Toko faha 21

1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy:''Miresaha amin'ereo mpisoro, reo zanadahin'i Arona ,dra zakao izy reo ho:'Ao sy hisy na raiky amindrareo ka handoto gny vatany ho noho gny amin'ereo zay maty eo amy olony, 2 afa-sy reo havany mariny anazy-gny reniny, gny rany, gny zanadahiny, zanakapelany, gny rahalahiny, 3 na gny anabaviny virijyny zay miatehisy aminazy, ambara-panagnany valy-fa mety handoto gny vatany nohony aminazy izy. 4 Saiky ao sy handoto gny vatany amy olon-kafa izy ka handoto gny vatany. 5 Ao reo mpisoro sy hanarasy gny lohany na hagnarasy reo sisiny volon-bavany, na hitetiky gny vatany. 6 Ao ho masy amy Zagnahariny izy ro dra sy hanimbazimba gny agnaran'Agnahary,satria ny mpisoro gny magnome gny fagnatisy hohany ho an'i Yaveh, gny mofo gny Agnaharin'ereo.Noho zay ao ho masy reo mpisoro. 7 Ao izy reo sy hanambaly gny ampela ze mpivaro-tena vo maloto, dra ao sy hanambaly ampela nisara-baly izy reo, satria izy reo dra voatoka ho agny Zagnaharin'ereo . 8 Hatokandrareo izy, satria izy gny manolosy mofo ho an'Agnaharindreo.Ao ho masy amindrareo izy, satria Zaho , Yaveh zay magnamasy andrareo, dra masy. 9 Gny zanakapelany mpisoro zay mandoto gny vatany amy fahalasana ho mpivaro-tena mangakara gny rany .Dra ao ho oroa izy. 10 Zay mpisorom-be eo amin'ereo rahalahiny , zay fa nandraraha dililo fagnosora teo amy lohany, dra zay fa nohamasy hiakazo gny ankazo voatoka ho agny mpisorom-be , dra ao sy hampisarakorako gny volony na haniasy gny ankazony. 11 Ao sy handeha egny amin'izay misy fatin'olo izy ka handoto gny vatany, na gny rany na gny reniny avo. 12 Ao gny mpisorom-be sy hagnenga gny farisy gny fitoera masy gny tabernakely na hanimbazimba gny fitoera masin'Agnahariny, satria fa nohamasy ho mpisorom-be tamy alalany fagnosora gny dililo gny Zagnahariny izy.Zaho gny Yaveh. 13 Ao gny mpisoro hangalaky valy virijiny. 14 Ao izy sy hanambaly mpinday vata, ampela nisara-baly, na ampela mpivaro-tena.Sy hanambaly anizay karaza-napela zai izy.Virijiny laha tamy olony avo gny azony valiany, 15 ka sy handotoany gny zanany eo amy vahoakiny, satria Zaho gny Yaveh, gny nagnamasy anazy.''' 16 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy, nanao ho: 17 ''Miresaha amin'i Arona dra zakao anazy ho:'Zay aby mana handrany ara-bata amy taranakindrareo vo gny fara mandimbin'ereo, dra ao izy sy hagnato ka hanolosy hany ho agny Zagnahariny. 18 Ao sy hagnato an'i Yaveh gny olo aby zay mana handrany ara-bata, manahaky gny olo poaky sy afa-mandeha , zay sola tarehy na sembana, 19 gny olo zay manan-takaisy gny tagnany na tombony, 20 gny olo zay misy votany ao andamosiny na kaozatina na bory,na olo misy takaisy gny masony, na misy arety, na areti-maso, lagaly, na ze vihy fa torotoro. 21 Sy misy olo eo amy taranak'i Arona mpisoro mana handrany ara-bata ka hagnariny ba hagnatateraky gny fagnatisy atao amy afo ho an'i Yaveh.Gny olo mana handrany ara-bata manahaky zay;dra ao izy sy hagnariny ka hanolosy mofo ho agny Zagnahariny. 22 Afaky mihina gny sakafon'Agnahariny izy, na gny sasany amin'ereo masy indrindra na sasany amin'ereo masy. 23 Na zay avo, ao sy hilisy agnatiny lamba fanakona na hagneky gny alitara izy, satria manan-kandrany ara-bata izy, ba sy mandoto gny toerako masy , satria zaho gny Yaveh, zay magnamasy reo.''' 24 Ka noresahan'i Mosesy tamin'ereo zanadahiny vo reo zanak'Israely aby.