Toko faha 23

1 Yaveh nizaka tamin'i Mosesy ho: 2 ''Miresaha amy vahoakin'Israely, dra milaka amin'ereo ho:'Tahoky aby reo firavoravoa voatendry ho an'i Yaveh, zay sy maisy ambarandrareo ho fiombona masy;reo gny firavoravoako mahazasy. 3 Afaky miasa mandrisy gny enina andro iandrareo, fa gny andro fahafito dra Sabata fisahara tateraky, fiombona masy .Ao iandrareo sy hiasa satria Sabata ho an'i Yaveh amy toera aby zay honenandrareo anizay. 4 Tahoky aby reo firavoravoa voatendrin'i Yaveh, dra reo fiombona masy ze sy maisy zakandrareo amy fotoany voatondro: 5 Amy vola volohany, amy andro fahahefasy gny vola amy takariva , gny Paskan'i Yaveh. 6 Amy andro faha-dimy ambiny folon'io vola io avo gny Firavoravoany Mofo sy misy masirasira ho an'i Yaveh.Mandrisy gny fito andro iandrareo dra sy maisy mihina mofo sy misy masirasira. 7 Gny andro volohany dra sy maisy atokandrareo ba hiangona miaraky;sy hanao reo asa mahazasy andrareo iandrareo. 8 Hanolosy fagnatisy hohany ho an'i Yaveh iandrareo mandrisy gny fito andro.Gny andro fahafito dra fiombona natoka ho an'i Yaveh, dra amin'io andro io iandrareo dra ao sy hanao gny asa mahazasy.''' 9 Yaveh nizaka tamin'i Mosesy, nanao ho: 10 ''Miresaha amy olon'Israely dra mizaka amin'ereo ho:'Fa gny avy ao amy tany izy homeko andrareo, dra fa gny miziza reo vokasin'izay iandrareo, dra sy maisy minday gny amboarany voloham-bokasy ho agny mpisoro. 11 Hanandrasy gny amboara eo anatrehan'i Yaveh izy dra hanolosy anizay ho anazym fa ho ankasitraha eo amindrareo zay.Amy andro tafarany Sabata gny hanandratany mpisoro zay vo hanolorany anizay ho Anahy. 12 amy andro zay hanandratandrareo gny amboara vo hanolora anizay ho anahy, dra sy maisy manolosy zanakagn'ondry lahy raiky heritao vo sy misy handrany ho fagnatisy oroa ho an'i Yaveh iandrareo. 13 Gny fagnatisy tegnany dra sy maisy koba malemy ro amahafolony efaha miaro menaky , fagnatisy natao tamy afo ho an'i Yaveh, ba hamoaky hagnisy ankasitraha, dra divay fagnatisy nomy, raiky ampahefasy gny hina miaraky amin'izay. 14 Ao iandrareo sy hihina mofo, na vary nendazy na sotra, mandra-pahaviny andro nindesandrareo io fagnatisy io ho agny Zagnaharindrereo.Ho lalana raikisy amy taranakin'ereo vahoakindrareo,amy toera aby honenandrareo zay. 15 manomboky amy andro tafarany Sabata-zay andro nindesandrareo gny amboara gny fagnatisy araviravy -dra magnisy fito herignandro feno. 16 Hagnisy dimampolo andro, zay ho andro afarany Sabata fahafito iandrareo.Laha teo dra sy maisy hanolosy fagnatisy vary vaovao ho an'i Yaveh. 17 Sy maisy hinday mofo ro natao tamy ro ampahafolony efaha laha tagny antragnondrareo iandrareo.Ao ho vita amy koba soa lisa vo mofo misy lalivay reo;ho fagnatisy voloham-bokasy haraviravy ho an'i Yaveh reo. 18 Sy maisy atolondrareo miaraky amy mofo reo zanakagn'ondry lahy fito heritao vo sy misy handrany, vatonagn'ombikahy raiky, dra agn'ondrilahy ro.Sy maisy atao fagnatisy oroa ho an'i Yaveh, miaraky amy fagnatisy tegnan'ereo vo gny fagnatiny nomy reo, fagnatisy ze natao tamy afo ka mamoaky hagnisy ankasitraha ho an'i Yaveh. 19 Sy maisy manolosy osilahy raiky ho agny fagnatisy gny heloky iandrareo dra zanakagn'ondrilahy ro heritao ho agny soro, ho fagnati-pihavana. 20 Gny mpisoro dra sy maisy mandravindravy reo miaraky amy mofon'ereo voloham-bokasy eo anatrehan'i Yaveh, dra manolosy anazy reo ho anazy ba ho fagnatisy miaraky amin'ereo zanakagn'ondry ro.Amin'ereo mpisoro, reo fagnatisy masy ho an'i Yaveh. 21 Amin'io andro io avo iandrareo dra sy maisy manao fagnambara.Hisy gny fiombona masy , ka sy hanao gny asa mahazasy iandrareo.Ho lalana raikisy amy taranak'ereo vahoakindrareo amy toera aby honenandrareo zay. 22 Fa gny miziza gny vokasy gny tanindrareo iandrareo, dra sy tokony gny hiziza tateraky reo zoron'ereo sahandrareo, dra sy tokony hanango ze lasaky amy vokasindrareo vo ho agny vahiny reo.Zaho gny Yaveh Zagnaharindreo.''' 23 Niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh , nanao ho: 24 ''Miresaha amy vahoakin'Israely dra mizaka ho:'Amy vola fahafito, gny andro volohan'izay vola zay dra ho fisahara magnetriketriky ho andrareo, fahasiarova miaraky amy fisofa trompetra, dra fiombona masy. 25 Ao iandrareo sy hanao gny asa mahazasy,dra ao iandrareo hanolosy sorona natao tamy afo ho an'i Yaveh.''' 26 Dra niresaky tamin'i Mosesy Yaveh, nanao ho: 27 ''Dra amy andro fahafolon'izay vola fahafito zay gny androny Fagnavota.Ho Fiombona masy zay, dra iandrareo dra sy maisy manetry gny vatandrareo dra manolosy fagnatisy natao tamy afo ho an'i Yaveh. 28 Ao iandrareo sy hiasa amin'io andro io satria androny Fagnavota zay, ba ho fagnavita ho agny vatandrareo eo anatrehan'i Yaveh Zagnaharindreo. 29 Zay aby sy magnendry gny vatany amin'io andro io dra sy maisy ala aby eo amy olony. 30 Na iza na iza miasa amin'io andro io, Zaho, Yaveh, dra handava anazy eo amireo olony. 31 Aoky handrareo sy hanao asa amin'io andro io na ino na ino zay. Ho lalana raikisy amigny taranak'ireo vahoandrareo amigny toeran'aby honegnandrareo zay. 32 Zay andro zay dra sy maisy ho sabata fisahara magnetriketriky hondrareo, dra handrareo dra sy maisy magnety gny vatandrareo amigny andro fahasivinigny vola amigny hariva. Manomboky amigny hariva dra hatramigny hariva handrareo dra hakalaza gny sabandrareo." 33 Yaveh nizaka tamin'i Mosesy, nanao anizahoky ho: 34 "Mizaka amigny olon'Israely, manao anizahoky ho: 'Amigny andro fahadimy ambiny folonigny vola fahafito gny ho Firavoravoanigny felofa ho an'i Yaveh. Haharisy fito andro zay. 35 Amigny andro volohany dra sy maisy hisy fiombona masy. Aoky handrareo sy hanao gny asa mahazasy. 36 Mandrisy reo fito andro handrareo dra sy maisy manolosy soro natao tamigny afo ho an'i Yaveh. Amigny andro fahavalo dra sy maisy hisy fiombona masy, dra sy maisy manao soro amigny afo atolosy ho an'i Yaveh handrareo. Fiombona magnetriketriky zay, dra handrareo dra aoky sy hanao gny asa mahazasy. 37 Reo gny feravoravoa voatendry ho an'i Yaveh, ze sy maisy ambarandrareo ho fiombona masy ba hanolora soro natao tamigny afo ho an'i Yaveh, fagnatisy oroa vo fagnatisy vary, soro vo fagnatisy onomy, gny sirairay samby amigny androny aby. 38 Reo firavoravoa reo dra fagnomeza, reo voadindrareo aby, dra reo fagnatindrareo asitrapo ze homendrareo an'i Yaveh. 39 Momba gny Firavoravoanigny Felofa, amigny andro fahadimy ambiny folonigny vola fahafito, gny fa voavory reo vakasy gny tany, drasy maisy tandremandrareo io firavoravoan'i Yaveh mandrisy gny fito andro io. Gny andro volohany dra ho fisahara magnetriketriky, dra gny andro fahavalo avo ko dra ho fisahara magnetriketriky. 40 Amigny andro volohany handrareo dra sy maisy mangalaky gny vokasy soa indrindra avy amireo hazo handrareo, sapanigny hazo rofia, vo sapany be raviny ao amigny ala kisoky, dra hazo malahelo egny amireo loharano, dra hifaly eo agnatrehan'i Yaveh zagnaharindrareo mandrisy gny fito andro handrareo. 41 Mandrisy reo fito andro isa-tao, dra sy maisy makalaza io firavoravoan'i Yaveh io handrareo. Ho lalana raiky amigny taranak'ireo vahoandrareo amigny toeran'aby hagnonerandrareo anizay. Sy maisy hakalaza io firavoravoa io handrareo amigny vola fahafito. 42 Ao iandrareo hony amy fialofa masaiky mandrisy gny fito andro.Reo Israelita tera-tany aby dra sy maisy hony amy fialofa masaiky mandrisy gny fito andro, 43 ba ho afaky hianasy gny fomba namponenako gny oln'Israely tamy fialofa manahaky anizay fa gny notarihiko niala gny tany Egypta reo taranakindrareo, gny taranaky mifandimby .Zaho gny Yaveh Zagnaharindreo.''' 44 Tamin'izay fomba zay, gny nagnambaran'i Mosesy tamy olon'Israely reo firavoravoa voatendry ho an'i Yaveh.