Toko faha 9

1 Dra ho i Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Mandehana agny amin'i Farao dra zakao izy ho:''Ry Yaveh, Zagnahariny gny Hebreo, mizaka anizao:''Angao gny vahoakiko handeha ba hahafahan'ereo manompo anahy.'' 2 Fa raha manda gny hagnenga anazy reo handeha ianao, raha bo mita anazy reo ianao, 3 dra ho eo amy biby fitezanao egny antanimboly dra ho eo amin'ereo sovaly, ampondra, rameva, agn'omby, dra reo agn'ondry vo osy gny tanan'i Yaveh, dra hiteraky areti-mandoza zay. 4 Samy hafa gny hindesan'i Yaveh gny biby fitezan'i Israely vo gny biby fitezan'i Egypta:sy hisy ho maty gny biby ze an'ereo Israelita. 5 Fa nanendry fotoa i Yaveh;hoy Izy ho:''Maraindray gny hanovako anizay raha zay eo amy tany.''''' 6 Nataon'i Yaveh zay gny maray :Maty gny biby fitezan'i Egypta aby.Nefa sy nisy maty koa reo bibin'ereo Israelita,na biby raiky aza. 7 Nagnadihady i Farao . dra ingo, sy nisy maty na dra raiky aza reo bibiny Israelita.Fa fatram-po izy, ka sy nangany handeha reo vahoaky. 8 Dra ho i Yaveh tamin'i Mosesy vo i Arona ho:''Mangala laveniky erany tana aby ao amy fatagnafo.Ianao, ry Mosesy, gny sy maisy hanoraky reo laveniky egny amy sioky raha i Farao magnety igny. 9 Ho las bony madiniky manera gny tany Egypta aby zay. Hahavy ba vo fery hipoisy amin'ereo vahoaky vo reo biby manera gny tany Egypta aby zay.'' 10 Koa dra nangalaky laveniky laha tao amy fatagna fo i Mosesy vo i Arona dra nisanga teo anoloan'i Farao.Dra natoran'i Mosesy tegny amy sioky gny laveniky.Nahavy vay vo fery nipoisy tamin'ereo olo vo reo biby gny laveniky. 11 Sy nahatihisy an'i Mosesy reo ombiasa noho reo vay, satria namely anazy reo vp reo Egyptiana hafa aby gny vay. 12 Nagnamafy gny fon'i Farao i Yaveh, ka sy niteno an'i Mosesy vo i Arona i Farao. Zay dra araky gny nizakan'i Yaveh tamin'i Mosesy fa ho ataon'i Farao. 13 Dra ho i Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Mifohaza maraindraim-be , mijoroa eo anoloan'i Farao , dra zakao izy ho:''Yaveh, Zagnahary gny Hebreo, nizaka zao:''Angao gny vahoakiko handeha ba hahafahan'ereo manompo Anahy.'' 14 Fa aminizay fotoa zay dra handeha reo areti-mamono aby amy vatanao, amin'ereo mpanomponao, vo amin'ereo vahoakinao zaho.Hataoko zao ba hahafataranao fa sy misy manahaky anahy amy tany aby. 15 fa amizao dra afaky nanondrosy gny tagnako dra nagnenga anao vo gny vahoakinao tamy arety zaho, dra ho lany risy eto amy tany iandrareo. 16 Fa zao gny antony nagnengako andrareo ho velo:ba hanehoako amindrareo gny heriko, ba hagnambara gny agnarako manera gny tany aby. 17 Bo manondrosy gny vatanao manohisy reo vahoakiko avo ianao amy sy famela anazy handeha. 18 Tenoy!Maray amy lera manahaky anizay dra hinday havandra mivatravatra be zaho, zay bo sy nisy manahaky anizay hita teto Egypta hatraminigny niandohany andro mandraky amizao. 19 Amizao dra, magniraky lelahy dra ahorogny reo biby fitezandrareo vo gny raha aby anagnandrareo egny antanimboly ho amy toera azo antoky. Gny olo aby vo gny biby zay egny antaniboliny dra sy nandesiny noly-hilasaky eo amin'ereo gny havandra, dra ho maty izy reo.''''' 20 Dra reo mpanompon'i Farao zay nino gny hafasin'i Yaveh dra ninday malaky reo mpanompo vo reo biby fitezan'ereo nagngny antragno. 21 fa reo zay sy nandray gny hafasin'i Yaveh ampamatora dra namela reo mpanompo vo gny biby fitezan'ereo tegny antanimboly. 22 Dra ho i Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Ahijiro magnagny amy lagnisy gny tagnanao ba hisiany havandra amy tany Egypta aby, amy vahoaky, amy biby, dra amy raha-misiry aby egny antanimboly manera gny tany Egypta aby.'' 23 Nanondrosy gny tehiny nagnagny amy lagnisy i Mosesy,dra Yaveh nandefa hotrok'ora, havandra, helasy tamy tany .Nandasaky havandra yamy tany egypta avo koa Izy. 24 Dra nisy havandra vo helasy miharo havandra, nahery vaiky, zay bo sy nisy tao amy tany Egypta hatraminigny naha firena anazy. 25 Nanera gny tany Egypta aby, nagnenga gny raha aby tany antanimboly, dra gny olo vo reo biby gny havandra. Namely gny raha-misiry aby tegny antanimboly dra nanapaky reo hazo zay. 26 Tao amy tany Gosena avo , zay nipetrahan'ereo Israelita, gny sy nisy havandra. 27 Dra Farao nagniraky lelahy hitoka an'i Mosesy vo i Arona.Ho izy tamin'ereo ho:''Fa nanota zaho amizao.Yaveh dra mary, dra zaho vo gny vahoakiko dra rasy fagnahy. 28 Mivavaha amin'i Yaveh, satria maro loasy gny varasy mahery vo gny havandra.hangako handeha iandrareo, dra sy hizano eto sasy iandrareo.'' 29 Ho Mosesy taminazy ho:''Raha vatany vao miala eto amin'itio tana itio zaho, hasandrato agny amin'i Yaveh gny tagnako.Hizano gny hotriky , dra sy hisy havandra sasy. Zay gny faomba hahafataranao fa an'i Yaveh gny tany. 30 fa gny aminao vo reo mpanomponao, fatanao fa sy bo tena magnomr voninahisy an'i Yaveh Zagnahary iandrareo.'' 31 Dra sola gny rongony vo gny vary hordea, fa gny vary hordea dra masaky am-potony, dra namogny gny rongony. 32 Fa gny varim-bazaha vo gny apemba dra sy nagnino satria reo dra fa vokasy tatiho afara. 33 Raha nagnenga an'i Farao vo gny tana i Mosesy, dra nasandrany ho amin'i Yaveh gny tagnany;nizanozano gny hotriky vo gny havandra, dra sy nilasaky sasy gny ora. 34 Raha hitan'i Farao fa nizanozano gny ora, gny havandra, dra gny hotroky, dra nanota draiky izy dra nagnamafy gny fony, niaraky tamin'ereo mpanompony. 35 Nihafatrasy gny fon'i Farao, ka sy nagnrnga gny vahoakin'Israely nandeha izy.Zay dra araky gny nizakan'i Yaveh tamin'i Mosesy fa ho ataon'i Farao.