Toko faha 12

1 Yaveh nizaka tamin'i Mosesy vo i Arona tao amy tany Egypta. 2 Ho Izy ho:''Ho andrareo , itiho volana itiho gny ho fiandohan'ereo volana , dra gny volohany volana amy tao hi andrareo. 3 Zakao amy fiangonan'Israely ho:'Amy andro fahafolon'itio volana itio izy reo dra sy maisy mangalaky agn'ondry na zanakagn'osy avy ho anazy reo, gny fianakavia kirairaiky dra samy hanao anizay, zanakagn'ondry raiky isaky gny fianakavia. 4 Raha keliky oloasy ka sy hahalany zanakagn'ondry raiky gny fianakavia raiky, gny lelahy vo gny mpiray vody rindry aminazy dra tokony hangalaky gny henan-zanakagn'ondry na zanak'osy zay ampy hohanigny isam-batan'olo.Tokony ho ampy hohany aby zay, noho zay izy reo dra sy maisy mangalaky hena tandrify hamokisana anazy aby. 5 Sy tokony hisy handrany mihisy gny zanakagn'ondry na zanak'osindrareo, lahy heritao.Afaky mangalaky raiky amin'ereo agn'ondry na osy iandrareo. 6 Sy maisy karakarandrareo soa zay mandraky fiaviany gny andro fahefasy ambiny folon'io .Dra sy maisy mamono reo biby reo gny fianonan'Israely manotolo amy takariva. 7 Sy maisy mangalaky sasany amy lio iandrareo dra mametraky zay amy tolam-baravara raiky vo eo amy tataom-baravaranigny tragno ao aminizay hihinanandrareo gny hena. 8 Sy maisy hohanindrareo amin'io hariva io gny hena, raha natono mialoha tamy afo.Hoany miaraky amy mofo sy misy masirasira, miaraky amy hagnisy mafaisy zay. 9 Ka hohany manta na ampandevezy amy rano zay.Fa koa,atonoy amy afo miaraky amy lohany, gny tombony dra gny ao agnatiny. 10 Sy tokony hangandrareo ho trasy maray gny sisany.Sy maisy horondrareo zay sisa tavela amy maray. 11 Zao gny fomba sy maisay hihinanandrareo zay:Mifehy gny fehi-trokindrareo, gny kapandrareo egny amy tombondrareo, dra gny tehina egny antagnandrareo .Sy maisy mihina malaky zay iandrareo . Zay gny Paskan'i Yaveh. 12 Zao gny zakan'i Yaveh :Handeha hamakivaky gny tany Egypta zaho amin'itio hariva itio ka handringana gny volohan-teraky gny olo vo gny biby aby ao amy tany Egypta.Hinday famezigna ho an'ereo zagnaharin'i Egypta aby zaho.Zaho gny Yaveh. 13 Gny lio gny ho famatara eo amy tragnondrareo gny amy fahaviako ao amindrareo.Raha mahita gny lio zaho, dra hiriosy eo amindrareo avo raha hamono gny tany Egypta.Sy ho ao amindrareo ka hamono andrareo gny loza. 14 Ho andro fahasiarova ho andrareo io andro io, zay sy maisy hotandremandrareo ho firavoravoa ho an'i Yaveh.Ho lalana ho andrareo mandrakariva, amy taraky gny vahoakindrareo, fa sy maisy mitandry zay andro zay andro zay iandrareo. 15 Hihina mofo sy misy masirasira iandrareo mandrisy gny fito andro.Amy andro volohany iandrareo dra hangalaky gny lalivay ao antragnondrareo.Na iza na iza mihina mofo sy misy masirasira amy andro volohany mandra-pahaviny gny andro fahafito, zay olo zay dra sy maisy hangalaky ao Israely. 16 amy andro volohany dra hisy vondro zay atoka ho anahy, dra amy andro fahatito dra hisy famoria hafa tahaky zay.Sy misy asa ho atao aminizay andro zay. afa-sy gny mahandro sakafo hohany aby.Zay avo gny asa azondrareo atao. 17 Sy maisy tandremondrareo io andro gny Fankalaza gny Mofo sy misy Lalivay io satria amin'io andro io gny handesako gny olondrareo, isan-tokony aby, hiala gny tany Egypta.Ka sy maisy tandremandrareo amy taranaky gny olo zay andro zay.Ho lalana ho andrareo mandrakariva zay. 18 Sy maisy mihina mofo sy misy lalivay iandrareo manomboly amy takarivanigny andro fahefasy ambiny folo amy volana volohany tao, mandra-pahaviny takarivanigny andro faha-raiky amby ropoo gny vola. 19 Mandrisy reo andro fito reo, dra sy tokony hisy lalivay hita mihisy ao antragnondrareo.Zay aby mihina mofo misy lalivay dra ho ala amy vondron'Israely, na vahiny zay olo zay na olo tareky teo amy tanindrareo. 20 Sy tokony hihina raha misy lalivay mihisy iandrareo. Na eza na eza honenanao, dra sy maisy mihina mofo sy misy masirasira.''' 21 Dra nitoka gny loholon'Israely aby i Mosesy ka nizaka tamin'ereo ho:''Mandehana dra misafilia agn'ondry na zanakagn'ondry zay ampy hamahana gny fianakaviandrareo ka vonoy gny zanakagn'ondry gny Paska. 22 Laha teo dra mangalaky rasana hysopa dra asobohy ao agnatony lio ze ao agnatiny koveta zay.Hosory amy tolam-batrangara ro vo latognam-batrangara gny lio ze tao agnatiny koveta.Sy misy na iza na iza mahazo miboaky gny tragnony mandra-piaviny maray. 23 Satria Yaveh dra hiriosy ba handringa reo Egyptiana.Raha mahita gny lio amy latognam-batrangara vo amy gny tolam-batrangara ro Izy, dra handalo avo amy vatrangarandrareo dra sy nagnenga gny mpndringa hilisy ao antragnondrareo ba hamely andrareo. 24 Sy maisy tandremondrareo zay fotoa zay.Ho lalana mandrakariva ho andrareo vo gny taranakindrareo zay. Raha hilisy gny tany zat homen'i Yaveh andrareo, araky zay fa nampanatenainy ho ataony , dra sy maisy hitandry anizay fomba fivavaha zay iandrareo. 26 Raha magnontany andrareo gny zanakindrareo ho:''Ino gny dikan'izao fomba fivavaha zao?' 27 Dra sy maisy hizaka iandrareo ho:'sorony Paskan'i Yaveh zao, satria nandalo tamy tragnon'ereo Israelita tao Egypta Yaveh raha namely an'ereo Egyptiana.Nagnafaky gny ankohonanay Izy.'''Dra nandohaliky gny vahoaky ka nidera an'i Yaveh. 28 Nandeha reo Israelita ka nanao araky zay nandidin'i Yaveh an'i Mosesy vo i Arona. 29 Dra tamy sasak'aly dra naringan'i Yaveh gny volohan-teraky aby tao amy tany Egypta, nanomboky tamy lahimatoan'i Farao , zay nipetraky teo amy seza fiandrianany, hatraminigny lahimatoany olo tagny antragnomezy baminigny volohan-teraky gny biby fiteza aby. 30 Nifiha i Farao nony hariva -izy, reo mpanompony aby , dra gny Egyptiana any.Nisy fitomania fatrasy tao Egypta,satria sy nisy tragno ze sy nisy maty tao agnatiny. 31 Nitoka an'i Mosesy vo i Arona i Farao gny hariva dra nizaka ho:''Misangana , miala eo amy vahoakiko, iandrareo vo reo Israelita.Mandehana. manompoa an'i Yaveh, araky ze nambarandrareo fa tiandrareo hatao. 32 Andeso gny agn'ondry vo osindrareo, dra mandehana, ka sofy rano avo koa zaho.'' 33 Tao agnatiny fahamaikiny tateraky gny nandroahan'ereo Egytiana anzy reo hiala gny tany, satria hoy izy reo :''Ho maty iaby isika aby.'' 34 Koa dra nangalaky gny koba sy misy lalivay gny vahoaky.Fa nifehy tao amy ankazon'ereo vo teo amy soron'ereo gny finga fihinana. 35 Dra nanao araky zay nizakan'i Mosesy anazy reo gny vahoakin'Israely.Nangataky volafosy , volamena, dra ankazo tamin'ereo Egyptiana izy reo. 36 Nataon'i Yaveh nilasitraky tamin'ereo Israelita gny Egyptiana.Ka nomen'ereo Egyptiana anazy reo avo koa zay aby nangatahin'ereo .Taminizay fomba zay gny nandroban'ereo Israelita an'ereo Egyptiana. 37 Nandeha laha tagny Ramesesy nagnagny Sokota reo Israelita .Teo ho eo amy 600.000 lahy izy reo gny nandeha tomboky , niampy reo zaza ama-napela. 38 Vahoaky niharo zay sy Israelita avo koa gny nandeha niaraky tamin'ereo , niaraky tamy agn'ondry vo osy vo agn'omby , dra biby fiteza marobe. 39 Nanao mofo sy misy masirasira tamy koba zay nandesiny laha tagny Egypta izy reo.Sy nisy masirasira zay satria noroahiny laha tao Egypta izy reo ka sy afaky nandaso tamy fikarakara sakafo. 40 430 tao gny niain'ereo Israelita tao Egypta. 41 tamy fiafaranigny 430 tao taminizay andro zay indrindra, gny nialan'ereo antokon'i Yaveh aby tao amy tany Egypta. 42 Hariva sy fatoria io hariva io, satria Yaveh gny ninday anazy reo hiala gny tany Egypta.zay gny harin Yaveh zay tokony ho tandreman'ereo Israelita aby hatraminigny taranaky gny vahoak'ereo. 43 Ho i Yaveh tamin'i Mosesy vo i arona:''Itio gny fisipiky amy Paska:Sy misy vahiny mana azara amy fihinana zay . 44 Kanefa , gny andevonigny Israelita aby ,zay noviliam-bola, dra afaky mihina raha avy noforaindrareo izy. 45 Reo vahiny vo reo mpanompo nokaramany dra sy mahazo mihina amy sakafo. 46 Gny sakafo dra sy maisy hohany ao antragno.sy tokony hinday gny hena agny ambaliky gny tragno iandrareo, dra sy tokony hanapaky tola aminizay mihisy. 47 Sy maisy mitandry gny firavoravoa avo koa gny fiaraha-mony Israely aby. 48 Raha misy vahiny miara-mipetraky amindrareo ka te-hitandry gny Paskan'i Yaveh, dra sy maisy forana avo koa reo havany lelahy aby.Dra afaky avy izy ka mitandry anizay .Na afaky mihina amy sakafo. 49 Zay lalana zay sady hihasy amy teratany vo gny vahiny zay mipetraky eo amindrareo.'' 50 Koa dra tena nanao araly zay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy vo i Arona reo Israelita aby. 51 Dra tamin'io andro io indrindra gny nindesan'i Yaveh gny isan-tokon'Israely niboaky gny tany Egypta.