Toko faha 16

1 Nandeha tagny Gaza i Samsona dra nahita mpivaro-tegna tagny, ka niaraky nandry taminazy izy. 2 Dra nizakany reo Gazita ho:''Avy teo i Samsona.''Nididin'ireo Gazita gny toera , niamby anazy teo amy fefy gny tana nandrisy gny hariva totolo ereo. Nita gny fahangina nandrisy gny hariva totolo. Nizaka ereo ho:''Angao zahay hiamby mandra-pahazavany andro, dra laha teo angao zahay hamono anazy.'' 3 Nizano teo am-pandria i Samsona mandram-pivakimila hariva. Tamy sasak'aly dra nifoha izy dra nihozoniny gny fefy vo gny tolognany ro. Nimbotany niala tamy tany reo, gny hizoso aby, napetrany teo asorony zay, dra nandesiny niakasy tagny an-tampony havoa reo , teo anoloan'i Hebrona. 4 Tafaran'izay, dra nitia ampela raiky ze nipetraky tagny an-dohasahan'i Soreka i Samsona. Delila gny agnarany. 5 Avy teo aminazy reo mpanapak'ireo Filistina, dra nizaka taminazy ho:''Fitaho Samsona ba hahita zay misy gny tazany lahibe, vo gny fomba handresenay anazy, ba hahafahanay mifehy anazy hangala baraka anazy.Atovy zay, dra omenay kirairaiky aby 1. 100 sekely voloafosy ianao.'' 6 Dra hoy i Delila tamin'i Samsona ho:''Miangavy ra, zakao anahy gny mahavy anao tena matazaky, dra nanao akory gny hahafahany olo mamehy anao, ka ho voafehy ianao? 7 Hoy i Samsona taminazy:''Raha fahen'ereo amy taly vaoavao fito zay sy bo namainina zaho, dra lasa malemy zaho dra ho manahaky gny lelahy hafa aby.'' 8 Dra ninday taly vaovao fito zay sy bo namainina ho an'i Delila reo mpanapak'ireo Filistina, dra nifaheny tamin'ireo Samsona. 9 Dra nana lelahy mivony am-pahangina , ze niamby tao amy efitragnony agnatiny izy. Hoy izy taminazy ho:''Eo aminao reo Filistina, ry Samsona!''Nefa nitapahiny manahaky gny tali-foly mikasiky afo reo taly. Ka sy fatasy zay siambaratelony tazany. 10 Dra hoy Delila tamin'i Samsona ho:''Zao gny fomba namitahanao anahy vo nizakanao vandy aminahy. Miangavy ra, zakao anahy ho nanao akory gny hahafaha mandresy anao.'' 11 Hoy izy taminazy ho:''Raha fahen'ireo amy taly vaovao zay bo sy nampiasa ho amy asa zaho, dra halemy zaho dra ho manahaky gny lelahy hafa aby.'' 12 Dra nangalaky taly vaovao i Delila dra namehy anazy tamin'ireo, sady nizaka taminazy ho:''Eo aminao reo Filistina, ry Samsona!''Gny lelahy niamby dra tao an'efitragnony agnatiny. Nefa nitapahin'i Samsona manahaky gny tapa-foly reo taly teo amy sandriny. 13 Hoy i Delila tamin'i Samsona ho:''Hatramin'izao ianao dra bo namitaky anahy dra nizaka vandy taminahy. Zakao anahy ho nanao akory gny mety handrese anao.''Fa hoy i Samsona taminazy ho:''Raha zeriny ao amy lamba eo amy fazerany ao amy lamba eo amy fazerany gny vonany voloko miisa fito, dra laha teo dra fasio eo amy fazera zay, dra ho manahaky gny lelahy hafa aby zaho.'' 14 Raha nandry izy, dra nizerin'i Delila tam fazera gny foto-boo fito tamy volony dra namasika zay teo amy fazera izy, dra hoy izy taminazy:''Eo aminao reo Filistinam ry Samsona!''Nifoha tamy torimasony izy dra nihombotany teo amy fazerany gny lama vo satoka. 15 Hoy izy taminazy ho:''Nanao akory gny hahafahanao mizaka ho:'Tiako ianao,'raha sy hizara reo siambaratelonao aminahy ianao?Namitaky anahy intelo ianao dra sy nizaka taminahy gny nahazoanao zao tazaky lahibe zao.'' 16 Isan'andro dra nanery anazy matrasy tamin'ireo zakany rapela,dra nanery anazy fatrasy gny ba haniriany ho maty. 17 Dra nizakan'i Samsona taminazy gny raha aby dra hoy izy taminazy ho:''Bo sy nitapahiny tamy hareza mihisy gny volon-dohako, satria zaho dra Nazirita ho an'Agnahary hatragny an-tronin-dreniko.Dra raha harata gny lohako, dra hiala aminahy gny heriko, dra halemy zaho ka ho manahaky lelahy hafa aby.'' 18 Fa gny hitan'i Delila fa nizaka gny mary momba gny raha aby taminazy izy, dra nandefa vo nitoka reo mpanampak'ireo Filistina izy, nanao ho:''Miakara draiky, fa nizakany taminahy gny raha aby.''Dra nagnagny aminahy reo mpanapak'ireo Filistina, ninday gny volafosy tegny an-tagnan'ireo. 19 Nataony resy tory teo amy feny izy.Nitoka lelahy raiky ba hagnarasy reo vona fito teo amy lahany izy , dra nanomboky nandresy anazy izy, satria niala taminazy gny heriny. 20 Dra hoy izy ho:''Eo aminao reo Filistina , ry Samsona!''Nifoha tamy torimasony izy dra nizaka ho:''Hiboaky manahaky reo fotoa hafa zaho dra hagnesiky malalaky gny vatako.''Nefa sy fatany fa niala taminazy i Yaveh. 21 Nanambosy anazy reo Filistina dra nanaisotra reo masony. Ninday anazy niboaky tagny Gaza izy ereo dra namehy anazy tamy ravaky varahina. Nanakodia gny fikosoam-bary tagny am-pigadra izy. 22 Fa nihery nagniry draiky gny volo teo amy lohany tafarany nagnarata anizay. 23 Niaraky nivory reo mpanapak'ireo Filistina ba hanolosy soro lahibe ho an'i Dagona zagnaharin'ereo, dra hifaly.Hoy ereo ho:'nandresy an'i Samsona fahavalosika gny zagnaharisika dra nametraky anazy teo ampelan-tagnasika izy.'' 24 Fa gny nahita anazy gny vahoaky , dra nidera gny zagnaharin'ireo,satria hoy ereo ho:''Fa nandresy reo fahavalosika gny zagnahasika dra nagnome anazy ho asika-gny mpandrava gny tanasika , zay namono gny maro tamisika.'' 25 Fa gny nakalaza ereo,dra hoy izy reo ho:''Tokavo i Samsona , ba hampihomehy asika.''Nitoka an'i Samsona hiboaky gny tragnomezy ereo dra nampihomehy anazy reo. Nataon'ereo nisanga teo agnelagnelan'ireo andry izy. 26 Hoy i Samsona taminigny zazalahy ze nitata gny tagnany ho:''Angao zaho ba hikasiky reo andry zay manohy gny tragno lahibe, ba hahafahako miatehisy amin'ereo. 27 Dra feno lelahy vo ampela gny tragno. Tao avo koa reo mpanapak'ireo Filistina aby.Teo amy telo arivo teo ho eo gny lelahy vo ampela teo an-tafon-tragno, zay nagnety an'i Samsona nampiala voly anazy reo. 28 Nitoka an'i Yaveh Samsona, dra nanao ho:''Tompo Yaveh, sarovy zaho!Miangavy ra hatazaho zaho amin'itio draiky mitoraky itio avo,ry Zagnahary, ba hahafahako mamaly draiky mandeha reo Filistina gny amy nangalany reo masoko ro'' 29 Nitanan'i Samsona reo andry ro teo agnevony ze nanoha gny fagnoregna lahibe , dra niaky teo amin'ereo izy, gny andry raiky tamy tagnany havana, dra gny raiky tamy tagnany havia. 30 Hoy i Samsona ho:''Angao zaho ho maty miaraky amin'ireo Filistina!''Nanondrosy gny heriny izy ka nilavo teo amin'ireo Pazaka vo teo amin'ireo olo aby zay tao agnatin'izay gny fagnoregna lahibe.Ka gny maty nivonony zay tamin'izy maty dra mihoasy noho reo ze nivonony nandrisy gny fiaignany. 31 Dra niboaky reo rahalahiny vo reo ankohonan-drany aby. Nangalaky anazy ereo , ninday anazy nihery dra nandevy anazy teo agnelagnelan'i Zora vo Estaola tagny amy toeram-pandevegna an'i Manoa, rany.Nisara an'i Israely nandrisy gny ropolo tao i Samsona.