisy natao tamy afo ho an'i Yaveh araky gny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 22 Laha teo dra nanolosy agn'ondry lahy raiky hafa i Mosesy, gny agn'ondry lahiny fagnamasina, dra Arona vo reo zanadahiny dra nametraky gny tagnany tamy lohany agn'ondrilahy. 23 Nivonon'i arona zay, dra nangalaky taminigny liony i MOsesy ka nametraky anizay tamy tendrony gny ravisofin'i Arona ankavana, teo amy anakakiben-tagnany ankavana , vo teo amy anakakibe-tombony ankavana. 24 Nandesin'ereo zanadahin'i Arona , dra nametraky sasany taminigny lio teo amy tendrony ravisofin'ereo ankavana , vo teo amy anakakibe-tombon'ereo ankavana izy.Laha teo Mosesy namafy gny liony magnodidy gny lafny alitara iaby. 25 Nalany gny sabora, gny hoiny matavy, gny sabira aby zay tao agnatiny, gny saron'atiny, gny voany ro vo gny saborany, dra gny feny havana. 26 Laha tamy haro (vaha) mpisy mofo sy misy lalivay zay teo anatrehani'i Yaveh, gny nangalany mofo sy misy lalivay raiky, dra mofo misy dililo, vo mofo matify, dra nametraky reo teo amy sabora vp teo amy feny havana. 27 Napetrany tegny antagnan'i Arona vo gny tagnan'ereo zanadahiny avo koa reo dra nahevaheva teo anatrehan'i Yaveh reo ba ho fagnatisy ahevaheva . 28 Dra nangalaky reo tegny antagnan'ereo i Mosesy ka nagnoro reo teo amy alitara ho amy fagnatisy oroa.Reo dra fagnatisy fagnamasina dra namoaky hagnisy mamerovero.Zay gny fagnatisy natao tamy afo ho an'i Yaveh. 29 Nandray gny tratra vo nagnevagneva anizay ho fagnatisy ahevaheva ho an'i Yaveh i MOsesy.Zay gny fizaran'i Mosesy gny agn'ondry lahy ho agny fanokana reo mpisoro, araky gny nandidiany'i Yaveh anazy. 30 Nangalaky taminigny dililo fagnosora vo gny lio ze teo amy alitara i Mosesy;namafy reo tamin'i Arona, tamy akazony, tamin'ereo zanadiny, vo tamy akazon'ereo zanadahiny izy.Manahaky anizay gny nanokanany an'i Arona vo gny akazony, dra reo zanadahiny vo gny akazon'ereo ho an'i Yaveh. 31 Ka dra nizaka tamin'i Arona vo reo zanadahiny i Mosesy ho:''Ampandeveziny eo amy filira magnagny amy tragno-lay fihaogna gny hena, dra hano zay vo gny mofo zay ao agnatiny vaha fagnamasina, araky gny nandidiako, nanao ho:''Hihina anizay i Arona vo reo zanadahiny.' 32 Zay aby sisa amy hena vo gny mofo dra ao horoanao. 33 Ka mizaka laha teo amy filiranigny tragno- lay fihaogna ao agnatiny hafitoa iandrareo, mandra -pahatateraha reo andro gny fanokana andrareo. Fa Yaveh gny hagnamasy andrareo ao agnatiny hafitoana. 34 Zay fa natao androany-dra nididin'i Yaveh ho vita ba hanova fagnavaha ho andrareo. 35 Hitoesy andro vo hariva ao amy filiranigny tragno lay fihaogna mandrasy gny hafitoa iandrareo, dra hitandry gny didin'i Yaveh, ba sy ho maty iandrareo, satria zay gny fa nandidiany anahy.'' 36 Ka dra nanap reo raha iaby zay nandidian'i Yaveh anazy reo tamy alalan'i Mosesy i Arona vo reo zanadahiny.