Toko faha 18

1 Tamizay andro zay dra bo sy nisy pazaka tao Israely. Nitalia farisy honegna gny fokonigny tarinak'i Dana, akory tamizay andro zay dra sy nahazo lova tamireo fokon'Israely mahisy ereo. 2 Nagniraky lelahy dimy tamireo olo maro be tao amigny fokon'ereo gny vahoakin'i Dana, lelahy ze pialy fa za-draharaha boak'amin'i Zora vo Estaola, ba handeha hiodikidy atomboky amigny tany, dra hagnety anizay. Hoy ereo tamin'ereo ho: "Mandehana dra atio gny tany." Avy tagny amigny tany havoan'i Efraima ereo, tagny amigny tragnon'i Mika, dra nizano tao ereo gny hariva. 3 Gny fa nagnariny gny tragnon'i Mika ereo, dra nahafatasy gny fizakanigny zatovo Levita. Ko dra nizano ereo dra nagnotany anereo: "Iza gny ninday anao tatiky? Ino gny ataonao atiky amity toera ty? Nagnino hanao gny eto?" 4 Hoy izy tamin'ereo ho: "Izao gny nataon'i Mika taminahy: Nikaramany ho lasa pisoro zaho." 5 Hoy ereo taminazy ho: "Ba agnotanio re gny hevis'Agnahary, ba hahafataranay raha hahomby gny lia ze andehanany." 6 Hoy gny pisoro tamin'ereo ho: "Mandehana apiadagna. Hitariky andrareo amigny lala toka andrehanandrareo i Yaveh." 7 Dra lasa reo lelahy dimy dra avy tao Laisy, dra nahita ereo fa niay apedagna gny vahoaky, manahaky gny fomba niegnan'ireo Sidoniana, sy voa-korota vo voaaro. Sy nisy nambabo na napasiaky anereo tamigny fomba aby tao amigny tany. Nony lavisy anigny Sidoniana ereo dra sy nana fifandresa tamin'iza na iza. 8 Nihery tagny amigny fokony agny Zora vo Estaola ereo. Dra nagnotany anereo gny apela ho: "Ino gny tatisindrareo?" 9 Hoy ereo ho: "Avia! Ndao hanafiky anereo! Fa hitanay gny tany dra tena soa zay. Sy hanao na ino na ino ra handrareo? Ka mitaredresy hanafiky vo hangalaky gny tany. 10 Gny fa mandeha handrareo, dra ho avy agny amigny vahoaky ze mihevisy fa sy mana ahiahy ereo, dra midadasiky gny tany! Namen'Agnahary andrareo zay__dra toera raiky ze sy ahita sy fahapia ao amigny tany." 11 Nisy enizato lahy boak'amigny fokon'i Dana, mita fitova-pelia, niboaky boak'agny Zora vo Astaola. 12 Niakasy ereo dra noly tao Kiriata-jearima, ao Joda. Izay gny atony hitokavanigny olo io toera io ho Mahane-dana mandrak'amizao; ao andrefan'i Kiriata-jearima zay. 13 Niala tao agnilany amigny tany havoan'i Efraima ereo dra avy tao amigny tragnon'i Mika. 14 Dra hoy reo lelahy dimy ze nandeha ba hiakody tagny amigny firenen'i Laisy tamireo havany ho: "Fatandrareo ra fa ato amity tragno tahoky dra misy efoda, terafima, sarin-draha voasokisy, dra sarin-draha an'indina? Ko manapaha havesy amizao gny amize hantaondrareo." 15 Ko nivily tao ereo dra avy tagny amigny tragnonigny zatovo Levita, tao atragnon'i Mika, dra niarahaba anazy ereo. 16 Dra reo Danita enizato, nanao fitova-pelia, dra nisanga teo amigny fidiranigny vavahady. 17 Reo lelahy dimy ze nandeha hisafo gny tany dra nagnagny dra nangalaky gny sarin-draha voasokisy, gny efoda, reo terafima, dra gny sarin-draha an-idina, raha nizoro teo amigny fidira eo amigny vavahady niaraky tamigny lelahy enizato minday fitova-pelia gny pisoro. 18 Gny fa nagnao amigny tragnon'i Mika reo dra nangalaky gny sary an'idina, efoda, reo zagnahary gny tokatragno, dra gny sarin-draha voasokisy, dra hoy gny pisoro tamin'ereo ho: "Ino zao ataondrareo zao?" 19 Hoy ereo taminazy ho: "Marevoky! Atovy eo amigny vavanao gny tagnanao dra ndao hindray aminay, dra ho babanay vo pisoronay hanao. Soa vatany ho anao ra gny ho pisoro ho anigny tragnonigny lelahy raiky, sa pisoro ho anigny foko raiky vo fianakaviam-be raiky ao Israely?" Faly gny fonigny pisoro. 20 Nalany gny efoda, reo terafima, vo gny sary raha voasokisy, dra lasa nagnaraky gny vahoaky izy. 21 Dra nitoliky ereo dra lasa. Nataon'ereo teo alohany reo zaza madiniky, manahaky anizay koa reo biby teza vo gny fanagnan'ereo. 22 Gny fa lavisy soa gny tragnon'i Mika ereo, dra nindray tonoka reo lelahy ze tao amireo tragno agnilanigny tragnon'i Mika, dra trasy niaraky tamireo Danita ereo. 23 Nitoka fatrasy reo Danita ereo, dra nitoliky ereo dra nizaka tamin'i Mika ho: "Nagnino handrareo gny nindray tonoka?" 24 Hoy izy ho: "Nangalarindrareo reo zagnahary ze namboariko, nalandrareo gny pisoro, dra lasa handrareo. Ino gny sisa tavela ho anahy? Akory gny hahafahandrareo magnotany anahy ho: 'Ino gny mahory anao?"' 25 Hoy gny vahoakin'i Dana taminazy ho: "Sy tokony hagnenga anay hahare ze zakanao hanao, raha sy zay dra olo ory fatrasy hanafiky anao, dra ho vono hanao vo gny fianakavianao." 26 Dra nanohy gny lalany reo vahoakin'i Dana. Gny fa hitan'i Mika fa matazaky loasy ho anazy ereo, dra nivily izy dra nihery tagny atragnony. 27 Nalanigny vahoakin'i Dana ze nataon'i Mika, tafaranizay gny pisorony, dra avy tao Laisy ereo, tagny amigny vahoaky ze sy voaelingely vo sy mana ahiahy dra namono anereo tamigny sabasy ereo dra nagnoro gny tana. 28 Sy nisy na iza na iza nagnavosy anereo akory lala lavisy an'i Sidona zay, dra sy nana fifandresa tamin'iza na iza ereo. Tagny amigny lohasaka ze agnilanigny Beti-rehoba zay. Nagnery nananga gny tana reo Danita dra nony tao. 29 Namen'ereo gny agnara ho Dana gny tana, agnaran'i Dana razamben'ereo, gny raiky amireo zanadahin'Israely. Fa Laisy gny agnara nahazasy anigny tana. 30 Natokanigny vahoakin'i Dana ho anereo gny sary raha voasokisy. Jonatana zanak'i Gersoma, zanak'i Misesy, izy vo reo zanadahiny dra samby pisoronigny fokonigny Danita hatramigny andro nahazoa gny tany. 31 Dra nanopo gny sary raha voasikosy ze nataon'i Mika ereo nandrisy gny fotoa naha tao silo gny tragnon'Agnahary.