Toko 5

1 Avia, andrareo ze mpana-karena, mitomagnia vô midradradradrà noho reo fahoria avy amindrareo . 2 Gny fanagnandrareo fa hô lo, dra gny fiakazognandrareo fa lanign'gny kalalao. 3 Gny volamenandreao vô gny volafosindrareo dra fa heriky .Gny heriky dra ho vavolombelo havandy amindrareo.Hagnoro gny nofondrareo manahaky gny afo zay . Nahazanereo gny hanagnandrareo ho amigny reo andro farany . 4 Indro, gny karaman'ereo piasa dra mitaray gny karama ze nihazon'ereo sy ho an'ereo ze namokasy gny tanimboly drareo , dra reo fitaraignagn'gny mpijinja dra fa avy agny sofiny topogn'gny maro . 5 Niay tamign'gny harena teto an-tany andrareo sady nagnara-po tamign'gny vatandrareo . Natavezindrareo gny fondrareo ho agny andro famonoa. 6 Nagnahy vô namono gny olo-mary andrareo . Sy nanohisy andrareo izy. 7 Koa mahareta, rahalahy, mandrapiavign'gny Topo. indro, gny pamboly miamby gny vokasy sarobily baka amigny tany.Miamby amim-pahareta anizay izy , mandra-pahazoan'izay gny volohany vô gny fara-ora. 8 Andrareo ,avô Koa, mahareta . Hatazaho gny fondrareo, satria fa mariny gny fiaviagn'gny Topo. 9 Ka mifapitaray, rahalahiko,bâ sy ho sara andrareo .Indro,gny pisara misanga eo am-baravara. V 10 Mangalá ohasy ,rahalahy ,baka amigny fizalia vô faharetan'ereo paminany ,reo ze nizaka tamigny agnaran'gny Topo. 11 Indro, ataosika mitovy manahaky gny sambasy reo ze fa miharisy . Fa rendrareo gny fiaretan'i Joba , dra fatasindrareo gny tazogn'gny topo,gny maha -feno fangoraha vô famindram-po anazy. 12 Fa agn'abony iaby , rahalahiko ,ka mianiana ,dre amigny lagnisy dre amigny tany ndre amigny fiaigna hafa. Fa dra,aoka gny zakandrareo hô: ''Eny'' ho ''Eny'' dra gny ''ahaha ''ho ''ahaha'',bâ sy hilisy amigny fisara andrareo . 13 Misy olo mizaly se eo amindrareo amigny aly sarosy? Ao izy hivavaky.Misy olo faly se ? Aona izy hiatsa fiderana . 14 Misy marary se eo agnevondrareo ? Aoka izy hitoka gny lohologn'gny fiangona ,dra ao izy reo hivavaky ho anazy . Aoka ereo hagnososy menaky anazy amigny agnarany topo. 15 Gny fivavaky gny finoa gny hagnasitrana gny olo marary,dra gny Topo hananga anazy . Raha nanota izy , dra hamela anazy Zagnahary. 16 Koa mifaneke heloky andrareo, dra mifapivavaha, bâ ho afaky andrareo . Gny vavaky ataogn'gny olo-marina dra tena matazaky amigny fiasany . V 17 Elia dra lelahy nitovy tamisika avô. Nivavaky fatrasy izy bâ sy hilasahagn'gny ranon'ora,dra sy nilasaky tamign'gny tany nandrisy gny telo tao vô enim-bola zay . 18 Bak'eo nivavaky draiky Elia . Gny lagnisy dra nagnome ranon'ora, dra gny tany namoa gny vokany . 19 Ry rahalahiko ,raha misy eo amindrareo miala amigny fahamarigna ,dra misy raiky koa mampihery anazy, 20 dra tokony ho fatasy hô olo hô fa dre iza dre iza mangalaky gny panota raiky amigny lala-diso dra hamozy anazy amigny fahafatesa,dra hanafosy fahota marobe.