Toko faha 13

1 Nizaka tamin'i Mosesy Yaveh dra nanao ho: 2 ''Atokony ho anahy gny teraky volohany aby, reo lahimatoa aby ao amin'ereo Israelita, na olo na reo biby.Anahy reo volohan-teraky.'' 3 Dra ho i Mosesy taminigny vahoaky ho:''Sarovy vo ankalazao zao andro zao, dra gny andro zay niboahandrareo laha tagny Egypta, avy tamy tragno fagnandrvoza, satria tamy tana maherin'i Yaveh gny nandesany andrareo niboaky laha tao amin'io toera io.Sy misy mofo misy lalivay azo hohany. 4 Hiboaky an'i Egypta amin'itio andro itio iandrareo, amy volan'i abiba. 5 Raha andesin'i Yaveh ao amy taniny Kananita, Hitita,Amorita,Hivita,dra gny Jebosita ,gny tany ze niaignany tamin'ereo razandrareo homeny andrareo , dra gny tany tondrandronono vo tately-dra sy maisy hitandry zay fomba fivavaha zay iandrareo amin'io vola io. 6 Mandrisy gny fito andro dra sy maisy mihina mofo sy misy lalivay iandrareo;amy andro fahafito dra hisy andro firavoravoa ba hagnomezam-boninahisy an'i Yaveh. 7 Mofo sy misy lalivay gny sy maisy hohany mandrisy gny fito andro;sy tokony hisy mofo misy lalivay akory hita eo amindrareo.Sy misy lalivay tokony ho hita miaraky amindrareo ao agnatiny sisin-tanindrareo. 8 Aminizay andro zay dra hizaka amin'ereo zanakao ianao ho:'Zay dra noho zay nataon'i Yaveh taminahy raha niboaly tany Egypta zaho.' 9 Zay dra ho fampasiahiva ho andrareo eo amy tanandrareo , dra fampasiahiva eo amy handrindrareo .Zay dra ba ho eo am-batrangarandrareo gny lalan'i Yaveh gny nandesany andrareo niboaky laha tao Egypta. 10 Noho zay dra sy maisy tandremandrareo itio lalana itio amy fotoa fa voatondro isan-tao isan-tao. 11 Raha minday andrareo ao amy tanin'ereo Kananita Yaveh, araky gny nianianany tamindrareo vo reo razandrareo fa ho ataony, dra raha magnome gny tany ho andrareo Izy, 12 dra sy maisy hanoka ho anazy gny zaza volohan-teraky aby vo gny volohan-terak'ereo bibinadrareo.Dra ho an'i Yaveh reo lahy. 13 Reo volohan-teraky gny boriky aby dra sy maisy havily zanakagn'ondry .Raha sy magnery mivily zay ianao, dra sy maisy manapaky gny vozony.Fa reo lahimatoa aby eo amindrareo -dra sy maisy haherindrareo valiany. 14 Raha magnontany anao gny zanadahinao agny tarafany ho:''Ino gny dikan'izao?''Dra ho zakanao anazy ho:''Tamy tagna-maherin'i Yaveh gny nandesany anay niboaky laha tao Egypta, tao amy tragno fagnandevoza. 15 Raha nanda fatrasy gny hamela anay handeha i Farao , dra novon'i Yaveh gny volokany teraky tao amy tany Egypta, gny volohan-teraky reo vahoaky vo gny volohan-terak'ereo biby.Zay gny antony anpvako soro ho sn'i Yaveh gny lahy volohan-teraky amy biby aby, dra gny antony hameregnako gny viliny lahimato amin'ereo zanako.' 16 Ho zary fampasiahiva eo amy tagnanao, vo fampasiahiva eo amy handrinao zay, fa tamy tagna-mahery gny namoahan'i Yaveh asika laha tao Egypta.'' 17 Raha namela gny vahoaky nandeha i farao, dra sy nitaroky anazy tamy lala tagny amy tanin'ereo Felistina Zagnahary,na dra teo mariny teo avo zay tagny zay.Fa ho Zagnahary ho:''Vasa hiova hevisy reo vahoaky raha mandalo gny aly dra hihery agny Egypta.'' 18 Fa nandesin'Agnahary nagnondidy gny efisy gny Ranomasy Mena reo vahoaky.Niakasy laha tao amy tany Egypta reo Israelita dra nivono ho amy aly. 19 Dra nandesin'i Mosesy niaraky taminazy gny tolam-balon'i Josefa, fa Josefa nampiania fatrasy reo Israelita ka nizaka ho:''Azo antoky fa hamozy andrareo Zagnahary, dra sy maisy hinday gny tolam-baloko miaraky amindrareo.'' 20 Nandeha laha tagny Sokota reo Israelita dra nitoby tao Etama teo amy sisiigny tany efasy. 21 Yaveh nandeha teo alohan'ereo taoamy andri-raha tamy atoandro ba hitariky anazy reo egny an-dala.Dra gny hariva dra nandeha tahaky gny andri-afo ba hagnome anazy gny nahafahan'ereo nandeha gny andro vo gny hariva. 22 Sy nanaisotra gny andri-raho gny atoandro na gny andri-afo gny hariva nanoloa reo vahoaky Yaveh.