Toko faha 17

1 Nisy lelahy raiky tagny amigny tany havoan'i Efraima, dra Mika gny agnarany. 2 Hoy izy tamigny reniny: "Gny sekely volafosy 1.00 ze nalany taminao, manakasiky gny ozo nizakanao, ze reoko__ingo etoana! Mana volafosy zaho aminahy atiky. Izaho gny nangalasy anizay." Dra hoy gny reniny: "Ho tahin'i Yaveh anie hanao, ry zanako!" 3 Naheriny tagny amigny reniny gny sekely volafosy 1.100 dra hoy gny reniny taminazy: "Hataoko ho an'i Yaveh ty volafosy tihoky, fa hamboasy sary rahavoasokisy vo sary raha an-idina gny zanadahiko. Dra amizao, dra aheriko aminao tiky." 4 Gny fa naheriny tamigny reniny gny vola, dra nangalaky sekely volafosy rozato gny reniny dra nameny reo panefy vy ze nanao anireo ho sary raha voasokisy vo an'idina zay, dra napetraky tao atragnon'i Mika reo. 5 Gny lelahy atao ho i Mika dra nana tragno-sapy dra namboasy efoda vo tokatragnon'ireo zagnahary izy, dra nagnarama raiky tamireo zanadahiny izy ba ho lasa pisorony. 6 Dra tamireo andro reo dra sy nisy pazaka tagny Israely, dra nanao ze mary teo amasony gny olon'aby. 7 Dra nisy zatovo lahin'i Betlehema raiky tagny Joda, boak'amigny fianakavian'i Joda, ze Levita. Nizano tagny izy ba hagnatateraky reo adidiny. 8 Niala tao Betlehema tao Joda ralelahy ba handeha dra hitalia toera hipetraha. GNy fa nandeha izy, dra avy tagny atragnon'i Mika tagny amigny tany havoan'i Efraima. 9 Dra hoy Mika taminazy: "Boak'eza gny fiavianao?" Dra hoy ralelahy taminazy: "Levita an'i Betlehema tao Joda zaho, dra nandeha zaho ba hitalia toera ze mety honegnako." 10 Dra hoy i Mika taminazy: "Mizanogna eto aminahy, dra aoky hanao ho baba vo ho pisoro hoanahy. Hameko sekely volafosy folo isa-tao, akazo, dra gny sakafonao hanao." Ko dra nilisy tao atragnony gny Levita. 11 Dra nahafaty anigny Levita gny hipetraky miaraky amin-drahalahisy, dra ho an'i Mika dra avy manahaky gny raiky amireo zanadahiny gny tovolahy. 12 Nataon'i Mika ho anigny adidy masy gny Levita, dra lasa pisorony gny tovolahy, dra tao atragnon'i Mika. 13 Dra hoy i Mika: "Fataso amizao fa hanao soa ho anahy i Yaveh, akory lasa pisoroko ty Levita tihoky."