Toko faha 20

1 Dra niboaky manahaky gny olo raiky reo olon'Israely, boak'agny Dana dra hatragny Beri- sheba, agnisan'izay avo koa gny tanin'i Gileada, dra nindray nivory teo agnatrehan'i Yaveh tagny Mizpa ereo. 2 Reo lahiben'i vahoaky aby, gny fokon'Israely aby, nitakasy gny toeran'ereo tao amigny fengonanigny vahoakin'Agnahary__lelahy 400. 000 mandeha tomboky, ze vonona hialy amigny sabasy. 3 Dra ren'ireo olon'i Benjamina fa niaraky tagny Mizpa reo vahoakin'Israely. Reo olon'Israely nizaka ho: "Zakao anay ho akory gny nahavy anizao raha-rasy zao." 4 Gny Levita, valin-drapela raiky ze nivonony, namaly ho: "Nagnagny Gibea agny amigny farisy ze an'i Benjamina zaho, izaho vo gny valisindranoko, ba handay gny hariva. 5 Nandrisy gny hariva, dra nanafiky anahy reo pitarik'i Gibea, nagnodidy gny tragno dra nisaka gny hamono anahy. Nisamboriny vo naolan'ereo gny valisindranoko, dra maty izy. 6 Nalako gny valisindranoko dra nitapatapahiko gny vatany, dra nalefako tagny amigny farisy gny lovan'Israely sirairay reo, akory nagnatateraky faharasia vo fanafitohigna manahaky anizay tany Israely ereo. 7 Amizao, handrareo Israelita aby, ameo gny hevindrareo dra manoro hevisy etoana." 8 Nindray nisanga manahaky gny olo raiky gny vahoaky aby, dra hoy ereo ho: "Sy hisy aminay hagnagny amigny lainy, dra sy hisy aminay hihery ao atragnony! 9 Fa amizao koa dra izao gny sy maisy ataosika an'i Gibea: Hanafiky anereo araky gny hitarihanigny filoka asika isika. 10 Hangalaky lelahy folo amigny zato manera gny fokon'Israely aby isika, vo zato amigny arivo, dra arivo amigny raialy, ba hangalaky vasy ho an'ireo olo reo, dra gny fa avy agny Gibea agny Benjamina ereo, dra hosazy amigny rasy ze nataon'ereo tany Israely." 11 Noho izay dra nivory hanohisy gny tana, manahaky gny olo raiky, reo maramilan'Israely. 12 Nandefa lelahy tagny amigny fokon'i Benjamina reo fokon'Israely, nizaka ho: "Ino zao rasy nataondrareo teo amindrareo zao? 13 Noho izay, ameo anay reo lelahy rasy fagnahy agny Gibea reo, ba hahafahanay mamono hohafaty anereo, dra ba hagnalagnany tanteraky zay rasy zay amin'i Israely.'' Fa i Benjamina dra sy te-hahare gny zakan'ireo rahalahiny, reo olon'i Israely. 14 Dra nindrai-niboaky gny tana reo olon'i Benjamina ba hivonana hialy amigny olon'Israely. 15 Dra nindrai-netina avy tao amigny tanan'izy reo gny olon'Israely ba hialy amigny maramila enina arivo vo ro aly zay fa voafana hialy amigny sabatra. Akoas'izay, dra nisy lelahy fitozato voafily amin'ireo ponin'i Gebea. 16 Teo amin'ireo maramila aby dra nisy lelahy fito arivo viafily zay kavia. Gny kiraikiraiky tamin'izy reo dra mahavita mitoraky singam-bolo amigny vaton'antsamotady dra sy mive. 17 Gny vahoakin'Israely, gny sy isahy reo avy amin'i Benjamina, dra miisa 400. 000 olo. zay voaoma hialy amigny sabatra. Reo aby reo dra lelahy pialy. 18 Nisanga reo olon'Israely, nandeha tagny Betela, dra nangataky torohevisy tamin'i Zagnahary; nagnotany izy ho: ''Iza gny hanafiky volohany an'ireo olon'i Benjamina ho anay? dra Yaveh nizaka ho: ''Joda gny hanafiky volohany.'''' 19 Nifoha maraindray reo olon'Israely dra namindra gny tobiny agnilan'i Gibea. 20 Niakasy hialy amin'i Benjamina reo olon'Israely. Nametraky reo toerana amigny aly tagny Gibea izy reo. 21 Niboaky avy agny Gibea reo olon'i Benjamina, dra namono lelahin'ny tafik'Israely ro arivo vo ro aly taminizay andro izay. 22 Fa napahery tegna gny olon'Israely dra namoro filahara teo amigny toerana zay nilaharan'izy reo tamigny andro volohany izy reo. 23 Dra niakasy reo olon'Israely dra nitomagny teo alohan'i Yaveh mandra-pahariva gny andro izy reo, dra nitalia lala tamin'i Yaveh izy reo. Hoy izy reo ho: ''Moa se tokony handeha hialy amin'ireo rahalahinay izahay, reo olon'i Benjamina?'' Dra Yaveh nizaka ho: ''Tafiho izy reo!''' 24 Dra nandeha nanohisy reo maramilan'i Benjamina reo olon'Israely gny andro faharo. 25 Tamigny andro faharo, dra niboaky nanohisy anazy reo tagny Gibea i benjamina dra namono lelahy valorivo vo raialy avy tamigny olon'Israely Izy aby dra lelahy voaoma hialy amigny sabatra. 26 Dra nandeha nindray ho agny Betela aby reo maramilan'Israely vo reo vahoaky aby dra nitomagny, dra nitoboky teo alohan'i Yaveh tagny izy reo dra nifaly hany mandra-pahariva tamin'izay andro izay dra nagnome fagnatisy oroa vo fagnati-pihavana teo agnatrehan'i Yaveh. 27 Nagnotany an'i Yaveh ireo olon'Israely__satria tagny gny fiaran'ny fagneken'i Zagnahary tamin'izay andro izay, 28 Dra nanopo teo agnatrehan'ny fiara i Fineasy zanak'i Eliazara zanaky lahin'i Arona tamin'izay andro izay___''Tokony hiboaky hialy amigny olon'o Benjamina, rahalahinay, indray koa se izahay sa hizano?'' Hoy Yaveh ho: ''Tafiho, satria hagnapy andrareo handresy anazy ireo zaho maraindray.'' 29 Dra nametraky olo tagny amigny toerana miafina nagnodidy an'i Gibea i Israely. 30 Nialy tamin'ireo olon'i Benjamina ireo olon'Israely tamigny andro fahatelo, dra nametraky gny filaharan'aly nanohisy an'i Gibea izy reo araky izay fa nataony teo aloha. 31 Nandeha dra nialy tamin'ireo vahoaky gny olon'i Benjamina, dra voaroaky niala gny tana izy reo. Nanomboky namono gny sasany tamin'ireo vahoaky izy reo. Teo amigny olon'Israely telopolo teo gny maty tagny asaha vo teo andala. Gny raiky tamin'ireo lala dra niakasy nagnagny Betela, dra gny raiky hafa dra nagnagny Gibea. 32 Dra hoy gny olon'o Benjamina ho: ''Resy izy reo dra nandososy lavisy asika, manahaky gny tamigny volohany avo.'' Saiky hoy reo maramilan'Israely ho: ''Andeha isika hilomay hihery dra handroaky anazy reo hiala amigny tana ho egny andala.'' 33 Dra nisanga avy teo amigny toeran'izy reo gny olon'Israely aby dra nanao filaharan'aly tagny Bela-tamara. Dra nilomay niboaky avy tao amigny fitobohany ireo maramilan'Israely izay nivony tao amigny toerana fivonia tao Mare-gibea. 34 Reo nisy lelahy voafatina raialy avy agny Israely niboaky hanohisy an'i Gibea, dra namaivay gny aly, fa sy nahafatasy reo Benjamina fa nagnato anazy reo gny loza. 35 Nandresy an'i Benjamina teo alohan'Israely i Yaveh. Tamin'izay andro izay, dra nahafaty olon'i Benjamina 25. 100 reo maramilan'Isrealy. Reo aby maty dra reo izay fa voaoma hialy amigny sabatra. 36 Dra hitan'ireo maramilan'i Benjamina fa resy ereo. Nagnome lala an'i Benjamina reo olon'Israely, satria nahatoky reo olo zay natobin'izy reo tagny amigny fitoboha nivonia tagny ivelan'i Gibea ereo. 37 Dra nisanga reo lelahy nivony dra nirifasy tagny Gibea malaky, dra tamigny sabatr'iizy reo gny namonoany gny olo aby zay nonina tao atana. 38 Gny famatara nifagnaraha teo amin'ireo maramilan'Israely vo reo lelahy nivony mangingina dra hisy raho-setroky lahibe hiakasy avy ao atana. 39 Gny lasa gny famatara dra nilavo lefo tamigny aly reo maramilan'Israely. Dra nanomboky nanafiky i Benjamina dra nahafaty olon'Israely magnodidy gny telopolo, dra hoy izy reo ho: ''Azo atoky fa resy eo agnatrehasika izy reo, manahaky gny tamigny aly volohany.'' 40 Gny nanomboky nisy andrindraho niboaky avy tao amigny tana dra nitoliky reo Benjamita dra nahita hoto nagnaniky gny lagnisy avy eo amigny tana aby. 41 Dra nivaliky tamin'izy reo gny olon'Israely. Raiki-tahosy reo lelahyn'i Benjamina, fa hitan'izy reo fa avy tamin'izy reo gny loza. 42 Noho izay dra nandososy an'ireo olon'Israely izy reo, nienga tagny amigny lala magnagny agnefisy. Nefa nahatrasy anazy reo gny aly. Niboaky gny tana reo maramilan'Israely dra nahafaty anazy reo tegny amin'izay nisanganany. 43 Nihodidy an'ireo Benjamina ereo, nanao haza-lambo anereo dra nagnosiosy anereo tagny Noaha, tagny amigny lalanigny asignanan'i Gibea. 44 Valo arivo sy ray aly gny olo maty boak'ao amigny fokon'i Benjamina, gny tamin'ereo aby dra lelahy niavaky tamigny aly. 45 Nihodidy ereo dra nienga nizosy nagnagny agnefisy tagny amigny vatolapin'i Rimona. Nahafaty olo dimy arivo hafa tamin'ereo gny Israelita tegny an-dala. Nagnitriky anereo hatragny ereo, dra nagnaraky anereo mariny tagny an-dala nagnagny Godoma, dra tagny gny namonoan'ereo olo ro arivo fagnapiny. 46 Dimy arivo sy ro aly reo maramilan'i Benjamina aby lavo tamizay andro zay__dra lelahy ze voaoma hialy amigny sabasy; izy aby dra niboaky tamigny aly. 47 Nefa lelahy enizato gny nihody dra nienga tagny agnefisy, nagnagny amigny vatolapin'i Rimona. Nitoby tagny amigny vatolapin'i Rimona nandrisy gny efa-bola ereo. 48 Nihery hanohisy reo olon'i Benjamina reo maramilan'Israely dra nanafiky vo namono anereo__gny tana manotolo, reo biby teza, dra reo raha aby ze hitan'ereo. Noroan'ereo avo koa reo tanan'aby tegny amigny lalan'ereo.