Toko faha 21

1 Dra gny lelahin'Israely nanao fapanatena tao Mizpa ho: "Sy hisy amisika hagnome gny zanakapelany hanambaly Benjamita." 2 Dra nagnagny Betela gny vahoaky dra nitoby tagny teo agnatrehan'Agnahary hatramigny hariva, dra nitomagny fatrasy tamigny feo abo ereo. 3 Hoy ereo nitoka fatrasy: "Nagnino, ry Yaveh, Zagnaharin'Israely, gny nitranga tamigny Israely zao, dra sy ho eto aminay sasy gny raiky amireo fokonay amizao?" 4 Nifoha maraindray gny vahoaky dra nananga alitara teo dra nanolosy fagnatisy oroa vo fagnati-pihavana. 5 Hoy gny vahoakin'Israely ho: "Iza tamireo fokon'Israely gny sy niakasy tao amigny fengona tagny amin'i Yaveh?" Akory nanao fapanatena lahibe vatany ereo mahakasiky gny olo ze sy niakasy teo amin'i Yaveh tagny Mizpa. Hoy ereo ho: "Tena hovono ho maty izy." 6 Nana fangoraha-po tamin'i Benjamina rahalahin'ereo gny vahoakin'Israely. Hoy ereo ho: "Voafongosy sy ho eo amigny Israely gny foko raiky amizao. 7 Iza gny hagnome valy reo sisa tavela, akory fa nanao fapanatena tamin'i Yaveh isika fa sy hagnenga anereo hanambaly reo zanasika apela?" 8 Hoy ereo ho: "Iza tamireo fokon'i Israely gny sy niakasy tagny amin'i Yaveh tagny Mizpa?" Fatasy fa sy nisy olo avy tao amigny fengona gny boak'agny Jabesy Gileada. 9 Fa gny fa nienga tamigny fomba nirindra gny vahoaky, ingo, sy nisy avy teo reo ponin'i Jabesy Gileada. 10 Nagniraky ro arivo sy ray aly tamireo lelahy be hiri-po faratapony miaraky amigny toromariky gny fengona ba handeha agny Jabesy Gileada dra hanafiky anereo, dra hamono anereo, egny fa na dre gny zaza ama-napela aza. 11 "Izao gny atovy: Sy maisy vonondrareo gny lelagy aby vo gny apela aby ze fa nindray nandry tamina lelahy." 12 Nahita tovovavy afazato ze bo sy nindray nandry tamina lelahy tamireo velo tao Jabesy Gileada reo lelahy, dra nandesin'ereo tagny atoby tagny silo, tagny Kanana ereo. 13 Nandefa hafasy tamireo vahoakin'i Benjamina ze tagny amigny harambaton'i Rimona gny fengona manotolo fa nanolosy fihavana ho anereo ereo. 14 Nihery tamizay andro zay reo Benjamita dra name anereo gny apelan'i Jabesy Gileada, nefa sy apy ho anazy aby reo gny apela. 15 Nanegny tamizay nitranga tamin'i Benjamina gny vahoky, akory nizarazaran'i Yaveh reo fokon'Israely. 16 Dra hoy reo pitariky gny fengona ho: "Hataosika akory gny hagnomeza valy ho an'ireo Benjamita ze sisa tavela, sisa fa nivonony reo apelanigny Benjamina?" 17 Hoy ereo ho: "Sy maisy misy lova ho an'ireo sisa velon'i Benjamina, ba sy hisy foko voaringa amigny Israely. 18 Sy afaky magnome valy amireo zanadahiny apela ho anereo zahay, akory nanao fapanatena reo vahoakin'Israely ho: 'Voaozo ze magnome valy an'i Benjamina."' 19 Dra hoy ereo ho: "Fatandrareo fa isa-tao dra misy andro firavoravoa ho an'i Yaveh agny Silo(avaras'i Betela, asignananigny lala miakasy boak'agny Betela magnagny Sekema, dra asimon'i Lebona)." 20 Nandidy reo lelahinigny Benjamina ereo, nanao anizahoky ho: "Mandehana dra mivonia dra mandignisa ao amigny tanim-boaloboky. 21 Mandignisa gny fotoa ze hiboahan'ireo zaza apela boak'agny silo hasizaky, dra miboaha malaky boak'ao amigny tanim-boaloboky dra minambora valy boak'amireo zaza apela boak'agny Silo gny sirairay aby amindrareo, boak'eo dra miheregna agny amigny tanin'i Benjamina. 22 Gny fa avy hanohisy asika reo ran'ereo na reo anadahin'ereo, dra hizaka isika ho: 'Anehoy famindra-po zahay! Angao ereo hizano akory sy ba nahazo valy ho anigny lelahy sirairay nandrisy gny aly izahay. Sy mana-signy handrareo, akory sy namendrareo anereo gny zanakapelandrareo." 23 Nataonigny vahoakin'i Benjamina zay. Nalan'ereo tamireo zaza apela nisizaky gny isanigny valy ze nalan'ereo dra nandesin'ereo ho valiny ereo. Lasa ereo dra nihery tagny amigny toeran-dovan'ereo. Nahoron'ereo ndraiky gny tana vo nipetraky tao amizay. 24 Dra nagnenga anizay toera zay dra nandeha noly gny vahoakin'i Israely, samby agny amigny foko vo gny fianakaviany aby, dra samby agny amigny lovany aby. 25 Sy nisy pazaka tao Israely tamizay andro zay. Samby nanao ze mary teo amasony gny olon'aby.