Toko faha 8

1 Dra Yaveh nizaka tamin'i Mosesy ho:''Mandehana agny amin'i Farao dra zakao izy ho:'Zao gny zakan'i Yaveh:''Ao gny vahoakiko handeha ba hahafahan'ereo manompo anahy. 2 Raha sy mamela anazy handeha reo ianao, dra hampahory gny firenenao manotolo amy sangohetra zaho. 3 Ho feno sangohetra gny renirano.Hiakasy reo dra hilisy ao antragnonao, gny efitragno fandrianao, vo gny fandrianao.Ho agny amy tragnon'ereo mpanomponao reo.Ho agny amy olonao, gny lafaoronao, dra reo finga gobo fanovanao mofo. 4 Hanafiky anao, gny vahoakinao,dra gny mpanomponao aby reo sahongetra.'' "' 5 Ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Zakao i Arona ho:''Ahinjiro eo agnabony gny ranirano , gny lakan-drano, vo reo dobo gny tagnanao vo gny tehinao, dra andeso haheniky gny tany Egyptia gny sangohetra.''' 6 Dra nahijitr'i Arona teo amy ranon'i Egypta gny tagnany, ka avy reo sangahetra dra nandrakosy gny tany Egypta. 7 Nefa nanao manahaky anizay avo koa reo ombiasa tamy gny olin'ereo :Ninday sangohetra niakasy gny tany Egypta izy reo. 8 Dra nitoka an'i Mosesy vo i Arona i Farao ka nizka ho:''Mivavaha amin'i Yaveh ba hanaisotra gny sangohetra eto aminahy vo amin'ereo vahoakiko.Dra namela gny olo handeha zaho, ba hahafahan'ereo manao soro ho anazy.'' 9 Ho Mosesy tamin'i Farao ho:''Ianao dra mana fahafaha hizaka aminahy ho Ombia zaho gny tokony hivavaky ho anao, reo mpanomponao,dra reo vahoakinao zaho,ba hanesora reo sangahetra eo aminao vo gny ankohonao ka hizanogna agny an-drenira avo.'' 10 Farao nizaka ho:''Maray.''Dra mosesy nizaka ho:''Ao hatao araky gny zakanao zay,ba hahazanao fa sy misy ytahaky an'i Yaveh, gny Zagnaharinay. 11 Hiala eo aminao, gny targnonao, reo mpanomponao, dra reo vahoakinao gny sangohetra.Fa hizano eo amy reniranonao avo. 12 Niboaky niala teo amy Farao i Mosesy vo i Arona .Dra Mosesy nihiaky fatrasy tamin'i Yaveh mahakasiky gny sangohetra zay nandesiny teo amy Farao. 13 Dra Yaveh nanao araky zay nangatahin'i Mosesy:maty tao amin'ereo tragno,tokotany, vi saha reo sangohetra . 14 Nahorin'ereo vahoaky nisitokotoko reo, ka dra namofo gny tany. 15 Raha nihin'i Farao fa nisy fitonia,dra nohamafisiny gny fony sy niteno an'i Mosesy vo i Arona izy, araky gny nizakan'i Yaveh fa ho ataony. 16 Yaveh nizaka tamin'i Mosesy ho:''Zakao i Arona ho:''Ahisio gny tehinao dra zerao gny vovoky eo amy tany, ba ho avy moka manera gny tany Egypta aby.''' 17 Nanao tahaky zao izy reo:Nahisin'i Arona gny tagnany vo gny tehiny.Nizerany gny vovoky teo amy tany.Dra avy eo amy olo gny moka vo gny biby.Avy moka avo koa gny deboky aby nanera gny tany Egypta. 18 Reo ombiasa dra niezaky gny hampisy moka taminigny olin'ereo, fa sy afaky izy reo.Nisy moka teo amy olo sy gny biby. 19 Dra ho reo ombiasa tamin'i Farao ho:''Tanan'Agnahary zao.''Fa nihamafy koa gny fon'i Farao , ka nanda gny hiteno anazy izy. Zay dra tahaky gny fa nizakan'i Yaveh fa hataon'i Farao. 20 Ho Yaveh tamin'i Mosesy:''Mifohaza maraindray be dra misangana manoloa an'i Farao raha miala ho agny amy renirano izy.Zakao izy ho:'Zao gny nizakan'i Yaveh:''Ao gny oloko handeha ba hahafahan'ereo manompo anahy. 21 Fa raha sy anganao handeha eo aminao , reo mpanomponao, vo reo olonao, dra reo ze ao antragnonao zaho.Gny tragnon'ereo Egyptiana dra ho feno andia-dagnisy , dra na gny tany ze hisanganan'ereo aza dra ho feno lalisy. 22 Fa aminizay andro zay dra hinday gny tanin'i Gosena amy fomba hafa zaho, gny tany ze onenanigny oloko, ba sy hisy andian-dagnisy agny .Zay dra hiseho ba hahalalanao fa Zaho gny Yaveh eo agnevon'itio tany tio. 23 Hanao fagnavaha eo amy vahoakiko vo gny vahoakinao zaho.Zay famatara gny heriko zay dra hiseo maray.''''' 24 Nanao anizay i Yaveh, ka avy tao antragnon'i Farao vo reo manompony reo andian-dagnisy matevy.Nanera gny tany Egypta aby, simba gny tany noho reo andian-dagnisy. 25 Nampitoka an'i Msesy vo i Arona i Farao ka nizaka ho:''Mandehana. manova soro ho an'Agnaharindrareo ao amy tanindrareo manoka.'' 26 Ho i Mosesy ho:''Sy mety aminay gny manao anizay, fa reo soro zay ataonay ho an'i Yaveh Zagnaharinay dra mampangelakelaky ho an'ereo Egyptiana.Raha manao soro mary eo amason'ereo zahay ze mampangelakelaky an'ereo Egyptiana, sy ho torahin'ereo vato se zahay? 27 Aha, gny mandeha hateloa magnagny an'efisy gny sy maisy hataonay, ba havona soro ho an'i Yaveh Zagnaharinay, araky gny nandidiany anay.'' 28 Ho i Farao ho:''Hamela andrareo handeha vo hanao soro ho an'i Yaveh Zagnaharindrareo agny an'efisy zaho.Fa ao koa sy handeha lavisy loasy andrareo.Mivavaha ho anahy.'' 29 Ho i Mosesy ho:''Vatany vo miboaky laha tao aminao zaho, dra hivavaky amin'i Yaveh ba hialany andian-dagnisy eo aminao, ry Farao, vo reo mpanomponao dra gny vahoakinao maray.Fa ao ianao sy hamitaky sasy amy sy famela gny olonay handeha hanao soro ho an'i Yaveh.'' 30 Niboaky laha tao amy Farao i Mosesy dra nivavaky tamin'i Yaveh. 31 Nataon'i Yaveh zay nangatahin'i Mosesy:Nanaisotra gny andian-dagnisy teo amy Farao, vo reo mpanompony, dra reo vahoakany Izy.Sy nisy na raiky aza tavela. 32 Nefa Nagnamafy gny fony avo koa i Farao taminizay fotoa zay, dra sy namela gny vahoaky handeha.